Anganon'ny Ntaolo

1. soanja ( 23/05/2007 08:36)
Izay mahay zany mba mametraka eto.

ANGANON'NY NTAOLO

NY SAHONA SY NY LAMBO

Fahiny elabe hono tafahaona ny sahona sy ny lambo, ka nifampitantara sy nifampiady karajia, sady nilaza ny toa teo sy ny ariran-tsaina, ka miova izy tsy ny mpihavana iny; nefa lavitra tsy hita zambazamba akory ny firazanany. Ary nony efa nitafasiry teo izy roa lahy, dia nifamati-dra ka nifanaiky hifanasa ny hifanaja.
" Ndeha ary ho any amiko aloha" hoy ny Lambo, " fa izaho no zokin-jaza" " Ndeha ary" hoy ny sahona "fa marina izany, ka tsy azo dinganina, fa ianao tokoa zoky sady ray amandreny, ka izaho dia tsy hanao rano dikain'ny zinga tsy akory, fandrao folaka an-dantony sy mahafaty tanora ahy". Dia lasa izy roa lahy ka tonga tao amin'ny fonenan'ny lambo. Ary nony masaka ny nahadro, dia nihinana ka voky niatiaty.

Tamin'ny andro hafa dia mba tonga kosa ny fotoana hankanesany tany amin'ny fonenan'ny Sahona ka dia nankany izy. Ary nony naroso ny hanina dia kely tsy hitan'izay vazan'ain'ny Lambo akory.
Tezitra ny lambo ka nimenomenona hoe" Miavonavona sy tsy mizara henamaso amiko mihitsy ialahy izany, fa tany amiko ialahy novokisako sy nolerako fatratra, ka voky efa tranga tery, sofin'ialahy tokana no tsy niletra. Fa nony mby aty amin'ilahay kosa aho, ka hanina fanome alika no omen'ialahy ahy. Efa mihaika ahy mihitsy ialahy izany, ka avia hifamely , na nifanao sarotra sy mangidy aza isika roa lahy".

Nefa tsy niraika ny sahona, fa namaly moramora hoe " Raha tian'ialahy dia avia hifanao, fa tsy mindrana aina tsy akory, koa ho marikoditra amin'izany".
Dia hoy ny navalin'ny lambo: " Ndeha ary hanao fotoana isika roa lahy". Fa hoy indray ny sahona : " Izay andro tian'ialahy ihany atao fa tsy misy mimalo amin'izany tsy akory".
" Ndeha ary isika roa lahy hifampitsapa toetr'aina sy hery ary tanjaka aloha". Hoy ny lambo " Ndeha ary leisty" hoy ny sahona.
Dia nifanaiky hifankahatra hifanala hazakazaka tamin'ny fikarana mideza izy roa lahy. Ary nony vantany vao mihaona ny lambo, dia nitsipaka nankeo ambozony ny sahona, nefa tsy hitany sady tsy reny akory, satria be vozona moa izy; ary ny sahona kosa maivan-kely ka tsy nampihetsi-bolomaso azy akory. Nimaona hoatra ny tadio ny lambo, ka nony efa kely sisa tsy ho tonga, dia nitsipika tsimoramora tery aloha ny sahona, nefa tsy hitan'ny lambo izay nilany, ka izy indray no lasa aloha, ka hany herin'ny lambo dia niloa-bava hoe " hia! Loza ialahy izany raha andeha, ry ilaikely ity!".

Fa niteny indray ny lambo hoe " Ndeha ary hifanala vikina isika roa lahy". Fa namaly tsimoramora kosa ny sahona hoe " Izay mahadiavolana ny kibon'ialahy dia tiako avokoa. Mila nenina tsara, fa izay tsy afa-po be nenina, ka aza marary ambavafo foana".
Dia nanantona ny moron-drano izy roa lahy, ka nony ilay hanezaka iny ny lambo, dia nitsipaka nankeo amin'ny vombony indray ny sahona. Tsy nadre izay ambonin'ny tany akory ilay tonaka, nananga-tadio hamikina lavitra. Kanjo nony efa mby teo akaikin'ny hamikinana tokoa, dia nitsipika indray indray ny sahona, ka mbola izy ihany no lasa aloha; ary efa nitafoaka ny vorom-bavan'ny lambo, sady efa teramena ny masony. Maika gaga indray ilay toa tsy ary nahita azy efa nisonanina tery aloha, ka nikoy hoe: " Tsy ahombiasana loatra ialahy izany, lehitsy!"

Dia nihaiky azy indray izy hoe :" Ambia ary hanao fara-vaton' Ijanga lehiroa, ka samia mamory havana isika roa lahy, fa fara-doboka izao, kandrao misy maty tsy atrehan-kavana, ka iharan'ny ohatry ny olona hoe " Maty mangina toa otrik'afo". " Eny ary" hoy ny sahona, sady lasa izy nanaitra izao sahona rehetra iray karazana aminy izao sy tsintsina dia nitsiatsiaka hoe: Tsintsino, tsintsino. Ary naneno koa ny sahona hoe: Ireo, ireo!"
Nony nandre izany ny adala dia resin'akora ka vaky nandositra maina; ka dia indray niredona ny sahona sy ny tsintsina hoe: " Tesa, ry ilay trotraka! Tsy misy na inona na inona, fa mandositra tsy enjehina foana. Izany ihany no hevitra, ka tsy aleo mianjera any an-kady mamono tena any". Tsarovy fa ny lehibe tsy aman-tsaina tsy mahaleo ny kely be hevitra.

Efa be mpahalala ity angano iray ity fa de mba mizara fotsiny aloha an! Soanja
novalian'i Fiffi ny 31/05/2007 06:10
2. Fiffi ( 23/05/2007 09:02)
soanja: humm....misaotra nizara..=D=D=D=D=D :-*:-*:-*
3. xxx ( 23/05/2007 09:05)
ilay tantara efa re tokoa fa ilay fomba fitantara no hafa ,

misaotra
4. mandrindra ( 23/05/2007 18:26)
soanja, misaotra fa sady mahalina no tena ao amin'ilay teny malagasy mahasondriana
5. soanja ( 23/05/2007 20:20)
Misaotra indrindra anareo.
Ny angano tokoa amin'izao fotoana izao dia tsy ny heviny loatra no mahasarika ahy satria mba efa fantampantatra ihany mialoha izany, fa ny teny Malagasy fonosiny kosa dia satriko ny hampiasa arak'izay fahaizako ny tenin'i nampiasain'ny Ntaolo saingy mandositra ny lelako tokoa ry zareo amin'izao. Andrianiko mihitsy ny teny Malagasy taloha. :-*:-*:-*:-*
6. Fiffi ( 23/05/2007 20:51)
de miandry ny tohiny zany ....:):-*:-*:-*
7. menalamba ( 25/05/2007 20:50)
Misaotr 'anao ry Soanja fa mampitambolona ny fahazazako izany angano izany an
Mpakafy sy mampandrevirevy ahy mihintsy izy ireny t@ izany.Ary aiza ho aho no
mety ahitana ireny boky anganon'ny Ntaolo ireny è?:D
8. soanja ( 29/05/2007 23:48)
Asa re ry Menalamba fa ny ahy nangonin'i Iabako hatramin'izay.
9. Fiffi ( 31/05/2007 06:10)
soanja ô ! aiza ny tohiny ? :):-*:-*:-*:-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2751