tokony hiezaka ho tonga saina sika Malagasy e

1. soasoafy ( 25/05/2007 06:56)
Manahoana daholo e! rehefa nandinika aho de ohatra ny tsy ho tafita mihitsy ty Gasikarantsika ty raha tsy ny toetsaitsika rehetra mihitsy no miova.Tia tena sy somary misy fialonana eo amintsika gasy hany ka tsy mandinika sy mieritreritra rehefa misy zavatra kely mitranga fa tonga dia mandray antendrony sy mankahala olna be fahatany, indrindraindrindara moa ireo olna izay tsy mankasitraka an'izao fitondrana amin'izao andro izao, Ohatra vitsy ho lazaiko fotsiny, rehefa mba manao ny asany ny fanjakana dia henjehina, t@ fisamborana an'i Rolland Ratsiraka izao dia mahazo aina ery ireo mpanohitra amin'ny fanenjehana ny fitondrana, misy antony nge matoa ny fanjakana nampihatra ny lalàna e, ny mpangarompaosy kely ery aza gadraina maika ve fa olna mangalatra volam-bahoaka ohatra an'ireny, izao koa dia mbola miteraka resa-be ny fandroahana ilay Mompera Urfer, katôlika hiringiriny aho, fa izaho kosa tsy manohitra be fahatany fa matoa io mopera io nesorina teto amin'ny tanintsika dia misy zavatra tsy ara-dalana nataony, tsy voatery hilaza ny antony nge ny fanjakana e, fa anjaratsika vahoaka no tokony hieritreritra mba tsy hanaiky lalaovin'ireo mpanao pôlitika e, ary raha jerena nge olona efa teo amin'ny fitondrana teo aloha tsy nahavita azy daholo ireo olona mpitarika mpanohitra ireo e,koa mieritrereta ihany isika e.
Tsy misy ndray izao ny menaka d mahazo loza foana ny fitondrana, ny zavatra tsy fantatry sika nge d mety misy olna tsy mankasitraka ny fitondrana manao blocage de any amin'ny ain'ny vahoaka mihitsy no kitihany de amin'zay voatariny daholo. Izay fa lava loatra ny resaka e, teny atsipy ho an'ny manampanahy io
novalian'i Jeankely ny 01/06/2007 02:49
2. kally ( 25/05/2007 07:26)
Ka io no lazaiko atsy ambadika hoe manàna saina mahay mijery amin'ny maso tsy miangatra fa tsy miandany be fahatany atsy na aroa fa lasa tsy mahita ny tena zava-misy.Manjary jamban'ny fiandaniana ny fahaizanao mandinika.
Mihainoa vaovao, manaova fanadihadiana anao manokana fa tsy mianona fotsiny amin'izay ren'ny sofina tetsy sy teroa, jereo ny lôjikan-javatra hoe ahoana marina izy izany.
3. 147 ( 25/05/2007 11:57)
mahatsikaiky isika malagasy ry namana!tsarovintsika fa misy ny "secret d'etat",ary na izay nolazain'io mompera io t@ haino amanjery aza efa voatandrina tsara ,tsy midika fa lainga fa be ny nafenina tsy azo tononina,ka mionona isika fa tsy adala velively ny fitondrana!
4. xxx ( 26/05/2007 08:11)
Raha handinika ihany dia tsy tokony hiaro be fahatany ny fitondran foana ianareo.
Ary mba sokafy lavidavitra ny fomba fijery. Ohatra iray no omeko anareo : Naivo Rahamefy : maire-n'ny M/nga dia nanodikodim-bola hatrany @ 64 millions, ary nazava be io trou io t@ fanadihadiana nataon'ny Bianco. Ny an'ny Rolland hatr@ tsy mbola misy porofo mazava fa dia efa ampidirina am-ponja sahady. Ohatry ny hoe : olona tratra en flagrant délit, sns. Im-8 nandalovan'ireo mpanara-maso dia tsy nahitana n'inona2, rehefa tsy teo intsony izy fa nahantona dia nanjary nisy tampoka.
Ary ireo eveka ireo tsy miteniteny fahatany fa misy antony. Tsy mpanohitra ireo, tsy mitady toerana ireo. Fa kosa tsy afaka hangina @ zavatra tsy mety ataon'ny fitondrana.
5. Jeankely ( 28/05/2007 09:58)
Ny miaro be fahatany sy ny manohitra amin'ny tsy izy dia samy diso. ny hany mba asiako resaka dia tsy ny vahoaka no asaina ho tonga saina fa ny Mpanohitra. Rehefa anjaranao ny mitondra dia ampiharo ny politikanao fa rehefa azon'ny sasany kosa dia ny lalana faritany no arahina fa tsy ny hevitrao akory. hifandimbiasana io ka rehefa tonga ny anjaranao dia hampiaro ny haingana sy soa. Tsy izany anefa fa dia mahagaga fa mpanohitra tia ho mpitantana ny tetik'asan'ny fitondrana. Inona izany ary inona ity?Avy manompa President avy eo tompon'andraikitra ambony. Oadray fa inona ity?Izay tia ahazo toerana dia be resaka. Loza io raha mitohy.
6. toovs ( 28/05/2007 16:23)
[quote=soasoafy]
Manahoana daholo e! rehefa nandinika aho de ohatra ny tsy ho tafita mihitsy ty Gasikarantsika ty raha tsy ny toetsaitsika rehetra mihitsy no miova.Tia tena sy s
Tsy misy ndray izao ny menaka d mahazo loza foana ny fitondrana, ny zavatra tsy fantatry sika nge d mety misy olna tsy mankasitraka ny fitondrana manao blocage de any amin'ny ain'ny vahoaka mihitsy no kitihany de amin'zay voatariny daholo. Izay fa lava loatra ny resaka e, teny atsipy ho an'ny manampanahy io
[/quote=toovs]

fa hono hoah ry saosoafy, rah misy olona manafina menaka ve na de tsy hanaratsy ny fitondrana aza ny tanjony de tsy enjehin'ny police économique na bianco na inspecteur d'Etat. Matoa amiko misy olona mahavita manafina menaka (satria io no noresahinao an)ka mahavita an'izany tsra de mpanenjika na ny lalana manenjika azy no tsy misy na tsy mihatra. Koa rah manelingelina ny fanjakana ireny defa ela no voasakana fa matoa mitranga ny tsy fisian'ny menaka de misy olona manana intéret ao. fa mila fantarina fotsiny sisa hoe iza daholo no tompoandraikitra, de maninona no tsy tratra zay mpanao an'izany. Misy ange ny ministeran'ny varotra sy ny fihariana tokony hi prévoir an'izany amin'ny resaka statistika e. sa sa sanatria ve de mety tsy mahafantatra ny tokony hanaovana an'izany ve ireo ministera ireo.
anjarantsika rehetra ny mieritreritra e
7. xxx ( 28/05/2007 16:59)
toovs, aza be kredy fa efa hitanay e!
8. Jeankely ( 29/05/2007 04:43)
Angaha moa ny Malagasy ihany no misy fandalovan'ny tsy fisian'ny zavatra tena ilaina andavan'andro e? Na mahita izany amin'ny resaka "statistiques" aza ny Ministera tsy anjarany no mamokatra ary tsy afaka ny hanery ny sehatra tsy miankina tsirairay izy. Ny vokatry ny Malagasy tsy ampy amin'ny resaka vary, menaka sns. Samy tompon'andraikitra amin'io na ny Fanjakana na ny Sehatra tsy miankina na izany aza ny sehatra tsy miankina no tena mitondra ny Baolina fa tsy tokony ho ny fanjakana.
9. soasoafy ( 31/05/2007 13:33)
Azoko tsar ny tianao tenenina ry Toovs,efa miezaka miasa nge zao ny ministère fa tsy ohatra ny t@ fitondrana taloha e, na de hoe mbola tsy d tena tonga lafatr aza satri sarotr b ko nge ny manova ao anatin'ny fotoana fohy ny zavatra nisy teo aloha e, fa tsy mandeha tsikelikely, ny miteny sy manakiana koa mora e, fa raha enao no tonga eo amin'ny toerana d hitanao fa sarotra ny mitondra olna.Lazaiko anao fa mba milatsaha nge enao president @-na fikambanana kely fa hiaika enao fa sarotra e,ny antony samy manana ny toetsainy ny olna ao ny mankato, ary ao ny tsy mankasitraka, ary @ireo olna tsy mankasitraka tsy ilaozan'izay hisy hanao sabotage noho izany ny fampiharana ny lalàna ho an'ireo zay tratra aloha no mety.
Mikasika lay maire-n'ny mahajanga ndray ry XXX, isika ko nge tsy mahafantatra zay zavatra efa miandry an'io rangahy io,manaraka izany feo ko no ren-tsika fa tsy nahita maso sika. Raha nisy angamba ny namana akaiky ny filoha dia Davida Rajaona no isany, aiza nefa zao io rangahy io, niaro azy v ny fitondrana?Ny tiako hahatongavana de zao, tsy mifidy olna hampiharana ny lalàna ny fitondrana.
10. Jeankely ( 01/06/2007 02:49)
Misaotra anao. Ny hoe madio rano iray dia tsy misy milaza izany ary ny resaka risoriso na "corruption" tsy haiko dia mihena tsikelikely io fa langa ny hoe avy dia tapitra. Samy mahalala fa ny firenena be an'io no sarotra tafita amin'izany fandrosoana izany koa tsy misy hiaro izany. Ny zavatra mahagaga fotsiny dia ny filazana hoe "ahoana ny atsy mangalatra koa izahay mba maka kely na ny hafa maka kely gadraina?". Io izany no hifaninanana dia ahoana? Izay tsy tratra dia ny rehetra no manangona ny porofo hatratrarana azy haingana fa manimba ny firenena tsy hivoatra. Ny vahoaka tsy resahina io miova toetsana io fa resaky ny Mpitondra sy Mpanohitra ihany io. Manaraka ho azy ny madinika rehefa mahita ohatra tsara. Misaotra tompoko.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0484