Mpanohitra, ny vahoaka ary ny Politika lany andro

1. Jeankely ( 28/05/2007 04:44)
Ireo zatra ny Politika lany andro dia tsy misy afatsy ny handrombaka fitondrana no ao antsainy. Ny resaka fanasoavana vahoaka dia tsy laharampahamehana ka izay hevitra rehetra hampianjera ny fitondrana fotsiny no atao. Hampianarina ny mifandrafy ny vahoaka, asaina mifandroaka, lazaina fa sarotra ny fiainana ary tsy hita akory ny vavaolana homeny, marobe ny politika lany andro ao hatramin'ny fanimbana na famotehana tetezana sy ny sisa. Ho an'ny vahoaka inona no vokatsoa azony rehefa tapaka ny lalana, mijanona ny sekoly, roahina ny mpampianatra sy mpitsabo, mikatona ny University, sns? ho an-dry zalahy kosa dia faly sy ravo fa hizara fahefana, izaho atsy, ialahy ary sns. Ny vahoaka mila mandroso ary tsy mila Politikan'antitra.
novalian'i Jeankely ny 31/05/2007 03:59
2. piste ( 28/05/2007 09:19)
Hono ho'aho, mba afaka miezaka kely ve ianao miaiky fa izao Fitondrana izao no rangory fototry ny afo @ izao fijaliana mahazo ny ankamaroan'ny Malagasy izao.
Mba afaka manetri-tena kely ve ianao mitanisa ireo tsy fahombiazana isan-karazany nataon'izao Fitondrana izao?

Aza dia mijery coté ilany ihany, rehefa manao fitsikerana fa mba jereo koa ny andaniny. Sitrany ahay mba objectif ny analyse.
Tsy fantatro io koa moa miankina @ niveau intellectuel ny tsirairay.
3. sonwin ( 28/05/2007 09:43)
piste> fa taloha ve niadana?

Jereo ary ny coté roa, iza ireo mpanohitra? inona no ataony? inona no lazainy? inona no tetik'adiny? inona no efa vitany fony izy ireo teo amin'ny fitondrana? Inona ny vahaolana arosony?

piste> mba afaka miezaka kely ve ianao miaky fa ireo mpanao politika no fototry ny afo amin'izao fijaliana mahazo ny ankamaroan'ny Malagasy izao?

Tsy fantatro, io koa moa miankina @ niveau intellectuel ny tsirairay
4. Jeankely ( 28/05/2007 09:43)
Samy manana ny "niveau"-ny isiaka ary izaho tsy anisan'ny mbola nahazo tombotsoa tamin'ny fitondrana nifanesy. Ny zavatra resahiko kosa anefa dia tsy misy fampandrosoana vita mora izany fa fandrebirebena saimbahoaka ny tianao sy ny tarikao atao. Na mianjera izao dia izao aza io tsy afaka ny hilaza eto ianao fa isiaka Malagasy no afaka hanana "influence" eo anatrehan'ny varotra iraisam-pirenena satria inao sy ny tarkao mahay mandresy lahitra. Ny famokarana sy ny fampandrosoana no ahafahanao masinteny sy arahina. Izahay tompoko vahoaka ary mba nianatra avoavo ihany izahay ka milaza hoe: aza ampiadiana ny vahoaka. Politika lany andro no nahatonga ny laharan'i Madagasikara sahala izao sa inona no vitanao sy ny tarikao ary lasa aiza ity firenena ity no mbola haletika ihany. Io tsy maintsy misahirana vao misondrotra fa tsy misy azo mora izany. Ny zatra ny omem-potsiny no milaza ny mandeha ho azy. Izaho mpanoratra dia sahirana fa tsy mpanana nefa manaiky aho fa mila misahirana.
5. patrick2002 ( 28/05/2007 12:57)
Ilaina ny hisian'ny fitsikerana ,sy ny mpanohitra mba hanataitra ny mpitondra ,fa kosa izao hataon'i mpanohitra an'i madagasikara izao dia fanakorotanana ,fa tsy fanoherana ,raha mpanohatra ianao dia tsikera miaraka @ soso-kevitra no tokony hatao.
Hiteny anao fotsiny aho ra-piste fa i madagasikara dia mbola ao anatin'ny firenena haut risque @ investissement ,tsy nahazo famatsiam-bola ny MAP na dia miaiky aza ny banque mondial fa tsara ilay projet ,ny antony dia noho ny fihetsika nataon'i mpanao politika an'i dago ,ary manana anjara toerana lehibe ny mpanohitra .mba asio synthese ny zavatra lazaina ,raha tena intellectuel marina ianao ,
6. Jeankely ( 29/05/2007 02:58)
Na iza na iza Mpitondra ka mbola mitady izany hoe fitaritana "Investisseur" vahiny izany dia samy mitady ny "Stability" koa endrika ahoana raha samy Malagasy aza matahotra raha mitady sy miasa amin'ny faritra hafa. Ny sasany anefa lasa andafy ary tsy manasoa ny tany niaviany fa manao izay ahatafita azy amin'ny toerana misy azy. Ny hafa miasa indray no hoe roahy fa tsy misy ilana azy. Isiaka vahoaka tsy tokony ho fitahan'ny mpanao politika izay zatra ny "Mpitaribato vilambava". Manana ny lanjany ny vahoaka fa tsy natao ho tohatra fiakarana foana akory.
7. piste ( 29/05/2007 08:06)
O ry zalahy, ny tena mampihaiky ahy dia tsy mba misy tsikera ataonareo mihitsy @ Fitondrana. Dia ohatry ny hoe lavorary tanteraka izy. Ny ny raharaham-pirenena tsy mandeha. Fa alefanareo any mpanohitra foana ny tsiny. Inona moa no mba vitan'ny mpanohitra @ izao, tsy misy poids intsony anie ny mpanohitra.Izay mba miteny kely dia gadraina,sns.
Tsy hitako izay pression na influence avy any mpanohitra fa toa migalabona tsara ny fitontrana.

Ka io no lazaiko hoe, fa dia tena incapable ve ianareo ireo no dia tsy mahita derivée ataon'ity fitondrana ity. Sa dia mety daholo ny ataony. Au moins ianareo milaza point iray fotsiny dia mety. Fa dia mandeha ila rakoto ny devoara-nareo à. Tsy misy anti-thèse mihitsy. Na ny mpianatry ny 3è ataoko efa mahalala izany.

Ary manamafy ny faiblesse-n'ny niveau-nareo dia izay olona mba manakiana ny Fitondrana dia tonga dia lazaina hoe mpanohitra. Aiza re izany é. Dia terenareo tsy hanana esprit critique mihitsy ny olona an.
Tsss, aza mba vendrana ihany. Maty antoka ny firenena raha ianareo ireo no atao hoe vahoaka malagasy.
8. Jeankely ( 29/05/2007 08:57)
Raha hifampidera fahaizana mety mbola avo nohon'ny anao ny vitanay Razoky e. Izahay tsy milaza aminao fa tonga lafatra ny fitondrana ary mbola averinay aminao fa vahoaka izahay ary nianatra fa tsy mpitondra akory. Raha manao ny tsy mety ny fitondrana inona no hamporisianareo ny olona hifandroaka mba porofoy aloha izay fa nianatra sy mahay ianao milaza. Ianao no tena tsy misy loha. Ny hany nosoratako dia ny hoe tsy misy azo mora foana fa tsy mbola nanoratra mihintsy aho hoe tonga lafatra. Any andanitra ny tonga lafatra ary tsy manantena anao ho tonga lafatra naoviana na oviana aho. Zatra ny lalan-dririnina ve ka fahavaratra mbola manao hitsindalana. Misy tonga saina ny vahoaka.
9. sonwin ( 29/05/2007 09:50)
piste> valio tsara ny fanontaniako razoky fa aza be zesta ho ambony niveau eo an! fanampiny: mazava angamba io voalazan'i Jeankely io.Sa tsy azonao koa ny tiany lazaina? Mi-styl ambony niveau nefa manao firesaky ny mpitaingi-tamboho! tapohan'ny sendra mba nahazo diplaoma angamba ha ha ha ha:°)
10. Jeankely ( 29/05/2007 10:06)
Misaotra. Piste milaza ny sasany vendrana dia manambara izahay fa misy mba tonga saina ny vahoaka. Fitondrana taiza no tsy mieritreritra ny hanaparitaka Mpampianatra, Mpiasampanjaka, Mpitsabo, Mpitsara sy Mpanao lalana nefa ve dia ny hifandroaka no heverina ahasoa Ra-Piste? Halalao ny Piste hiazakazahana any amin'ny fandrosoana fa aza manao dia miverina. Ny dikan'ny fanoherana tompoko dia fizahavana ny ahasoa ary mitandrina ny firaisankinan'ny Malagasy ity ka ny ady an-trano no heverina ahazoana fitondrana. Fa inona no ao antsain'ity?
11. patrick2002 ( 31/05/2007 03:48)
ka satry ny hasina indray ny barrage ho an'i Iarivo amin'izay azo vakiana ny banque central ao tamatave -ko ireny ilay seigneur de la guerre .:twisted::twisted:
12. Jeankely ( 31/05/2007 03:59)
Izany ve no avela hanjaka. Toetsaina hanimba ny Tanindrazana. Tsy ny hevitra ahatafita no zahavina fa izay ahapotika. Tsy mba miezaka ny hirehareha fa manana ny mahaizy azy Madagasikara fa ny hitanisa ny fahavoazana no atao hirahira. Izahay tsy mpitondra ary tsy mila ranoranony amin'ny mpitodra fa kosa fantatray tsara fa samy miezaka sy miasa mafy vao misy fandrosoana. Ny olona miasa no roahina ve rehefa tezitra amin'ny fitondrana fa angaha fitondrana ireny olona roahina ireny?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.7539