fanotofana tany!

1. rakaroka ( 17/05/2007 14:10)
Hono wa: sao mba misy mahafantatra "fomba" hanotofana tanimbary any Madagasikara? Tongan'ny fiara sy tsy lavitra ny renivohitra ilay toerana.
novalian'i andrylahy ny 06/07/2007 07:26
2. Fiffi ( 17/05/2007 14:47)
ahoana akia zany hanotofana tanimbary zany ?
3. ikaretsaka ( 19/05/2007 15:36)
Azo atao ny manototra tanimbary mba hahatonga azy tany azo hanorenana trano ka!
Rakaroka:
1)jerena aloha hoe tsy "lalan-drano" ilay tanimbary, izany hoe raha tany ka avy ny orana na misy lakandrano mandeha dia tsy ao @ tanimbarinao no ivantanany rano voalohany.
ny antony dia raha vao tsy ampy tototra ilay izy dia ho tratran'ny rano foana ny tanimbarinao. raha tsara tototra loatra indray dia lasa mivarina any @ tanin'olon-kafa ny rano.. ka indraindray raha tsy manaiky ny "mpifanolo-body tany" dia miafara @ tribonaly sy ny fandrodanana ny tranonao ilay izy.

2) noho ilay izy tsy marim-pototra nohon'ny tanety (misy ilay couche mamotaka iny foana ao na voatototra aza) dia tsy afaka mivalampatra loatra ianao amin'ny design an'izay zavatra atsanganao eo, raha tsy mandany vola be any @ fondation sy ny structure, matetika raha tsy mafy structure sy fondations be ilay trano dia tsy misy sahy mampiakatra azy mihoatra ny rihina 1
4. rakaroka ( 19/05/2007 20:54)
Misaotra @ toro-hevitra: Mahafinaritra dia mahafinaritra tokoa!
"En faite, pourquoi pas" moa hoe mi-"enviseage" aty
explois possible any Dago?
ce n'est pas dutout simple!
Misy lalan-drano tokoa miodidina ilay izy fa 'ngeza ilay velaran-tany dia azo avily izany, sady juste une
partie aloha no tiako totofana mba haka toerana ny tany raha hanao fondation, anefa te hamantatra Devis aho hoe "ohatrinona aza ny hanotofan'ny "entrepreneur" ny m2 ohatra?ahitako ny "source de financement " hiatrehako izany ?...:roll:
5. ikaretsaka ( 21/05/2007 16:24)
arakarak'ilay entrepreneur
arakarak'ilay hangezan'ilay tany tianao totofana..
arakaraky ny hatevin'ny "tototra" tianao hatao
arakaraky ny fisian'ilay ranontany (remblais) sy ny halavitan'ny toerana angalana azy
tadidio koa fa ny toerana tongan'ny fiara dia tsy midika mihitsy hoe mety sy voatery ho tongan'ny camion na engins hafa... (lasa manao manoeuvre be izy ohatra fa tsy tafavily direct)
Mikanonty aby izany!

fa ny tsara dia mankany an-toerana mihitsy , dia mitady ny tena tompon'ilay izy (ny entreprises matetika manao sous traitance) dia raiketina rehefa tena vonona!

rakaroka:
"En faite, pourquoi pas" moa hoe mi-"enviseage" aty
explois possible any Dago?
ce n'est pas du tout simple!

izany ny fataoko: efa taona vitsivitsy izay! fa rehefa hitanao ilay vision sy ny fahavononana hanao azy dia vita io fa etina tsimoramora!
6. rakaroka ( 22/05/2007 19:53)
Misaotra Ika,marina mihitsy ny resakao fa mitaky analyse et études détaillé" ny fiatrehana ilay izy,
ny terrain no fantatro any fa ny "entrepreneur" mbola à voir, io tany io amidin'ny olona amin'ny ray aman-dreniko any izao ary efa mahavidy fonenana aty koa aho amin'ny "investissement" mety ho laniko aminy!Hoeritreretina!:roll::roll:
7. andrylahy ( 06/07/2007 07:26)
Salut rakaroka ! Tsara ilay hevitra fa ity misy fanampiny :
alohan'ny hanotofana ilay tany dia tampeno ny rano mankao @ tanimbarinareo. rehefa avy eo dia manaova sondage hahafantarana ny tany ao ambany ao sao dia onaona lalina be ka na totofana aza dia handany vola be ny fototra ( mety ho lafo nohon'ny vidin'ny trano mihitsy aza ). Fa raha ohatra hoe tsy mila rihana maro dia tsy ilaina ny manao etude bé.
Bonne journée
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8067