Efa ao ve ianareo ô
fa alefa ny resaka
efa fantatra ny tantara malagasy
leo manao ny marina
efa sendra ny olona
tsy matahotra an'Andriamanitra
dia manararaotra ny olon-tsotra
tofoka izy ny hanao ny marina
leo ny manao ny marina
leo ny manao ny marina
Diso ve ny tenin-drazana
manao hoe: ny marina tsy maty e
ka manjaka ny fitaka
hery setra natao ody faty
eh,eh,eh,eh,eh,eh
aza tezitra ianao
fa somonga ny ahy
tsy mandry ve ry salanitra ô
Dia diniho ramose beau gosse
nandeha nanao auto stop
dia noraisin'ity madama
fa hoe mbola lavitra ny tanàna
folo metatra niala avy eo
zava-doza àry no niseho
i madama ndray no nivoaka
sempotra izy fa tratran'ny big boss
leo ny manao ny marina
leo ny manao ny marina
Misy indray ireo fonksionera
homana mofo sy dibera
mampiandry ao an-dalatsara
fa hoe mbola tsy tena voky tsara
angatahina service
lazainy fa ny mpanao sonia tsy misy
raha tsy ilay fomba maizina no atao
dia eo ianao no raisina
eo ianao no raisina
d mazotoa mivazo àry e !