Campus Andraijato: mahalasa eritreritra

1. simplex ( 14/05/2007 08:19)
Tsy haiko ity na tokony ho politika fa ataoko ato aloha,

http://www.lexpressmada.com/index.php?p=display&id=7546
http://www.madagascar-tribune.com/index.php?JOURNAL=1205&ART=23452

Ra misy ngambany ny foko faran'ze atahoran'ny ol indrindra en terme de represaille sy hoe "sauvage" (miala tsiny @ le fitenenana fa azonareo nga no tiako lazaina), d ny Sud Est sy ireo somary Sud Sud ireo no tena tompony.

Tena kolotora andrizareo mintsy ve io sa manin no mpianatra efa mba hoe eny @ ambaratonga ambony avy mbola manana izany toe-tsaina "hafahafa" izany?

Iangaviana mba tsy hisy ho sendaotra fa dinika no atao fa tsy hoe fankahalana ny mpiray tanindrazana akory :-*:-*
novalian'i Jeankely ny 15/06/2007 08:19
2. Fiffi ( 14/05/2007 08:44)
hitako io....tena mahazendana....
3. jefra ( 14/05/2007 09:36)
Fanampim-baovao henoko mivantana avy any an-toerana hatramin'ny alakamisy, zaraiko araka ny fitantaran'ilay olona:
-10/05:


-11/05:


-12/05:
4. Fiffi ( 14/05/2007 09:48)
"jefra":
Ny tena nahagaga ahy tamin'ity resaka ity dia ilay fanafenana vaovao miseho any amin'ny faritany. Tsy nisy niresaka mihintsy raha tsy efa nitotona eny Tsimbazaza ry takaka.
de zay zavatra lazain'ao am gazety tena tsy fantatra mihintsy na marina na tsia.....de aleo tondé mihaino sy mahita zao lazainao zao....
5. simplex ( 14/05/2007 09:52)
hay ve zany ny fandehany e 8O8O

* le mpianatra triangle du nord aloha d efa "jungle". Olona 5 ve no nda hilako bandy 1 na d efa in aza?? fa in loatra no nataony :-w na mangala-badin'ol aza ve d hisy an'zany?

* le Sud-Est kou vao mia, tsy haiko e, tsy mahazatra nga no nde hitenenana azy. Marina fa mampalahelo izany mpiray tanindrazana @ tena izany no hanaovan'ny ol angaredona. Kanefa :) kanefa, izany ve d hitakiana ny ain'ireo 5 ireo kou. Le joro sy ilay evacuation ngamba mety azo lazaina hoe fomba-tany ary tena hoe normale ra miantoka ny frais izany nisompatra. Fa le izy lasa miitatra be hoe ze triangle du nord rehetra lasa lasibatra doly:{:{:{. Tsy zakan'ny saiko :@:@:@

isika @ io mirehareha foana hoe fihavanana no tena mampiavaka ny Malagasy :roll: lavitry ny afo ny kitay an :°)
6. sitlo ( 14/05/2007 17:15)
Efa nisy ohatra an'io teny Ankatso tamin'ny 1999-2000. Tamin'izay dia angaredona ohatra an'io koa no nitranga. Mpiara-mianatra taminay ilay avy tany Ambositra dia nataon'ny avy tany Diego angaredona koa. Dia namanizan-dry zareo mihitsy ny lohany. Naratra mafy nila noevacuena tany andafy mihitsy ilay ankizy. Dia avy eo moa izy niala tsy nianatra tao am-pianarana intsony.
Dia raikitra ny ady "Nord" sy "Sud-Est". Dia nisy bloc may mihitsy teny Ankatso II tamin'izay. Dia joro kely omby iray sy fialan-tsiny nataon'ny olon-dehibe avy any avaratra ary fidirana antsehatra nataon'ny Solombavambahoaka no nampiravina ny olana.
Dia miverina indray izy izao.
7. pissoa ( 14/05/2007 19:06)
:{:{:{

Fa inn kay le nampiady volouany ? (Ilay 1#5 ? )

8. zandikely ( 14/05/2007 19:11)
Mampalahelo:

Ireo mpianatra tahaka ireny ve no handrandraina ho avin"ny Madagascar. Mialatsiny aho fa tsy mendrika fisainan"olona amin"ny Universite mihitsy, na ny olona tsy nianatra aza tsy manao ny tahaka ny ataon"izy ireo.
Ary manaraka izany fa angaha moa efa tsy misy fanjaka intsony any Madagascar any izao e!
Korontana atsy, korontana ery,tahaka ny tany tsy misy fanjakana.
Fahitako azy dia io governementa io mihitsy mahomby raha, generaly ny Premier ministre nefa korontana mameno ny firenena.
- Mbola maizina ny tanana sasany satria tsy mbola mandeha araka ny tokony ho izy ny Jirama!
Tsy misy fandraiam-pahalema mihitsy ny firenena, tsy hita marina hoe inona ny ataon"ny fanjakana.
Tokony hovana haingana io governementa, tsy mahavita zavatra.
9. sitlo ( 14/05/2007 19:35)
pissoa> tamin'izay resaka tsy misy dikany fa sipa tamin'izay.

zandikely> Tsy mitombona izany amiko. Zavatra tam 2000 izany mbola Ratsiraka sy ny antokony mihitsy no teo. Na ovainao ny an'itsy sy iaroa aza ny praiminisitra, ny banky mondial no miteny hoe izahay hamatsy vola hanampiana ny Jirama na tsia.:wink:
10. maditra ( 14/05/2007 22:25)
Aleo ihany isika tsy hitsara raha tsy mahafantatra sady aza generalise-na koa hoe: Sud-Est dia izao na ny avy any Avaratra dia izao! Samy manana ny adalany doly ny tany rehetra na atsimo na avaratra na andrefana na antsinana na anelanelanelan-tany.
Aoka samy hitandrina amin'ny zavatra teneniny!
Niezaka niantso namako tany fianarantsoa zah fa ratsy be ny communication-nay dia tsy nisy zavatra azo niresahana mihitsy!
Fa mahagaga ahy ihany raha toa ka olona vitsivitsy no nanao ny tsy mety nefa ny mpianatra rehetra boaka avaratra atao haza lambo doly!
11. sympa ( 14/05/2007 23:50)
8O8O8O8O hue...... de ô raikitra njay ve zany ity resaka ady f.... ity kle 8O
12. jefra ( 15/05/2007 09:28)
15/05: (tohin'ilay ery ambony)

13. Fiffi ( 15/05/2007 10:40)
jefra: misaotra nizara....:)
enganié ka mba hilamina am-zay zao zavatra rehetra zao...:(
14. lila ( 11/06/2007 10:10)
tsy haiko nareo na efa mba naheno hoe nisy taompianarana 1 nizotra aradalana ny tany andrainjato? misy greve any ankatso na any am université hafa fa miravona vetivety fa ny ao fianar de misy zavatra grave foana!
jefra: misaotra nilaza vaovao mivantana fa ny gazety efa tsy atokisana intsony.
15. Jeankely ( 15/06/2007 08:19)
Zava-doza ny mifamono ary tsy misy mahazo tombony amin'izany. Ny ady dia mety hitranga foana na samy avy andrefa na samy avy antsinana ary tsy tokony hitarina be. Ny angaredona na adimboritsiloza dia tsy mendrika ary tsy mbola nisy nanaiky izany ho mety ny Malagasy. Ratsy ny mifamono koa amiko tsy adala ny olondehibe manaiky ny hanome Omby amin'izany satria mihitatra hatrany ary tsy voavahy raha tsy mitandrina. Ny loza koa anefa dia ny fisian'ny ady tafiditra resaka "Politika" amin'ny farany satria efa resaka faritra. Na faritra aiza na faritra aiza dia samy manana ny hajany koa tsy misy afatsy ny fampihavanana ihany. Ny filazana ny atsy na ny aroa ho diso dia tsy mety amin'ny fotoana mbola maha-tezitra ny mpifanadrana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.711