Ilaina ny mitady 19 ho an'ny Mpianatra

1. Jeankely ( 13/05/2007 05:26)
Nandritra ny andro naha-mpianatra ahy miteny dia izay mamaly fanontanian'ny mpampianatra na mazoto miakatra tableau sy manao fanazavana dia mpitady 19 ary tia ho deraina no filaza azy. Ny mampalahelo anefa dia rehefa tsy miteny ianao dia sahala ny tsy mahay ary raha lazainao amin'ireo sahy miteny ny valiny ao antsainao dia izy no mahazo ny valisoa. Raha mahita ny ataon'ny Mpianatra amin'ny tany alehako aho dia tena samy mitady izany 19 na 20 izany daholo ary mifaninana ahazo izany. Ka tsara hovaina ny fomba fijery fa tsy misy maharatsy ny tia ho deraina na mitady 19 fa izay no ahitana izay mahazo ny 20. Miandry Zero ratsy mahazo 19,5 sy 20 tsara. Mba jejojejo ry tanora Malagasy e.
novalian'i Jeankely ny 16/05/2007 03:57
2. Jeankely ( 14/05/2007 09:53)
Ilay 19/20 ho an'ny Mpianatra mahay no resahiko fa tsy ilay 19 amin'ny fiheveran'ny Malagasy hoe tia ho deraina nefa motraka.
3. Fiffi ( 14/05/2007 10:23)
le maka 19 zany !
4. Jeankely ( 14/05/2007 11:08)
Maka 19 ary tena mianatra fa tsy hoe 19 fahatany. 19/20 midika fa mahay ary tsy manome an'io fahatany ny Mpitsara na mpampianatra. Ireo izay mahalala ny asam-panjakana dia mahafantatra tsara fa mila mahazo 19 any amin'ny BIN ary mampihomehy fa mahazo 19 betsaka asa midika koa izay fa Performant ny Mpiasa-mpanjakana Malagasy. Ny sehatra rehetra ilaina ary tsara raha samy mahazo 19 na 20 mihintsy aza. Hazakazaka ity kano=))
5. bozyboleta ( 14/05/2007 13:39)
Tena ilaina ianaran'ny Malagasy maro, tsy ny mpianatra ihany, tokoa io fomba iray io. Ny modeste be loatra de tsy nampivoatra antsika ary nisongonan'ny hafa antsika raha tsy hilaza afa-tsy ny maorisiana.
Mila fahasahiana ary mila aseho ny fahaizana. Tokony esorina ao an-tsaina mitsy ny fiheverana hoe miseho milay na mila 19... raha mampiseho ny fahaizana. Tsy misy mahita ze afenina any ary tsy ho fantatry ny olona mitsy ny capacité-nao raha tsy porofoinao.

Ny Malagasy n'aiza n'aiza de malaza mahay, saingy tsy be teny fa misitrisitrika de tsy hitan'ny olona loatra. Mampalahelo fa ho an'ny vahiny io toetran'ny gasy tsy be teny io de raisiny ho hakanosana. De zay no mahatonga an'le hoe na mitovy fahaizana @ hafa firenena aza, na koa mbola mahay noho ny hafa ny gasy, de tsy omeny toerana ambony satria heveriny fa tsy de-mahatapaka hevitra.
6. Jeankely ( 16/05/2007 03:57)
Izay indrindra ry "bozyboleta" ah. Rehefa manao CV ianao dia midoka tena ary mampiseho fa ireto avy ny fahaizanao. Sahala izay rehefa manao interview, na mahay be sahala ny inona aza dia izay be resaka sy be-styles aminy lafiny rehetra no lany. Koa raha mahay ihany aza matahotra ny hampiseho ny maha izy anao fa asehoy ary tsy mitady dera izany ianao fa mendrika ny ho deraina. Hita foana ny tena izy sy ny dedaka fa tsy adala ny olona.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.084