Malagasy, Karana, Sinoa antanin'olona sy ny Politika

1. Jeankely ( 15/05/2007 05:42)
Dia samy hafa mihintsy ny fihetsiky ny olona vahiny antanin'olona. Raha ny fahalalako azy dia tsy ny Malagasy mihintsy akory no maro anisa amin'ny fandehanana, fipetrahana, fanambadiana ary fiasana antanin'olona. Misy Sinoa sy Indien marobe ny toerana misy ahy, dia mba tafaresaka indraindray. Reo dia miteny amin'ny fitenindrazany ary mahay ny teny hitoerany koa sady mbola mahay teny hafa no mbola maneho sy mirehareha fa avy any amin'ny fiaviany izy ireo. Mba nanontany azireo aho hoe tia hiverina any Chine na Inde ve nareo dia tsy misy mihevitra izany izy ireo. Tsy miditra amin'ny Politika any amin'ny toerana niaviany reo fa mandray anjara kosa amin'ny toerana itoerany. Mitsangatsangana izahay rehefa makany hoy ry zareo. Ny Malagasy sasany indray dia maro ny tsy mahay teny Malagasy intsony ary tsy misy manery azy amin'izany aloha. Ny sasany ny Politika sy ny fanapaha-kevitra any Madagasikara no hidirany nefa izy mitomany hijanona any ivelany ary menatra koa raha lazaina hoe Malagasy. Izaho tsy manao ankapobeny tompoko fa milaza ny zava-misy sy ny fitanisana ny Karama ambanin'ny 100$, ny Fahantrana, ny tsy fivoarana ary ny maha-PMA. Tsy misy manenjika anao amin'ny fahatafitanao fa avelao hitady sy hiezaka amin'izay ahasoa azy ny Malagasy e. Ary tsy anjaran'ny olona tsy hody intsony ny fahorianay fa anay. Mijaly vao tafita fa tsy azo mora izany.
novalian'i Jeankely ny 23/05/2007 06:17
2. Jeankely ( 15/05/2007 09:59)
Tokony halefa eto anie ny sonian'ny 700 hamerina ny mopera miaraka ny an'ireo manaraka izany ho hitanay haingana e. Manaraka ary mibaiko ny mpitondra ny Malagasy ivelan'ny riaka.
3. rakaroka ( 15/05/2007 13:26)
Jeankely:

Tokony halefa eto anie ny sonian'ny 700 hamerina ny mopera miaraka ny an'ireo manaraka izany ho hitanay haingana e. Manaraka ary mibaiko ny mpitondra ny Malagasy ivelan'ny riaka.

Ny hamakiako ny tenin'i Jean kely, dia ny karazana
"famoizam-po"n'ny gasy maromiatrika ny fiainan "henjana" ao anaty "fahantrana" tanteraka any Mcar. Ny fiheverana matetika dia "tafita" ny olona aty ary tsy mihevitra na tsy tokony hihevitra na tsy mahavita n'inn n'inn @ any! Ny mampalahelo aza dia zary toa atsangana ho fahavalo izany. Hadino fa "rahalahy anabavy" nifanapa-tsinay aza ireny, ary ny mpiray tam-po tokoa na ny ratsam-batan'i Kristy toa ny tana-kavia sy havanana: izay didi-maharary.
Sarotra ny mifanome tsiny ao anatin'ny fiainana samy miavo-tena, anefa milaza aho fa nisy maro ireo havana taty dilam-bato tsy tokony atao mizana tsindriahazana raha nimatimaty manao soa ny any: na toa tsy fantatrao sy tsy iantefany mivantana aza ianao: nisy rivo-doza izao tany, mba nahavita izay ho vitany kosa ny fanampiana nalefa, ka tsy tsara ve ny misy noho ny tsy misy?...Nisy "kere" tuléar: "Ataoko fanampiana avy taty no nitobaka be tany? Dia hodian-tsy hita ve? 'Ndrao tsy mety kosa e!
:roll::roll::oops::cry::cry::cry:

4. fijo ( 15/05/2007 22:01)
misy marin amihintsy ireo voalazan'i JK ireo.misy ny menatra hoe gasy,nefa be jesta mitsikera ny zavatra misy any.rehefa menatar ny mahagays dia mangina sisa no fahendrena
5. bazylou ( 16/05/2007 00:36)
o rajeankely be.. minoa fotsiny ihany dia alefa eto ireo!!:lol::lol::lol:
Tsy misy azo kianina ny tenin'ny rakaroka!!:wink::wink:
6. Jeankely ( 16/05/2007 03:14)
Ny resak'i "rakaroka" sy i "Prix Nobel" aloha dia tsy mitovy amiko. Manaja anao aho "rakaroka" ary efa nilaza aho hoe tsy ankapobeny ny marimarina kokoa dia i "Prix Nobel" sy ny namany no teneniko. Azonay atao tsara mihintsy koa ny managona sonia tsy ahafahan'ireo mpanenjika an'i Madagasikara sy mpitanisa ny fahorian'ny Malagasy tsy hiditra any intsony eny fa na ny fatiny aza. Avahako tsara fa hafa ny manohatra fitondrana izay tsy hidirako satria tsy mpitondra aho ary hafa kosa ny mamingavinga ny Malagasy sy i Madagasikara. Ny mpitondra mifandimby fa Madagasikara eo ihany ary izahay Malagasy tsy menatra mihintsy na averimberinareo eto foana aza fa MPA.
7. bunny ( 16/05/2007 16:08)
Jeankely:
Ny mpitondra mifandimby fa Madagasikara eo ihany ary izahay Malagasy tsy menatra mihintsy

=D=D=D=D
8. rakaroka ( 16/05/2007 20:38)
Raha ny marina aloha "diso" ny "côte" namaliako an'i JK. Noho ianao nilaza ery ambony hoe
tsy hanenjika anao noho ny fahatafitanao fa avelao hitady sy hiezaka @ izay mahasoa azy ny "Malagasy". Tsy anjaran'ny olona tsy hody intsony ny fahorianay fa anay...

Tsapako tokoa ny "faharavana" "fahapotehana "TANTERAKA"ny firahalahiana , ny "fifankatiavana izay "hany" didy tokony iainantsika, vokatry ny fiainana samy maka ho azy: tsy mandiso ny resakao mihitsy aho fa "mahatsapa" izany tokoa aza. Fa mbola mitafa eto toa izao aho noho ny rohy maro mampifamatotra no mahatsapa mbola eto @ tontolon'ny velona, mbola miandrandra sy maniry ary mikatsaka "FATRATRA" soa ho an'i Mcar sy ny Gasy tsy an-kanavaka!...
9. Jeankely ( 23/05/2007 06:17)
Na rahalahy na iza na iza rehefa tsy mifanaraka dia misaraka e. Izahay tsy mila izay tsy tia Malagasy. Izay ahasoa an'i Madagasikara no zahavinay fa ny manaliaka anay raha azonay koa ampahalalanay azy fa Malagasy izahay.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0573