FANDINIHAN-TENA

1. xxx ( 26/05/2007 12:12)
Ny fandinihan-tena manokana miaraka amin'Andriamanitra no tsy ampy amintsika ka mahatonga ny maro ho diso hevitra indraindray. Miverina matetika ny teny hoe: MANDINIHANA TENA, MANAOVA FANDANJALANJANA, sns...

Andeha hifanampy àry mba tena hahitantsika marina ny sitrapon'Andriamanitra. Ny atao amin'izany dia fifampizarana mikasika ny fanaovana an'io Fandinihan-tena manokana io, ny fanaovana fandanjalanjana, sns...
Marihana fa tsy fampianarana fa fifampizarana no hatao. Nefa moa raha hampianatra ny sasany tsy ferana.

Hanilo antsika hatrany anie ny Fahazavan'i Kristy!
Amen
novalian'i linarako2 ny 01/06/2007 17:14
2. Fiffi ( 26/05/2007 13:18)
tsara le hevitra ka enganié ka ho tojo izany !
3. xxx ( 27/05/2007 07:13)
Hi hi hi !
Ny fandinihan-tena ?
Ny fandinihan-tena tsy hoe mijery fitaratra amiko (mijery ny tena mihoatra @ tena ihany) fa mijery ny tena mihoatra an'ilay lalam-piainana tiana arahina. Kristianina aho : dia miezaka mandinika ny tenako mihoatra amin'ny tian'ilay Kristy ho arahiko izany.

Misy vavaka izay (ao @ Katolika) manao hoe : ... Fa nanota tokoa aho : tamin'ny hevitro, tamin'ny teniko, tamin'ny nataoko ary tamin'ny adidy tsy vitako ! Fahotako izany, fahotako, fahotako lehibe ...
Dia ireo hatrany ny ahy no hifantohako. Alohan'ny hitenenana an'io vavaka io rahateo mila fantarina ireo hevitro, teniko, nataoko sy adidy tsy vitako ireo sao lasa resa-be fotsiny ilay vavaka.
Inona ny projets sy torohevitra, teny notenenina na tsy notenenina fa nihomehezana fotsiny tany antsaina ? ---> manahoana mihoatra amin'ny tian'i Kristy ?
Inona ny zavatra natao sy ezahina atao ? ---> manahoana mihoatra amin'ny takian'ilay Kristy ?
Inona avy no takian'ny mahaKristianina nefa tsy natao ?
Dia ezahina hidirana hatramin'ny madinika indrindra fotsiny avy eo ny andro na ny herin'andro miankina amin'ny olona tiavina sy tsy tivaina, ny sehatra hiasana, na ny anjara raisina ao fiangonana sy ny fiarahamonina !

:-D:-D:-D
4. marozevo ( 28/05/2007 22:29)
Amafisiko kely fotsiny ilay lazain'i xxx io ambony akaiky io :

Miampanga tena amin'Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra AHO. Fa tsy hoe miampanga an-dRanona na ranona.

Mba hivavaka ho ahy amin'ny Tompo Andriamanitra. Fanetren-tena tsy mihoatra izany.

Mahereza daholo.
5. ikaretsaka ( 29/05/2007 01:57)
ilay angatahina voalohany @ io vavaka katolika io koa..
Koa mihanta @ MasinaMaria virjiny mandrakizay aho, amin'ny anjely sy olomasina rehetra, ary koa amintsika mianakavy, mba hivavaka ho ahy amin'ny Tompo Andriamanintsika!

Voadinika, dia manetry tena hoe mivavaha ho ahy nareo mianakavy e!
6. xxx ( 29/05/2007 19:51)
Ilaina ny mandin-tena mialohan'ny zavatra rehetra. Ireo ray aman-drenintsika teo aloha na dia tsy mbola tsy kristiana aza dia nanao izany. Ny fihavanana no nataony fandanjana izay hatao: izay manelingelina na mandrava an'io dia tsy izy taminy.
Ho antsika Kristiana ankehitriny kosa dia ny fihavanana amin'Andriamanitra nohandanjana azy:
- Inona no hataoko mba hahalalako an'Andriamanitra bebe kokoa
- Inona no hataoko mba hitiavana azy bebe kokoa
- Inona no ataoko mba hanompoko azy bebe kokoa
- Inona no hataoko mba hifikirako aminy bebe kokoa

- Niantso ahy izy androany nanao an'izao sy izao: ahoana no fomba namaliko izany antsony izany?
- Mandeha araka izay tena sitrany ve aho sa araka izay saim-patatro fotsiny?

Ireo ny zavatra ataoko isan'andro ka mba zaraiko aminareo eto.

Hanampy antsika hatrany anie ny Fanahy Masina. Amen
7. linarako2 ( 01/06/2007 17:14)
xxx:

=D=D:miam:Enga anie ka hanaraka anao daholo izahay rehetra ato.:*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1339