hanorina hotely any diégo na nosy-be

1. minouminou ( 30/05/2007 09:55)
Miarahaba ny rehetra mpamaky ny hafatra ato amin'ny serasera.org. Izaho mpanoratra moa dia avy any Antananarivo ary mipetraka aty France amin'izao fotoana izao. Mikasa hanorina hotely any amin'iny faritr'i Diégo-Suarez na i Nosy-be iny izaho sy ny vadiko izay vazaha frantsay. Mba mila torohevitra amin'ireo olona efa nipetraka tany na mipetraka any amin'iny faritra avaratry ny Nosy iny. Mba manao ahoana ny fifandraisan'ny olona samy hafa fiaviana any?
novalian'i Fiffi ny 04/06/2007 05:30
2. tess ( 30/05/2007 10:25)
bonne chance e! .......efa betsaka ny hotely any ka bonne chance
3. nirhina ( 30/05/2007 11:58)
tsara b zany pro-nareo zany an,ra mila ol anao plan nareo d afaka manao za,d mifanaraka tsika e,n vadiko efa tany ko matsy e,d mafatapatatra n momban'ny any
4. Fiffi ( 30/05/2007 16:54)
heu...toa tena any am toerana ireo no be hotel indrindra sy ny bungalow raha tsy diso zah !
5. colar ( 30/05/2007 17:54)
SOSY IHANY NO MITONDRA AN IO E,
6. Fiffi ( 30/05/2007 19:48)
:roll: fa naninona no natao majiskill akia ry colar ?
7. tess ( 30/05/2007 19:55)
amini'zay hita tsara angamba:-D
8. bidagda ( 31/05/2007 10:49)
tess! ary maninona raha eny an-kafa ndray manokatra mba hampivoatra ny faritra sasany satria diego efa betsaka hotely be ko be concurence loatra sady lafo fiainana fomba fijeriko aloa zay fa tsy haiko ny an\'ny sasany
9. soanja ( 31/05/2007 14:33)
Efa nipetraka tany DIEGO ary mankany matetika aho.
Izao mihitsy angamba no azo ilazako ny valinteny hoe :Good Luck!
Amin'izao fotoana izao dia isaky ny coin-dalana dia misy resto na hotelim-bazaha. Lasa mihena be ny valeurn'ireo noho ny zavatra maro samihafa mitranga ao. Betsaka koa ny fifaninana na samy Hotely eo aza.

Ny fifandraisana indray dia miankina aminao tompony sy fandraisanao olona ihany ka. Tsara karakara ny vahininao , manao mamy hoditra amin'ny manodidina, mba misy zavatra mivaingana ataonao ho an'ny community ao Diego, indrindra tsy hiavonavona dia hilaza aminao aho fa handray anao tsara i Diego iray vohitra. Asa anefa amin'izao hotakotaka izao fa ny resaka politika manko afaka mitatra toy ny siligaoma.
Raha Merina aho dia aleoko manangana hotely toeran-kafa fa tsy any raha amin'izao olana isan-karazany izao. Saingy raha ny vadinao no hitondra ny baolina dia "mi-stay low key" na zara raha hita ianao dia mety hiodina ihany ny raharaha.

Farany hevitra atolotro dia hoe raha te hanangana resaka toy izany any Madagasikara dia tsara raha efa manana connection aty an-dafy. Zany hoe efa tsara petraka ny organisation avy aty an-dafy :olona ho any toy ny voyages organises ireny, miara miasa amin'ny agence de voyage aty an-dafy, ny fandraisana any amin'ny aeroport, circuits atolotra ho azy ireo sns ka raha misy ireo dia tsy ho sahirana ianareo. Fa raha toa kosa miandry izay vazaha hidina ny avion dia hoe hanantena hoe enga anie ka hivily dia efa sarotra be ny fahatontosan'izany amin'izao fotoana raha tsy hoe atao mora be noho ny hafa ny prix ny chambre ary tsara sy mora ny sakafo. Nefa amin'izay koa dia "lasa mitarika groupy hafa tsy dia ilainareo loatra amin'ny prestige ny hotel" ny tolotra.

Mahereza hatrany.
10. tisera ( 01/06/2007 08:06)
manamafy izay voalazan'i soanja aho amin'ny hoe : mila matotra tsara ny fiaraha-miasa @ tour operator na any dago na aty ivelany.
mahafantatra tsara ny tompon'ny hotely vitsivitsy ao diego koa aho : paradis du nord, libertalia sns... fa ny ny ankabeazan'nireo hotely lehibe ireo anie tsy dia io heotely io no fidiram-bolan'ilay olona ireo fa ohatry ny hoe "roue de secours na fialambonin-ndrizareo ny fananganana hotely" io fa olona manao exploitation-na plantation-mangues sy vanilles no betsaka é! ny clientèle na gasy (efa be koa mantsy izao ny gasy any an-toerana no mandeha vacances @ hotely lehibe ) na vazaha matetika tsy tonga any vao mifidy nyhotely handehanany fa efa vita aloha daholo ny zava-drehetra ; izao anefa henoko fa olana be ho an'ny tompon'ny hotely any diego ity delestage ity ka efa mihena ny olona mankany: raha miala kely an'ny diego ohatra hoe ankify sns... dia mila manao zavatra tena tsara be raha hoe tsotsotra dia tsy maintsy misy tena mampiavaka azy satria efa tena marobe ny hotely tena tsara : ny any nosy be moa izany dia efa tena mandroso be tokoa fa tsy aoka tsy ho sodokan'ny hoe mandeha tsara ireo hotely ireo fa araka ny nolazaiko tetsy ambony dia olona manana business hafa à côté ny ankabeazan'ny tompon'ny hotely , dia manana bras droit olona tena mahatoky avy eo an-toerana raha tsy izay hananosarotra ny intégration indrindra raha merina na betsimisaraka i minouminou .
hoy i colar hoe: sosy ihany no mitondra an'io ===> tsy izay ihany an! ny venta club ary chaîne hotelière lehibe fa rehefa tsy mety ny fifandraisana @ eny an-toerana dia tsy hahatsangan-javatra any mihitsy : manana ny clan na club-ny rizareo tompon'hotely ireo , na vonona ny hi-investir milliard maromaro aza mantsy ianao sarotra be raha mbola tsy ao tsara ny intégration an : ny olona hiasa tsy maintsy pro tsara sns... efa miha-henjana ny concurrence : raha manana possibilité hitety ny hotely ianareo mivady dia hitanareo eo ny plus sy ny moins @ izy ireo .
mahereza ary @ fanatanterahana ny vinavina !
11. minouminou ( 01/06/2007 13:37)

Misaotra anareo aloha @ informations fa tena ilaina tokoa ilay izy, izaho moa tsy dia mahafantatra loatra ny provinces an'i Madagascar ankoatra an'Antananarivo renivohitra. Raha toa ka efa be hotely any avaratry ny Nosy any, aiza no mba heverinareo ho tsara hanorenana hotely, izahay mantsy tsy hanao hotely haut de gamme fa tsotsotra hoatran'ireny bungalows kely ireny ihany.
12. soanja ( 02/06/2007 02:30)
minouminou:


Misaotra anareo aloha @ informations fa tena ilaina tokoa ilay izy, izaho moa tsy dia mahafantatra loatra ny provinces an'i Madagascar ankoatra an'Antananarivo renivohitra. Raha toa ka efa be hotely any avaratry ny Nosy any, aiza no mba heverinareo ho tsara hanorenana hotely, izahay mantsy tsy hanao hotely haut de gamme fa tsotsotra hoatran'ireny bungalows kely ireny ihany.


Ny sosokevitro dia hoe raha te hanangana dia iny faritra Sud-Est (Manakara, Mananjary) miakatra hatrany Vavatenina iny satria efa vita izao ny lalan-dratsy ao Mananjary-Nosy Varika-Tamantave. Taloha mantsy mandeha vedette sy kanota (Pangalana) no mankany satria ratsy loatra ny lalana. Efa misokatra any izao ka na tsy 4x4 aza dia tody tsara.
Ny tiako tenenina dia misy hotely ihany any fa an'ny Karana sy ny Sinoa ka raha vazaha Frantsay na Eoropena, tsara sakafo(avec restaurant), nefa tsy dia lafo loatra dia be mpifidy ihany sady mety hanana chance kokoa. Good Luck!

Manorata manokana amiko raha mitady tany any amin'ireo toerana ireo ianao. Soanja



13. patrick2002 ( 02/06/2007 03:28)
Ny hany anampiako anireo voalaza ireo fotsiny ,na aiza na aiza toerana hanangananao ny hotelinao dia ,tsarovy fa mahantra ny olona any dago ,rehefa mampiasa olona ianao dia ny fanaraha-maso na control, ataovy henjana ,ohatra fotsiny ny sotro ny fourcette ,ny drap dia misy olona natokana hi control azy isan'andro ,hasina respônsable daholo na ny menaka any andakozia ,mora ny main d'oeuvre any dago ,nefa ilay halatra madinika tena tsy lasa ,ary io no mahavoa ny olona avy aty andafy manao entreprise any dago ,ny gardien @ alina aza adino .
bonne chance.
14. bidagda ( 02/06/2007 21:19)
minounminou! raha za minouminou de mandeha mankany mihitsy aloha mijery, tsy ho vitanareo ao anatin'ny 1 volana fotsiny kanefa ny fitsidihana ny madagasikara fa dia tena mila fotoana lavalava surtout raha manana projet hanangan-javatra any zay fa bonne chance e! mahafinaritra alo ny projet-nao e!
15. Fiffi ( 04/06/2007 05:30)
bidagda:

minounminou! raha za minouminou de mandeha mankany mihitsy aloha mijery, tsy ho vitanareo ao anatin'ny 1 volana fotsiny kanefa ny fitsidihana ny madagasikara fa dia tena mila fotoana lavalava surtout raha manana projet hanangan-javatra any zay fa bonne chance e! mahafinaritra alo ny projet-nao e!
eka ouz


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2376