Mpanohitra. Tsy mahavita na inona na inona

1. ronaldo09 ( 26/05/2007 11:36)
Ankoatra ny fihaonany tamin’ireo diplomaty izay nahatezitra ny Filoha Marc Ravalomanana dia hatramin’izao – na dia manao fivoriana etsy sy eroa aza ireo mpikambana avy amin’ny mpanohana ny « tsia » – dia tsy mahavita na inona na inona hatramin’izao.

Raha ny filazan’izy ireo anefa dia tena hanao zavatra be eto amin’ny firenena izy ireo kanefa tsy hita izay nataony. Raha ny fantatra àry izao, dia milaza hanao hetsika goavana izy ireo ho fanoherana izay zavatra tsy mety eto amin’ny firenena . Tsy eo amin’ny lafiny politika ihany fa eo ihany koa ny resaka sosialy sy ny toe-karena. Mahatsapa mantsy izy ireo – araka ny efa filazany ombieny ombineny – fa tsy mandeha ny resaka politika eto amin’ny firenena toy izay koa ny resaka toe-karena. Ing. Herizo Razafimahaleo aza moa rehefa miresaka dia toe-karena hatrany no vetesiny. Ny zavatra tena nandrasan’ny maro dia ny hoe tena hanao ve izy ireo sa resaka fotsiny izany ? Nambaran’ny mpikambana sasany ao amin’ny mpanohitra aloha, ny hoe tsy manam-bola ireo mpanohitra amin’izao fotoana izao ary izay no antony tsy ahazoan’izy ireo mihetsika firy. Na misy aza ny finiavana hanao izany, ilaina ihany ny vola hahazoana manao zavatra.

novalian'i Jeankely ny 29/05/2007 03:09
2. xxx ( 27/05/2007 08:05)
sao de io "zavatra be" io ilay track miparitaka eto Tanà sy any Tamatave???:roll:
Misaotra an'i Ronaldo09 @ fanomezana piste hahitana zay mety olona na atoikon'olona manaparitaka ireny track mamaoafady reny!!

Tsy manabola izy ireo de io no hany takatrin'ny volany!!
Mampalahelo zalahy lay toetsaina e!!!!
Tena vafavalompirenena!!!:twisted::twisted:

Jereo wanadoo.mg androany
3. Jeankely ( 27/05/2007 13:43)
Ny fitenenana hoe mety sy tonga lafatra ny politikan'ny mpitondra amin'izao fotoana aloha dia samy mahalala fa sarotra ny lalana ary sahirana vao mahavita zavatra mivaingana. Izaho kosa anefa dia manizingizina ihany koa fa tsy nahavita be tamin'ny firenena izany na iza na iza. Izay olona milaza mahay dia jereo ny Ministera efa netiny. Lasa nakaiza ary tonga taiza ny laharan'i Madagasikara rehefa tao izy. Tourisme Malagasy resin'i Maurice kely io, ny Industrie aiza? Samy sahirana fa lainga ary fizahozahoana ny filazana hoe mahay. Tsy mbola nisy afaka nilaza nahatafavoaka sahala ny vitan'ireo firenena hafa ireo ka tsy izy ireo mihintsy no hitsikitsika hivavahana eto Madagsikara. Raha ny mbola tsy fantatra no miteny dia hita ihany.
4. Pao ( 27/05/2007 20:02)
Ny fahitako ireto mpanohitra ireto aloha dia sady tsy mahavita na inona na inona fa tena mpanohitra fandrosoana fotsiny izao.
Mamingana izay ataon'ny Fanjakana, mamafy korontana,manao izay hisian'ny adim-poko mihitsy aza ny sasany.
Ary lainga izany hoe tsy manam-bola izany. Raha tsy manam-bola ve izy ireo inona no anakaramany ireny mpadoro trano sy mampijaly Malagasy mpiray tanindrazana aminy toy ireny tany Toliara ireny??
5. Jeankely ( 28/05/2007 03:28)
Samy mahalala fa ny korontana dia tsy ahavitana inoninona. Nianatra izy ary manana ny fari-pahaizana ananany saingy tsy nahavita izy rehetra ireo. Izaho manokana dia vahoaka tsotra ary mahafantatra tsara aho fa tsy misy zavatra azo maimaipoana izany. Tsy vitany kabary io fa miafy, mijaly vao tafavoaka. Ry zareo efa mpanana no miseho mamendrefondre ny vahoaka nefa ny zavatra nataony dia ny manabe hatoka, mangarikarika mijery ny vahoaka ary faly mahita ireo security manodidina azy. Izaho dia midoka kosa ny olona mitsiky amin'ny vahoaka. Ny vahoaka sahirana ary miady mafy noho izany taritina amin'ny tsara izy ireo fa tsy ny adi-poko mihintsy no hampandroso. Ny zanany mianatra andafy nefa ny ankizy mianatra efa sahirana amin'ny Programmes ao Madagsikara indray no tiana tsy hianatra. izay hevitra rehetra tiana anjerana fitondrana fotsiny no atao saingy tsy fantany angamba na hodiany tsy fantatra fa rehefa miova ny fitondrana tsy maintsy handefa olona hampianatra, hitsabo sy hiasa eren'ny Nosy satria tokony ahazo ny fandrosoana daholo ny rehetra. Koa maninona no hampiadiana sy asaina mifandroaka ny olona. Izany ve no MPANOHATRA FANDROSOANA?
6. andry44 ( 28/05/2007 10:46)
Marina fa tsy nahavita be zay mpitondra nifandimby teo fa ny fanjakana @zao fotoana kosa mba manao zay ho hafany e!!
Sarotra be ny hanomezana fahafapo ny olona efa ho 20 millions ndray miaraka!!
Jeankely>Izaho kosa anefa dia manizingizina ihany koa fa tsy nahavita be tamin'ny firenena izany na iza na iza
Ny mpitondra @zao mba nahavita na dia kely dia kely aza fa ny teo aloha de ny namotika ny zava-bita aza no nataony!!(oh fotsiny ny tetezan'i Fatihita)
7. Jeankely ( 29/05/2007 03:09)
Misaotra anao tompoko. Ny lazaiko hoe tsy nahavita dia ireo milaza mahay fa tsy ny mpitondra mbola eo andalampiasana akory. Miaky aho fa sarotra ny lalana ary mahita mihintsy aho fa misy ny zavatra mivoatra. Izany tsy midika fa efa lasa lavitra fa kosa misy ny mangirana. rehefa manao trano na manao lalana dia samy mahita fa korontana ny manodidina nefa rehefa vita ny atao dia milamina ary misosa ny fiara sy sisa. Ka ny fahasahiranana tsy maintsy misy ary tsy misy zavatra mitsangana ara-dalana vitavita mora izany. Aiza ny vitan'ireo tany hafa? Tsy nisahirana ve izy fa avy dia lasa? Aza fafazana lainga tototra ny vahoaka fa miasa mafy ihany ary samy manao mafy amin'ny tandrify azy. Tsy miandry fotsiny tsy mampandroso. Vahoaka ihany ve no atao fitaovana hanimba ny tenany?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0398