Bediabe ny hiran'i Bodo misy Neny ka mba omeo sopapa kely aloha .
Sa ity?
Isaorako ny avo
ny foko ravoravo
eto izao
Fitahian-dehibe
izay nomeny ahy re
ka zaraiko aminao
sambatra aho ombieny ombieny
nantsoin-jaza aho hoe:"NENY"
......
Fitiavan-dehibe
nomen'i neny anao
na kapoka aza re no azonao
fitiavan-dehibe
fa nahatsara anao
tsy nanenenany
fa tiany ianao
Tadidinao ve ny angolangola sy ny hantanao
tsikitsiky sy hehy
kilalao nahazatra anao
tsaroanao koa ireo
tsorakazo niantra taminao
Ianao no toy izao dia noho ireo.