TSY NY AKANJO NO MAHA MOMPERA

21. linarako2 ( 01/06/2007 17:11)
mazavaloha:

Mahavariana dia mahavariana ary dia tena mahavariana fa,
Ny mpitondra fivavahana dia olona itokisan' ny olona, hametrahan' ny olona fitokisana ka na ny tsiambara-telo faran'izay lalina indrindra aza dia ankinin'ny ondriny aminy.

Afaka hamborahana ny tsiambaratelo daholo izay olona azonao antoka fa tsy ho voatery ho mpitondra.Andriamanitra irery no hanafaka antsika amin'ny fahoriana.

Ny mpitondra fivavahana dia afaka manentana, mitondra, manisy saina, manoro hevitra (tsy hay na ratsy na tsara fa dia izy no mahita ny tsara sy ny ratsy), ny olona mametraka fahatokisana aminy. Hany ka dia nanana toerana lehibe ao amin' ny fiaraha-monina izy.
Tsara kosa izany,izay no faniriana.Toy ny kristiana mampiely baiboly ihany io,izy irery ihany no mahalala na mitory ny marina izy na tsia.Tadidio fa fisaka ny marina ka sarotra fatarina,kanefa efa mihamazava hatrany izy ato amin'ny serasera.Tsy miteny izahay fa mandinika sy mamakafaka ny iza no ondry ,iza no ambodia.8)

Inona no mampalaza ny mpitondra fivavahana izao ?
1-Ny Romana no namono an' i Jesosy nefa aiza izao ny foiben' ny fiangonanareo ? Ao Roma.

Koa inona no olana amin'izany,raha ohatra ka tena fivavahana manaraka an'i kristy ilay fiangonana,misy ny fiangonana matanjaka be ao ary ny mpanan-kerana manao ratsy no manampy ilay fiangonana.Na izany aza mbola misy ihany koa ny fiangonana tena mijoro amin'ny maha-kristiana sy tena manaraka an'i kristy. :twisted::twisted:

2-Maro ny ady niseho teto an-tany ary anisan' ny lehibe indrindra ary nahafaty olona indrindra ny Croisades : Fametrahana ny Rafitra Kristianina amina tany iray.
Ny fiangonana nalaza tao Roma aloha dia naheno aho fa nisy famonoana ny krsitiana izay tsy nanaraka ny heviny.Voasoratra ara-tantara io.
Ary isaky ny ady misy dia ny Papa no manome tso-drano ny antsy, lefona ary apinga hoan' ireo mpamono olona tsy manan-tsiny.
:roll::?:
Samy ho tsaraina amin'ny ataony daholo na Papa na isika,koa aoka Andriamanitra no hitsara fa tsy antsika.Tsy Papa koa anie no hivavahana fa Andriamanitra e,solontena mpitondra fivavahana fotsiny izy,ka raha tena mpitondra marina izy na tsia ,izy irery ihany no mahalala ,ny fitsarana azy dia mafy lavitra noho ny fitsarana antsika satria izy efa mahalala ny soratra masina.Raha marina kosa izy dia izy no mahazo satroboninahitra mihoatra noho isika:roll:

3-Ny kofesy teneninao aminy dia ata[qony fihomehezana rehefa miaraka misakafo ry zareo samy mompera.
.Aleo izy hihomehy fa mbola ho tsaraina hoy aho izy,raha misy tokoa izany.
Ao anaty baiboly toa misy milaza hoe manantona an'ny diakonina na olona masina ao am-piangonana ka izay mamela anareo dia ho voavela koa ianare.Tsy midika akory izany fa ny kofesy dia ry zareo no hanafa,mba misy olona hitarainana fotsiny fa Andriamanitra irery ihany no hamela ny helokao.

4-Maro ireo mpitondra fivavahana Kristiana efa voarohirohy tamina raharaha maloto.

Olombelona toa isika ihany izy ireo ary mora koa ny manenjika ny mpitondra satria ambony ny fahefana misy azy ary ny satana mitady lalana foana amotehana azy ireo.

5-Misy Mpitondra fivavahana izao voaroaka tao Madagasikara noho ny antony tsy mazava. Matoa tsy mazava dia tsy mazava.

Izany hoe tsy mazava dia tsy mazava izany:roll:
Tsy ny akanjo no hamantarana ny maha-mpitondra fiangonana,tsy isika ihany koa no hitsara izay akanjo hanaovany any.Azy sy Andriamanitra irery no mahafantatra ny marina.Toy ny namana rehetra eto ihany io,milaza fa mpivavaka kanefa manenjika ny namana hafa,manome soketa ny hafa.Misy marina mipoitra dia tsy tiany.Na izany aza efa manomboka mazava hatrany.Tsy anjarantsika mihitsy no hitsara, nahazo fanomeza izy dia aleo hitory,aleo hanome antsika ny soratra marina,isika irery ihany no afaka mandray na tsia.:*
6-Hatramin' izao aloha dia mbola fotsy aby no hosorany ho olo-masina fa ny mainty tsy mba holasa olo-masina izany.
:roll:

Ka dia anjarantsika no mieritreritra fa raha ny amiko manokana aloha dia manaraka ny tenin' i Jeneraly aho.No sady manampy koa hoe andao re hiverina amin' ny fivavahana netim-paharazana. Io no naha izao antsika fa tsy io fivavahana vao nampidirin' ny mpanjanaka io.

Inona koa izany fivavahana netim-paharazana izany?Andriamanitra velona no hivavahana,ampiarina amin'ny fiainana ny fivavahana.


22. tywa68 ( 01/06/2007 17:22)
rtol, ikaretsaka sy linarako2 : =D=D

23. marozevo ( 01/06/2007 23:16)
Voalaza teo :
6-Hatramin' izao aloha dia mbola fotsy aby no hosorany ho olo-masina fa ny mainty tsy mba holasa olo-masina izany.

Diso io... Amarino kely fa efa misy olo-masina mainty, dia ireo martiry tany Ougandà.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0069