Aoka izay ny fanoherana!

1. ronaldo09 ( 28/05/2007 08:48)
Aleo mihitsy hisitaka amin'ny fanoherana satria raha ny zava-misy ara-politika ao Dago no asian-teny dia tsy hita be eny ihany ny mpanohitra!Natao ny fifidianana filoha toa resy 1er tour nefa candidat 13 be izao ,natao ny fitsapa-kevibahoaka iny niaraha-nahita iny ny valiny!
Matoa ireny ny zava-misy dia tiam-bahoaka ny filoha ankehitriny koa tsy hitako ny antony hanoherana azy!Toa tsy maharesy lahatra ny mpanohitra fa atao fotsiny ny fanoherana nefa ny vahoaka taritina manda ary ny mampalahelo aza dia saika raikitra ny adim-poko!!!
Hoy aho hoe :aoka izay ny fanoherana fa ampaherezo ny filoha mba handroso i Madagasikara dia vita kabary !!
novalian'i Jeankely ny 30/05/2007 05:53
2. Jeankely ( 28/05/2007 09:13)
Fa angaha moa roky mpanohatra sa ahoana? Erantany dia misy ny mpanohitra ary ara-dalana ny fisian'izany. Ny dikan'ny fanoherana no hafa ho an'ny mpanohitra Malagasy. Ny Dikan'ny fanoherana dia ny fahitana fa mivoana ny ataon'ny mpitondra ary tsy manao izay ahasoa ny vahoaka ny mpitondra noho izany toherina satria manimba sy tsy mampivoatra ny vahoaka. Dia ahoana kosa nefa ny an'ny mpanohatra Malagasy, tapaho ny lalana, andao hanao dia miverina, vonoy izay olona mpiavy ary mifamonoa ianareo avy eo aleo izahay indray no hitondra sy ho lasa President sy Ministra. Ianareo avy eo mahaiza miombona haingana rehefa avy mifamono aorian'ny fahazoanay ny fitondrana. Izany ve no ataonao hoe mpanohitra sa inona?
3. ronaldo09 ( 28/05/2007 09:26)
Toa tsy mazava amiko ny tian-drazoky ho tenenina nefa izao ilaina ny fanoherana saingy tsy ataotao fotsiny fa ilaina fandinihana!Raha misy zavatra hita sy tsy mety ataon'ny mpitondra dia tokony hanolotra vahaolana ny manohitra entina hamahana izany fa tsy atao be fahatany ny fanoherana!!!
4. Jeankely ( 28/05/2007 09:34)
Mazava ho azy izany teninao izany. Tsy misy mpanohitra Malagasy hanome hevitra ahavitan'ny mpitondra zavtra tsara izany. Aminy ny fanoherana dia fanozongozonana tsy ahavitan'ny mpitondra inoninona ary leo ny vahoaka ka manaiky ny hanova. Tsy fantany ary tsy dinihany fa miokikodina io ary Madagasikara gisitra satria mifampirefarefa eo foana. Aza adino koa fa manana ny fomba hitondrany azy ny mpitondra ka tsy ny hevitrao mpanohatra no tsy maintsy harahiny. Raha izay inona no nifidianana azy fa tsy avy hatrany dia ireo naroson'ny mpanohitra no lany. Na izy ireo koa aza raha mitondra dia ny lalana faritany no hataony. Ara-dalana izany.
5. ronaldo09 ( 29/05/2007 12:32)
Ekena 100% ra-jeankely a!
6. Jeankely ( 30/05/2007 05:53)
Raha mbola ireo olona misavika ho olokendry ny firenena nefa manao fahendrena mampiady ny samy Malagasy ireo ihany no mpanohitra dia efa fantatra ny nataony ka tsy misy ny hiano azy. Tsy tia ahita ny tarehin-dreo akory ny olona satria efa nilaozan'ny toetr'andro. Ekena fa sahirana fa ny hiverindalana kosa tsy mety.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1363