omeo torohevitra o! te hiova specialités malagasy

1. xxx ( 13/05/2007 12:23)
mba mangataka torohevitra,e! mba te hanao restaurant za ka mety mande ve reto ny specialitétsika gasy, izany hoe hanao sakafo gasy mihitsy hitako ireny restaurant gasy any paris sns ireny fa fantatro fa tsara toerana ry zareo kanefa ny ahy somary 10km ny ville ihany ka io no hanontaniako anareo hoe mety mande ihany ve sa ahona
novalian'i xxx ny 22/06/2007 11:36
2. fasaly ( 13/05/2007 12:34)
tsy misy mangidy tsy handramana hono....
jereo alou ny toerana raha manitona olona
raha facile ny accées, :-P
3. Fiffi ( 13/05/2007 17:59)
hummm.....tena zavatra mba niriko io hatram-zay.....
4. Vargas ( 13/05/2007 19:10)
Ianao kosa sady tsy mba niditra ho mpinamana ato @serasera nefa dia miangavy toro-hevitra.
Ny resaka hotely indray,naiza naiza mandeha foana io .Ianao koa kay mikasa hanao an'io ?Mandeha io .
Fa ny haingon'ny trano no mila hatao misongadina mamoaka ny nofinofy hoe Madagasikara ekzotika.Ny olona mantsy ny kojakoja no tena ohatran'ny hoe tena ho hanininy.Indrindra ny vazaha.
Mahereza fa tsimintsy mahomby ny hevitrao.
Ny aty koa mikasa ny hanao an'io ka tena mety hahasoa raha miresaka eto hoe ahoana,inona avy ny hevitra sy tetika,ary zavatra tena mampisongadina ny gasy .Isika gasy ihany no mahafantatra hoe inona avy izany .Hiadivan-kevitra ,dia hinoako fa ahitana valiny tsara.
Ny olana @tsika gasy mantsy dia matetika hafangaron'ny vahiny @kiriola na sinoa.Tsy lavina fa misy zavatra vitsivitsy hitovizana nefa tokony hezahina ho lazaina fa misy misongadina kely.
Ny loza dia na ireo manana fahefana toa ny mpanao gazety sy mpanoratra oky aza dia mandika fahotany ny lalan-kita kisoan'ny vazaha.
5. Fiffi ( 13/05/2007 20:09)
Vargas:
Ianao kosa sady tsy mba niditra ho mpinamana ato @serasera nefa dia miangavy toro-hevitra.
Vargas: heu.....mpikambana na mpinamana ato am sera2 i xxx kah ! :) heu...fa afaka miditra xxx tsy mitonina ps izy...de enao koh ! de zah koh ! fa.....indraindray mahagaga le fomba fampiasain'olona an'le xxx......bref...


6. Rafotsy ( 18/05/2007 06:54)
Mety mandeha tsara mihitsy ! Tsisy dikany anie izany 10 km izany aty é !
7. tisera ( 10/06/2007 09:32)
tena hevitra tsara io raha matotra tsara ny zava-drehetra : fa fanontaniana adaladala ny ahy : inona ny statut-n'ireny manao resto ireny : manao sarl ve izany dia gérants-n'ilay restao sa ahoana , dia ny salle ilay resto izany ny sarl no manofa na mividy ilay izy ?
fa marina tokoa ny filazan'i vargas @ ilay hoe ny haingo sy ny fanaka atao vita malagasy : nisy resto izay any ambositra fa mahafinaritra be ny ao anatiny : latabatra sy seza vita sikotra tsara tarehy na marquetterie , ny vilia sy ny sotro taolana ets.... fa ambonin'izany dia matsiro tsara ny sakafo : tsotsotra tsy be filirony nefa miam miam be!
fa ny ahy indray r'ireto dia ilay sahala @ ataon'i nirina rabearivelo no mba tiako hatao ;na izany aza tsy hoe hangala-tahaka be fahatany akory an! ny ahy mantsy izany atao vadin'asa é! ka tsindraikindraiky rehefa mba iangavian'ny olona vao mba manao : koa raha manao toa an'io koa ve dia tsy maintsy manao ny démarche administrative rehetra any @ urssaf sy ny sisa sa mba afaka atao @ sisiny (mba tsy hilazako hoe au noir)
ity ny tranokalan'i nirina ho an'izay te-hitsidika www.lacuisinedenirina.fr fa misy interview-ny koa eto:http://www.sobika.com/v2/interview/2007/la-cuisine-de-nirina.php
dia misokatra ny adi-hevitra sady miandry ny toro-hevitra é!
8. Bita ( 21/06/2007 17:46)
Andramo fa rehefa nitsangana ianao dia ataovy fotsiny izay ahazatra ny olona tsikelikely fa ny impotant dia ny hilazan'ny client hoe ato no tsara ny sakafo ny deco azonao hovana tsikelikely koa fa ny vahiny tia zavatra vaovao foana. Misy resto gasy atao hoe Papay koa any Bordeaux ary any Allemagne misy atao hoe Karaoke (sady mampanao karaoke en meme temps izy) Dikan'izany lance ianao raha atombokao io. Mazotoa dia mahavita be.....
9. bidagda ( 22/06/2007 11:27)
tisera!tsy maintsy manao ny démarche admn ianao ary tsy ho voatery sarl, ny 1er to chambre de commerce izy izay, na chambre de métiers, après ny déclarat° @ urssaf sy ny caisse retraite fa to tsy maintsy mandalo tribunal de commerce , any @ chambre de commerce mihitsy maka renseignements fa misy le bureau hoe vao hanokatra commerce izy izay,dia mba zarao ny valiny!
10. xxx ( 22/06/2007 11:36)
merci t@ le Nirina e! mahafinaritra, ny ahy de za mba nanandrana nanisy an'io terme bio io fa tonga de nataon'ny controleur mamay, nandeha nangataka tany @ maison d'agriculture fa tsy nety nanome ry zareo le terme io nangatahiko io mais bon, mba hoe hanitomana client sady produits bio mihitsy no ampiasaiko fa tsy mety ry zareo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4729