Fifaliana ve?Mety mahasoa anao ity!!!!!

1. niryna ( 22/05/2007 06:24)
Samy mitady izay mahasoa azy ny olona.Ny fitadiavana an-drafifaliana dia sarotsarotra ihany.Indrindra raha tsy mba manana fo falifaly ianao.Mahatanora lalandava hono ny: mitsikitsiky lava,ny manana fiainana mikatsaka ny lafitsara foana.Ilay fahatezerana tokoa dia mitarika faham-pozinana ny saina,ny vatana ary ny fanahy raha tsy voatandrina.Matetika fiteniko io hoe rehefa tsy manana zavatra tsara ho tenenina aho dia aleoko tsy miteny fa ny teny hono toy ny atody ka raha fohy manana elatra,toy ny rano raraka ka tsy azo raofina intsony.Raha tezitra ianao dia aleo mangina fa manjary miteniteny foana sy manaonao foana.
Ireto ary misy toro-hevitra kely mety mahasoa.Andramo ary ataovy matetika raha mety andaitra anao hitadiavana an-drafifaliana::idea::idea:8O:DD

#1-Ny fahaizana misaotra :Raha misy manome zavatra ho anao ,kinga aho miteny hoe misaotra tompoko o!
-Ny fisaorana amin'Atra amin'ny rehetra no voalohany indrindra ary ny manaraka dia ny mianatra misaotra aman'olona.Ny fahaizana mankasitraka ka misaotra aman'olona foana dia mampianatra anao hanana fahasambarana ara-panahy sy ara-batana.
#2-Ny fahaizana mizara :Mahatsiaro sambatra ianao raha olona tia mizara foana:ny fotoananao,ny fitiavanao,ny fanampianao ny olon-kafa dia ahitanao fifaliana sy fahasambarana.Tsy voatery hanan-karena na manana zavatra ihany ianao vao manampy ny hafa,izay fahaizana,fahalalana sns dia azonao zaraina aminy hafa avokoa.Raha mikonjo sy tia-tena dia tsy mety sy tsy afaka ny mizara,koa hiezaho ialana io.
#3Ny fahaizana mamela :Raha misy zavatra mankarary ny fonao,na raha manomboka tezitra na sorena noho ny antony maro samy hafa ianao na tafitohina noho ny toetr'olona:misentoa kely aloha,maka rivotra raha azo atao,mandinihy fohy dia fohy,aza manampa-kevitra ao anatin'ny hatezerana,fidio ny vava avoaka na aleo tsy miteny fa misy teny tsy voahevitra indraindray.Mandinihy amin'izay ary mianara mamela ilay olona nahatonga ny fahatezeranao,eritrereto toa azy mamela anao ihany koa.Rehefa afaka ny hamela mantsy ianao dia moramora kokoa ny mamita zavatra goavana na dingana hafa,maivamaivana ihany koa ny fo ary tsy mitratrevatreva ny hatezerana ary mahatsapa fa milamina ny saina.Mivavaha raha miezaka ka tsy mahavita fa tsy misy zavatra tsy vitan'ny fivavahana raha mino an'Atra ianao.
#4-Ny fahaizana mahatsapa-tena :Amin'izay zavatra ataonao dia ataovy amin'ny fo madio tsy misy hafetsena na hakamona na fangalarana.Ataovy izay zavatra fantatrao fa tokony ho vitanao,aza mandainga ny tenanao izany amin'ity fiainana mandalo ity.Ahatsiaro maivana sy sambatra ianao namita ny asa tamin'ny fo madio.
#5-Ny fananana finoana feno
Ny fahaizanao misaotra,manome,mamela ary mahatsapa-tena dia efa zava-dehibe ka ireo mitambatra no maha tonga anao hanana finoana feno ary dia afaka maka aina tsara amin'izay ianao satria madio ny saina,mandry ny eritreritra,tsy nitaraina tana-miepaka ary nanana fikirizana nanao zavatra tamin'ny fahatokisana sy fankaherezana.
Andramo fa na iray fotsina aza no ezaka ataonao dia mahatsapa izany fahasoavana nomen'ny Tompo sy fifaliana ary fahasambarana izany ianao.::lol::P8):D
(l)niryna
2. Fiffi ( 22/05/2007 06:35)
......2007....ry ankizy malagasy Ă´
......2007....mianarĂ  taratasy
......2007....vonjeo ny lakilasy
......2007....ny soa manarangarana
..............any am-pianarana......

de na efa samy lehibe daholo aza isika rehetra eto...dia aleo zany hiverina any am-pianarana hianatra indray ny:

-Fahaizana misaotra

-Fahaizana mizara

-Fahaizana mamela

-Fahaizana faha-tsapahan-tena

(dia ho faly daholo rehefa mivoaka ny lakilasy avy eo an!) de mahay an'ireo......


3. Fiffi ( 22/05/2007 21:05)
de ho salama tsara ny saina.....
4. niryna ( 23/05/2007 06:48)
Isan'andro isika dia mianatra zava-baovao foana.Samy manana ny fandraisany azy avy ny olona.:D
Ity koa mbola misy iray izay te-handray.:roll:

TE HO FALY LALANDAVA VE IANAO?

ESORY NY FO FENO FANKAHALANA,FO FENO TEBITEBY.FIHATSARAMBELANTSIHY.
FENOY FITIAVANA NY FIAINANAO.
MIFALY LALANDAVA,MIHIRA MATETIKA ARY MIVAVA MANDRAKARIVA.
AZA MAMALY RATSY NY RATSY,VALIO SOA NY MANKAHALA ANAO.
NA INONA NA INONA TIANAO HATAON'NY OLONA AMINAO DIA MBA ATAOVY TOA IZANY IHANY KOA.
ATAOVY IZAY ZAVATRA TOKONY HO VITANAO ANDROANY.
FENOY FITSIKIANA NY ANDRONAO DIA HANAMPIFALIANA IANAO.

(l)niryna
5. xxx ( 23/05/2007 07:59)
izao ve no atao hoe fifaliana?fa inona ty mivatravatra ity?sa izao no mahasoa anao?
6. niryna ( 23/05/2007 17:41)
xxx:

izao ve no atao hoe fifaliana?fa inona ty mivatravatra ity?sa izao no mahasoa anao?

Mampihomehy ahy indry ity a.Manao izay mahafaly ny fo no tena fahasambarana.Manome sy mihaino ny teny mamy avy amin'ny namana manana positive,izay mbola anisany mahafaly ihany koa.
Izay avoakan'ny vava hono dia avy ao anatin'ny fo.Tazomy any am-ponao any ny hatezerana fa mahita antsika daholo ny olona erak'izao tontolo izao.
Fampaherezana amin'ny fiainana daholo ireo.:):):P:D
Ba mamikely ho andry :*:*:*
(l)niryna
7. xxx ( 23/05/2007 20:28)
lesbo
8. salmo1 ( 23/05/2007 20:33)
niryna:
Ny fitadiavana an-drafifaliana dia sarotsarotra ihany.
Mora kely kah.

Mivelona tsara @ zay hanana fotsiny de vita.
9. xxx ( 24/05/2007 11:31)
=D=D=D=D
niryna:

Isan'andro isika dia mianatra zava-baovao foana.Samy manana ny fandraisany azy avy ny olona.:D
Ity koa mbola misy iray izay te-handray.:roll:

TE HO FALY LALANDAVA VE IANAO?

ESORY NY FO FENO FANKAHALANA,FO FENO TEBITEBY.FIHATSARAMBELANTSIHY.
FENOY FITIAVANA NY FIAINANAO.
MIFALY LALANDAVA,MIHIRA MATETIKA ARY MIVAVA MANDRAKARIVA.
AZA MAMALY RATSY NY RATSY,VALIO SOA NY MANKAHALA ANAO.
NA INONA NA INONA TIANAO HATAON'NY OLONA AMINAO DIA MBA ATAOVY TOA IZANY IHANY KOA.
ATAOVY IZAY ZAVATRA TOKONY HO VITANAO ANDROANY.
FENOY FITSIKIANA NY ANDRONAO DIA HANAMPIFALIANA IANAO.

(l)niryna



10. niryna ( 25/05/2007 04:15)
xxx:

lesbo

=))=))=))
Izay miambina ny vavany sy ny lelany dia miaro ny fanahiny tsy ho azom-pahoriana.
Ny vokatry ny vavan'ny olona no ahazoany soa.8-)

11. Rasiligaoma ( 25/05/2007 04:51)
Ny fandinihin-tena no mitondra fifaliana tsara indrindra! satria lasa hainao misimisy kokoa ny tenanao dia hainao hoe rehefa ahoana izy no faly dia rehefa ahoana izy no tsy faly, dia afaka manao izay mahafaly anao foana ianao rehefa avy eo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.078