Hira audio mp3 na wma

1. sariaka ( 22/05/2007 15:26)
Hono ho aho, sao mba misy mahalala sites na blog hahafahana mihaino hira malagasy mp3 na wma aza tsy maninona. Mba hanalana azy e, mitsotsotra dia mba mankafy eo e na dia tsy azo telecharger-na aza tsy maninona. Ankoatr'zay, iza kay ny artistes malagasy vao niforona vao haingana fantatrareo malaza izao? Izaho manko aty ivelany kely aloha izao mandra-paha ka tsy dia maharaka loatra!!! Misaotra mialoha o.
novalian'i xxx ny 28/05/2007 10:09
2. Fiffi ( 22/05/2007 16:03)
http://harena.info/

http://www.masombahiny.com/mozika.html de andraso aloha fa mbola mitady....:)
3. hery ( 22/05/2007 16:04)
Raha samy tsy ho-télécharger-na ihany dia azo jerena ny ao amin'ny http://radiovazogasy.com

Misy hira mihoatra ny 6000 ao dia mitady dia mandahatra dia miandry... dia mametraka hafatra dédikasy :-)
4. Fiffi ( 22/05/2007 16:10)
hay tokoa moa ? :oops:

Hery: mba azonao jerena ve ny zavatra nolazaiko ao am le dinika hoe "mampidira tononkira" azafady ?
5. sariaka ( 22/05/2007 16:46)
Misaotra aloha Fiffi amin'ireo hita ireo an. Misaotra Hery fa ankoatry ny radio vazo gasy kah. Tsara ny radio vazogasy fa indraindray mantsy aho te-hanao enregistrement tsy misy teny hafa ao anatiny.
6. hery ( 22/05/2007 18:15)
sariaka> ka enao niteny hoe na tsy azo telecharger-na aza kou :-)

Fiffi> aiza izany dinika izany?
7. Fiffi ( 22/05/2007 18:17)
Mpandefa : Fiffi [ Valio ] 16-05-2007 20:44:18
Lohateny : Re : O ry zareo a... ampitomboy ny tononkira
hery aaahh ! heu....tena saika ampiditra tononkira mintss zah io saingy......misy an'le fenêtre misokatra hoe misafy ato am le mpihira....nefa tsy misy an'le mpihira ao de ahoana no ataoko ???

Ohatra ireto ny tononkira hananako an ! saika hampidiriko ao....

-Dada ô ry dada! (Ako Farany)
- OBEY (Ako Farany)
- Hiara-hiakatra (Ako Farany)
-Neny ô! (Ako Farany
8. hery ( 22/05/2007 21:11)
Fiffi> mampiditra mpihira aloha. Jereo fa misy hoe HAmpiditra mpihira ao... dia avy eo mampiditra tononkira.
9. Fiffi ( 22/05/2007 21:23)
Hery: misaotra fa mazava tsara :)
10. tidason ( 25/05/2007 04:57)
Salut. Ary ianao anie zany tsy hi-telecharger fa hanao recording en temps réel e. Efa mitovitovy @ maka ihany zany e.

Veloma mandra-pihaona e


11. xxx ( 28/05/2007 10:09)
sariaka:

Hono ho aho, sao mba misy mahalala sites na blog hahafahana mihaino hira malagasy mp3 na wma aza tsy maninona. Mba hanalana azy e, mitsotsotra dia mba mankafy eo e na dia tsy azo telecharger-na aza tsy maninona. Ankoatr'zay, iza kay ny artistes malagasy vao niforona vao haingana fantatrareo malaza izao? Izaho manko aty ivelany kely aloha izao mandra-paha ka tsy dia maharaka loatra!!! Misaotra mialoha o.


Fa maninona kay raha nitsotra t@ filazàna na fangatahana fa tsy miolakolaka toy izao? Tsy telechargéna fa enregistréna = midika amiko fa mangalatra raha ny filazànao azy no dinihana.
Mahaiza mangataka @ manaraka dia mety hahazo misimisy koakoa no sady maimai-poana.
Mandra-paha dia mazotoa mihaino RVG

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.068