Malagasy

1. salmo1 ( 28/05/2007 11:55)
Mizarazara ny Malagasy... ny vatana, ny loko, ny fiteny ary ny fombafomba...

Oh: ny merina sy ny sianaka, ny betsileo, sy ny betsirebaka sns...

Mba hazavao ny antony:?:
novalian'i Fiffi ny 31/05/2007 06:01
2. xxx ( 28/05/2007 12:11)
miverena any am-pianarana aloha dia io hianarana fa tsy ny sipa!
3. xxx ( 28/05/2007 12:38)
misy hadino, misy tsy mandray rano, misy be lelo!:}
4. Fiffi ( 28/05/2007 12:49)
http://www.tlfq.ulaval.ca/axl/afrique/madagas.htm

http://www.assidu-madagascar.org/izao/html/ethniesmada.htm

http://ethnology.gasy.org/article.php3?id_article=138
5. kelly13 ( 28/05/2007 18:39)
inn zany betsirebaka?
6. Stretch ( 28/05/2007 18:49)
tena sekoly be mintsy ny ato zany an !
ôtrany anarana anana aky zany ry kelly ko , le be raviny be reny :°)
7. kelly13 ( 28/05/2007 18:52)
stretch> ramirebaka le anana :°)
8. Stretch ( 28/05/2007 18:57)
ka betsimisaraka be rebareba aky zany a !
nefa any tamatavy mafana be fôna ny andro de tsy haiko we misy ve zany :°)
9. karinah ( 28/05/2007 21:47)
stretch> ary ny sihanaka?:°)
10. Stretch ( 29/05/2007 06:44)
ny sihanaka ndray retsiny ty sinoa nihanaka de nitoby tao alôtra a :°)
de nafoifoizina le anarana :-D , de tam vôlou zareo nipetraka tao andilanatoby :roll:
ozizy enao an, nafotaka mintsy wa, sala snou very entana,
11. karinah ( 29/05/2007 08:36)
hihihi!
12. menalamba ( 29/05/2007 13:03)
kelly13:

inn zany betsirebaka?

Ny Betsirebaka ,dia :bé=maro,rebaka=robaka,rava,simba;raha adika @ teny mala
gasy ôfisialy izany ny Betsirebaka dia hoe:bé tsy rava.Foko avy any atsimo atsina-
nana izy ireo( Antamoro) izay matetika mila ravin'ahitra any @ toeran-kafa.kaiza
ny anarana izany no hifampiantsoan'izy ireo na omen'ny tompon-tany izay honen
any misy azy ireo noho izy ireo miray hina bé tokoa.Olona miasa be tokoa izy ire
o ,matetika manao ny fitaritana posiposy @ faritra maro,manao ny fikapana fary
miainga avy any @faritra misy azy mankany @ faritany avaratra @fotoam-pikapan
a fary.Sarotiny @ firaisan-kinany mihintsy izy ireo ka mahita angano izay mikitik
a izany.Tsarovy ny zava-nitranga t@ ady nifanaovan'izy ireo sy ny Kaomaorianina
ny taona1975 tao Mahajanga.

13. menalamba ( 29/05/2007 13:08)
Azafady fa lasa sary mitranga lela ny litera "B" etsy ambony @ hoe Bé tsy rebaka
tsy haiko hoe nahoana ...!!!:roll:
14. kelly13 ( 29/05/2007 14:59)
menalamba>hay v e! lasa :b le izy satria nasinao : devant ny "b". misaotra betsaka nanome fanazavana :)
15. salmo1 ( 29/05/2007 15:03)
Ny tadidiko teo andrenivohitra dia ny Merina misy milaza fa matahotahotra sy kanosa indrindra.

Taona 1997. Lac Alaotra... ny sianaka dia matahotra mafy ny betsimisaraka sy ny betsileo ary ny antandroy. Tsy dia mifakahazo ireo olona ireo @ sianaka, samy manana ny fomba fitenenany. Izay sianaka mananihany ny fitenenany betsimisaraka dia fatorany sy japiany @ japy. Ireo olona ireo dia maro anisany miaramila tafika malagasy.

Ny Merina andrenivohitra ndray dia anisany maripahaizana... fa kanosa indrindra raha ny tena marina.

Mba hazavao ny antony mahatonga anizany...

16. menalamba ( 29/05/2007 16:24)
Kanosa??? Ianao angamba no milaza izany,satria tsy dia mahalala tantara loatra
ianao.Raha kanosa ny merina araka ny filazanao dia Tsy ho izy mihintsy no nanai
ka ady maro t@ faha mpanjaka sy ny tolona maro sy ireo maritiorany sesehena.
Rehefa tonga ny fety isan-taona izay ataon'ny léziônéra momba ny ady izay nata
on'izy ireo tany Meksika dia mandefa sary mihetsika izy ireo @ ireo ady rehetra
izay nataony eran-tany; dia voalaza miseo eo @ izany ireo lazainy hoe "guerriers"
Hovas,izay saika tsy resiny mihintsy tany Andriba,fa nampikolay azy ireo.Manaja
tena kokoa angamba izy ireo,fa tsy kanosa izany,raha tsy izany dia mba asehoy
ary ny hevitrao manamarina izay voalazanao izany ry salmo1 an!!
17. salmo1 ( 29/05/2007 17:11)
menalamba: tsy de haiko lôtra ny fandehany ity Gasikara ity.

Teo Ambohidratrimo, nisy rangahy Merina manambady vhv Betsileo, de hoy lay ralahiny lay rangahy sy lay zaodahiny vadiny anabaviny... hijaly ingahy @ iny vadiny ingahy iny. Ny resaka mazava be lôtra fa RACISMO:x izy mitsam. Ilay vhv betsileo knefa hitako tsara fanahy ihany... Fa ny mahagaga dia ny fanavakavahany Merina ny samy Malagasy! knefa http://es.wikipedia.org/wiki/Merina

Hitantsika fa ny merina dia somary fotsifotsy oditra tso-bolo, ny sisin-tany kosa dia ngitangita volo maintimainty oditra... de misy hakanavaka hataony ny eo andrenivohitra @ sisintany.

Nisy vadiny Pasteur Malgache, izaho manana namana vhv 21ans any Mscar, de hoy ilay vadina Pasteur mafantatra anilay namako. Ny namanao dia hanambady tovolahy mainty be avy any Tamatave.

Isika samy isika ve dia mbola mifanavakavaka ihany kle:?:



18. fanaina ( 29/05/2007 17:25)
:-D:-D:-D aleo aloha aho himeme fa tssss, izany ve ry salmo dia tsy hainy toi?

ny ahy rehefa misy tiako ho fatatra dia dedaviko dol izao histoires ny mada sns izao, nany fomba fiteny io aza mba tiako ho fatatra hoe avy aiza no niaviany dia dedaviko rehefa tsy haiko!!
19. sitlo ( 29/05/2007 17:39)
menalamba> misy tantara hafa momba an'io Andriba io. Leo ny akamakaman-dRainilaiarivony ny rasil tamin'izany fa ny ankamany ao an-drova foana no mitombo voninahitra. Dia mody niapa avy any Andriba ry zareo, dia nankalaza ny teny hoe "Tsy misy mafy noho ny tao Andriba". Nefa tian-dry zareo hiady amin'ny vazaha ny be voninahitra raha tena be voninahitra tokoa.
20. menalamba ( 30/05/2007 08:57)
Sitlo>Tsara angamba raha marina ny voalazanao ny mba hanomezanao ny rakitra
momba izany hoe avy aiza na ,nalaina t@ boky inona,satria raha ny zavatra nolazaiko dia azonao hoamarinina ao @ toby miaramila ao"Fort Nogent",izay man
defa io horonan-tsary io isan-taona mandritry ny fetin'ny Cameron(30 av1863).
Ary Raha mahay tantara ianao dia avy any Mahajanga no nidiran'ny tafika frantsay
izay nampian'ireo sakalava t@ izany andro izany ho fanoherana ny fitondrana ,ka
teo Andriba no tena nafotaka ny fanoheran'ny tafika Malagasy.Ary raha ny loha
hevitra niandoan'ny tafa teto no dinihina dia ny filazan'i Salmo1 hoe kanosa ny
Merina no antony namaliako izany ho fanoherako ny heviny ,ary nangatahako
fanazavana taminy ny momba izany teniny izany ,kanefa toa tsy voavaliny sy lasa
mivoana indray ny resany ety ambany ka lasa resaka fifanavakavahana ara-poko
indray no resany.Tsy hita intsony izay lohany sy vodiny @ izay tiany ho fantatra
sy izay hambarany:roll::roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1398