taratasy ho an'i Hery

1. majesty ( 30/05/2007 07:50)
Lasa lamaody mantsy ato ilay mandefa loha-hevitra ho an'ny olona iray dia aleo mba ianarana fa toa misy mahamety azy ihany.
Rehefa mandinika ny loha-hevitra rehetra izay mandeha ato dia matetika no misy firehan-kevitra izay toa manohitra ny fototra ijoroan'ny fiangonana sasany ato,ary anisan'ny voakitikitika tamin'ireny mazàna ny fiangonana misy ny mpamorona sy mpikarakara ity site ity,kanefa mahafinaritra fa tsy nisy loha-hevitra noesorina na nofàfàna tato fa malalaka ny tsirairay hilaza ny heviny koa dia mankasitraka ary maneho etoana ny fisaorana ny mpikarakara,(efa mivoatra tokoa ankehitriny ny toe-tsaina Malagasy ka tsy ilay "borné" ireny intsony fa misokatra ho amin'ny hafa).
Dia mirary soa indrindra :D
novalian'i marozevo ny 01/06/2007 22:52
2. karinah ( 30/05/2007 08:20)
majesty:" borné, sa fermé?" hihi!:D
3. diamondra27 ( 30/05/2007 08:40)
de mankasitraka koa e! tsy tahaka ny taloha :D
4. sasa ( 30/05/2007 09:03)
Mamangy sy maniry fahasalamana ho an'i Hery

Sasa koa d miombon-kevitra am majesty ary mankasitraka tanteraka ny fanatsarana foana ity site ity am lafiny rehetra.
Misaotra e:-*:-*:-*:-*:-*
5. diamondra27 ( 30/05/2007 09:37)
karinah:

majesty:" borné, sa fermé?" hihi!:D


_______________

tsy mivelatra e!:-D:-D:-D
6. malalatinasoa ( 30/05/2007 09:48)
diamondra27:

karinah:

majesty:" borné, sa fermé?" hihi!:D


_______________

tsy mivelatra e!:-D:-D:-D



HS iraim-bava :wink:
borne= misy borne
fermee = misy ferme
tsy mivelatra.... ilay inona mou? oups hay kay ilay toe-tsaina :lol::lol::lol::P:P


7. hery ( 30/05/2007 09:51)
Misaotra ihany :-)

Tsy izaho na ny serasera angamba no niha-nivelatra... fa mitombo fotsiny ny kil dia mitombo koa ny hevitra samihafa... dia miha sahisahy mampiseho hevitra koa ny namana.
Tsy mbola tadidiko hoe nisy fanakanana ara-kevitra teto raha mbola manaraka tsara ny fitsipika ifampifehezana. Indraindray aza ny zavatra tokony hosakanana tsy voasakana noho ny tsy fahampian'ny fotoana.
8. mavvoo ( 30/05/2007 11:33)
Manohana ny hevitry majesty koa ny tenanay e!Misaotra anao ary misaotra ny serasera ihany koa.
9. ikaretsaka ( 30/05/2007 11:35)

HS kely majesty: samihafa ny borné sy ny Ferme
ny borné dia hoe "hatreto ihany"
ny ferme dia hoe: hentitra
10. boubounezy ( 30/05/2007 11:43)
[quote=hery]
Misaotra ihany :-)

Tsy izaho na ny serasera angamba no niha-nivelatra... fa mitombo fotsiny ny kil dia mitombo koa ny hevitra samihafa... dia miha sahisahy mampiseho hevitra koa ny namana.
Tsy mbola tadidiko hoe nisy fanakanana ara-kevitra teto raha mbola manaraka tsara ny fitsipika ifampifehezana. Indraindray aza ny zavatra tokony hosakanana tsy voasakana noho ny tsy fahampian'ny fotoana


tsara refa mitombo ny kil ry hery @zany kou mba mé miova ny lalana eto mba mahazo liberté koukou ny oull dé tamana ary mbola itombo iany kou ny kil @zay si non ra mitombo nefa tsisy fiovana dé otsany manjeraka bé njay lé maita ny efa faita isanandro:lol:
11. hery ( 30/05/2007 12:15)
boubounezy> non kah... aleo kely kil milay toa izay be tsy andraofana.

12. nathie86 ( 30/05/2007 13:31)
za no efa nandefa hevitra teto d noesorina lay izy fa diso toerana hono hihihihi mampe vendrana tsin ka:lol::lol::lol:
Misaotra an'i Hery zany eh fa teto @ty site ty no nahitako hevitra maro zay momba an'i Kristy ary naazoko valiny maro iany ko:).
Misaotra ny mpikambana reetra zay mitady valimpanontaniana mahafapo hatrany ko eh d longue vie au serasera eeeeeeee
13. bichette ( 30/05/2007 14:40)
:-*
14. rush ( 30/05/2007 15:33)
nathie86:
vie au serasera eeeeeeee
ekena!


15. pissoa ( 30/05/2007 17:26)
:-*
16. marozevo ( 30/05/2007 22:25)
Izaho mihitsy no mijoro ho vavolombelon'ny hatsaran'ity site serasera ity. Niditra aho tamin'ny 2003, dia niala kely telo volana, dia niverina indray. Ny antony tamin'izay dia ara-pitaovana.
Nivoaka indray aho tamin'ny juin 2006, dia vao herinandro izay no niverina. Ny antony nialako dia nisy nahatezitra kely ahy teto... nefa moa "izay tsy miady olom-bodo, fa izay to fo mpamosavy".
Folo volana lasa izay, tsy voakosoka anefa ny anarako, na dia nifanarahana aza fa raha tsy ampiasaina firy andro moa izy teo... dia miala ho azy.
Misaotra an'i Hery sy ny mpikarakara rehetra aho ny amin'io. Misaotra ny namana rehetra koa...
17. Fiffi ( 31/05/2007 06:23)
=D=D=D=D mankasitraka hatrany eh !:)
18. majesty ( 31/05/2007 07:00)
asina "trinking" kely zany :D
19. tsiafoi1 ( 31/05/2007 08:43)
Ka le OUI sy NON tsy maintsy misy eto an-tany, de mba eto zany no mitady zay mety e! Tsy ilaozan'izay mahita izay tadiaviny eto fa de samy mahereza daholo!

Vive serasera pour les OUIstes et pour les NONistes

20. marozevo ( 01/06/2007 22:52)
Hevero tokoa ange hoe mitovy hevitra daholo isika amin'ny loha hevitra iray e... Ko tsy efa ela no maty ity serasera ity !

Vive les "mpiserasera", dans leurs différences.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0841