ravalomanana dehors , mialà

21. Jeankely ( 31/05/2007 03:41)
Dia ahoana koa ity: "Ny anareo zany na hita fa ratsy zao aza saingy tsy misy hasolo dia avelao eo ihany, tsy ratsy kosa". Fa inona loatra no maha-andafy anareo e? Tsy misy asolo fa esorina fotsiny dia ahoana. Hiverina any an'ala ve sa misy alabe any Pararantsa any ka tsy misy mpitondra fa samy manao izay tiany e?
22. tamberina ( 31/05/2007 06:45)
=))=))=))=))=))=))
23. pimaso ( 31/05/2007 06:46)
mr kelyloha a > jean io :
mba citer-o eto aloa le zavatra tsara vita :
dia ny hevitra ampiadiana, fa tsy ny fanaratsiana olona no asongadina,
misy ny atao hoe : "critique constructif" raha tsy mazava,
tsy nisy niteny koa teo hoe : mialà , fa mba manaova "remise en question", hoe tena tiambahoaka à 80% marina ve iny hevitro iny sa,
tsy te hisahirana ny vahoaka, moa ny andro ratsy dia ny 20% ihany no nandeha nifidy,
aza manao raisonnement botolo be fotsiny, fa tohany le hevitra raha misy,
Za izao sahy miteny hoe : "25.500 fmg" ny menaka mendy mivoaka any, dia aiza izay mba subvention ny etat hoan'ny vahoaka, en plus Président PDG ny tiko,
ny fiainana andavan'andro ny ahy no fantako, ny any ambilian'olona tsirairay : fa rehefa voky izahay mangina,
na lazain'là saoferana taxi aza izahay tsy maninona fa izahay miara ory @ izay ory, ary rehefa miaraka @ mondenay koa izahay dia ingahy Ndriana fa aza matahoatra,
fa ialahy ry kely loha , tsy misy lanjany mihitsy izay hevitr'ialahy fa mety senegaly nahazo baiko angamba ialahy io, fa mainty fisainana, ny ampondra sy ny angidina aza efa niala t@ izany habadoana izany,
Dia mitenena irery eo fa tsy hisy hiady hevitra @ adala intsony eo,
;-)
;-)
;-)
24. tamberina ( 31/05/2007 06:53)
eritrereto tsara alohan'ny ilazàna zavatra fa manadala ianareo!averina ny taloha zany!nakaiza ny tohin'ny famonoana olona talohan'ny fitondràna @ zao fotoana izao?dia matimaty foana otran'ny alika mirenireny ireo olona marobe ireo?ny trosa nolovàna zany hodiana fanina?fa aiza no misy miracle hanala ny fahatrana lovatsika io?ary zay nitondra rehetra teo samy nameno paosy daolo, io no tokony iadina sy fongarina,izay maosihosy ny zontsika no tokony arodana sy alàna teo!
25. Jeankely ( 31/05/2007 06:56)
Asa na izaho no tsy mamaky teny na ianao. Na akaiky kely aza dia averiko fa miala tsiny amin'ny namana "ravalomanana dehors , mialà". Koa dia ahoana no milaza indray ianao hoe tsy nisy filazana hoe miala. Araka ny teniko dia tsy Mpitondra aho ary hiomehezana aza angamba raha misy miteny hoe miaro azy. Tsy hilaina harovana izy. Ny teniko kosa dia izao tsy hitanisa ny zavatra vita aho satria tsy anjarako izany. Omeo hoe entina mankaiza ny vahoaka Malagasy dia mazava izay fa tsy hoe OWayOwaya. Ialahy no tena Mpanana fa mody miseho manatsafa anay mahantra. Izahay leitia mahalala ny sahirana a. Misahirana vao misondrotra fa tsy natosi-potsiny akory.
26. Zazala ( 31/05/2007 21:18)
:-D Mety efa nahazo sôsy be kosa i JeanKely raha ireo teniny ireo no jerena fa tsy ny fahasairanan'ny vahoaka malagasy majinika. Raha ataoko ny fandinihana dia isany membre ao @ governemanta ao miitsy iz io, matahotra ny ho tapa-tsotro.

Teneniko etona @nareo gasy rehetra fa mafy izao ny ady @ty fihainana ty, Izao no fotoana tokony handraisan'ny tsi11 andraikitra. Halao eo io fa efa tsis zavatra mande miitsy zao ny efa eo aza ravany. Aleo ny hafa mahavita azy ny hitondra eo mba hanatsaratsara ny fihainambahoaka.
27. Jeankely ( 01/06/2007 02:39)
Izaho tsy membre ny fitondrana ary tsy fantany akory. Tsy any Madagasikara aho ry "Zazadala" a. Ny Firenena misy ahy dia Firenena niaritra ny mafy vao nahita mangirana ary tsy mbola tafitabe sahala io misy anao izay manatsafa ny vahoaka Malagasy io. Ianao mantsy tsy nahalala fa efa hatrany amin'ny 1700 ary talohan'izany aza dia niady mafy amin'ny lafiny rehetra io toerana hitoeranao io. Io sahala ny Makorelina manambady Vazaha mpanana io ka ny vola sy hoe tafita ihany no resahina fa tsy miditra amin'ny hoe "nikaroka, nianatra, nilofo ny olona vao tafita". Tsy misy hafa izay no resahinareo dia ny hoe: "tsy misy fiafiana, fijaliana, ezaka fa azo mora ny fandrosoana". Tsy nianatra izany aho ary tsy hanoro izany ny vahoaka namako. Miezaka vao tafita.
28. nathie86 ( 01/06/2007 06:05)
miezaka vao tafita fa tsy miandry mana latsaka avy any an-danitra, tsy mahay magie anie reto ny mpitondra eh.
Jean=D
29. Jeankely ( 01/06/2007 06:18)
Taritina ary hampaherezina ny hiasa ny olona fa tsy kiviana ampandehanana. Oh angaha vita mora ity hoe handroso. Mafy io fa azo rehefa mikipy. Ianao izao tonga andafy satria niezaka noho izany hamporisio hiezaka ny olona fa aza dontoana ny fony e. Ny marary fo tsy mahavita inoninona fa mety hamono rehefa tsy tapaka lalan-dra sa izany no tena hilaina. Tsy mety amin'ny Malagasy izany. Mila miasa, mitsemboka, mikaroka ary manitatra ary samy manao ny tandrify azy fa lasa alavitra io.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0079