Tsy PMA intsony ve raha hovaina ny Mpitondra?
1. Jeankely
(
13/05/2007 05:15)
Hazakazaky ny mpitondra mifandimby no mahalasa ny firenena. Ka raha ataontsiaka hoe soloiana izao tokoa ireo Mpitondra ireo tena mety hisy ahavita ny firenena tsy ho PMA ao anatin'ny dimy taona tokoa ve? sa mba famendrefondreoana ny olona no amerimberenana io PMA lava io? Fifaninanana ara-toekarena iraisam-pirenena io ka rehefa tsy mandeha mafy ny Mpitondra eo aloha na hamovokovoka aza sempotra ny mpitondra manaraka. Izay no mahatonga hoe samy mandeha mafy ary manolotra ny "Baton" indray andehanan'ny manaraka mafy. Ny sasany moa dia ny hamigana no fatany ahasoa io Madagasikara io.
répondu par Jeankely le 23/05/2007 06:03
2. Jeankely
(
13/05/2007 07:21)
Izay Mpitondra manaraka eo ve afaka hiala amin'ny fiarahana amin'ny "Banque Mondiale", "OMC", "SADC" sns sa resaka fotsiny no atao e. Iza no tsy sahirana eo raha handray io fitondrana io. Ny toerana misy sarotra noho izany tsy ny saritaka mihintsy no hampandroso. Mba hazavaina tsara ny olona fa tsy izay mankararirary ny fo sy fanahy fotsiny akory no izy. Probleme-ny JIRAMA dia manahirana ary na Olona avy any andanitra aza tsy mavaha haingana ny Raharaha Malagasy raha tsy ny rehetra mihintsy no miforitra sy miaritra ary mahita ny maharary. Mba lazao ihany ny lalana haingana fa aza mampifendrofendro fotsiny e. Manaraka izahay raha misy lalana mora sy haingana any e.
3. bazylou
(
13/05/2007 11:00)
ny lalana haingana sy mazava dia efa misya ry feno fa le prezdanareo sy ianareo mianakavy no marivo sanosana minia ny tsy mijery. Dia reveo ao fa ianao no nifidy azy e:: aza mimenomenona raha pma , sy mpitrosa ary pays des moramora fa izay no mba takatryny prezdanao!!
4. Jeankely
(
14/05/2007 02:05)
Izaho moa efa nilaza tsy hifamaly aminao Ry "PRIX NOBEL-Bazylou" saingy aty amin'ny dinika nosokafo ianao mbola misolantsolana ka dia manohy aho ary ny hiditra any amin'ny dinika sokafanao kosa dia tsy ataoko intsony satria tsy misy tohatra sady mivadika aty amiko indray ny tenin'ny olona hoe manaraka ny atanao aho ka manaja azy ireo aho. Ny resaka PMA dia hatr'izay io ary tsy tafala ao raha tsy miasa izay lazainao hoe MIASA ARY MIASA MAFY. Asa tsy fantatr'ity "Prix Nobel" hafahafa ity fa tamin'oviana no nanomboka tafiditra tamin'izany "Ajustement Structurel" izany ny Malagasy? Asa adala sy ketrina daholo ny rehetra tsy mitovy amin'ity "PRIX NOBEL-Bazylou" ka tsy ahalala fa ny zavatra mandeha ara-dalana tsy ilaina "AJUSTER-na". Sahala ny lohanao dia mila "Ajuster"-na amin'ny "Marteau" sy Fandraka satria mivilana sy hafahafa. Ny olona rehetra mizaha ary milaza hoe tsy mbola nisy Malagasy nahazo "Prix Nobel" saingy ianao milaza fa ianao no mahay ary mendrika izany. Rehefa miresaka izahay dia miresaka ny zava-misy fa tsy ny rediredy. Efa miteny aho arosoy ny hevitrao fa manaraka ny tsara ny Malagasy fa tsy adala akory izahay ka hisafidy ny ratsy. Saingy zavatra tsy misy no lazainao ka aleo izahay iaina sy hitady izay mahasoa anay. Tsy ny volabenao kosa angamba no hangatahan'ny Malagasy hanaovana lalana sy fotondrafitr'asa isan-karazany. Ny fahafahana miteny moa midika ho fahafahana miteniteny foana ka anao sy ny "Prix Nobel"-nao izay.
5. lamie
(
16/05/2007 06:12)
tena manahirana ny hevitry ny hafa izay tsy mahalala ty "pma" ty,zao ry zalahy a:io dia efa ela no nametrahan'ny banque mondiale sy fmi io programa io,ary ny "eny" t@ fifidianana teo dia nandresy tokoa,tsy niova izany ny tohin'ny programa, anisany ny fanamboarana ny hotely 5 etoiles anaovana polémique be eto ,raha ho an'i ra8 moa izany arakany sasany,tsy tsara ve izany?fampandrosoana izany na @ sehatry ny asa na ny tourisme,fa saingy efa ela no elaboré izany dia tezitra ny hafa fa mahomby ny "pma".mahita làlana isika dia sorena ry zalahy tsy maty voalavo ankibo.
6. Jeankely
(
16/05/2007 06:48)
Ny laharana maha-PMA ataoko fa tsy misy firenena iray amin'ireo 50 ao anatiny ao tsy mieritreitra ny hiala ao ary mba hiakarana. Ka na miakatra eo koa aza mbola tsy hoe lasa alavitra. Ny resaka firenena anie dia sarotra e. Fa ny resaka hoe anao dingandava aloha dia tsy tafavoaka satria ny mpamingana sy mpamedrofendro no betsaka ary misy aza Malagasy izao no manao izay tsy ahavitan'ny sasany asa. Marina kosa ny madeha haingana raha hanao sy ny tenanao vokatry ny asanao ary voaporofo izany. Ny sain'ny olona rehefa samy anenjika tanjona iray lasa io. Raha ny horakoraka no tsy hiasana vao mainka koa loza.
8. Jeankely
(
23/05/2007 06:03)
Tsy misy fahadisoana izany fa anisany nahavoa ny Malagasy mihintsy io mifampitsongoloka amin'ny hoe:"tsy ampy s , tsy ampy e nef tenin'olona. Variana mifampitsongoloka ka samy tsy lasa alavitra fa hiomehezan'ny firenena hafa. Politika taranainy io, rehefa mahay miteny franrsay dia mahatafita an'i Madagasikara sahala izao ka izay no hitsongolohana hoe itsy tsy mahay miteny frantsay.
