efa 3 volana aloha

1. bazylou ( 11/05/2007 07:46)
ny hanaovana ny JOI hono vao manamboatra kianja ry lerony!!! tandrametaka and co indray io.

"""Toeram-pifaninanana
Mizara ho sokajin'asa 44 ny fanamboarana


Atomboka amin'iny herinandro ambony iny ny fanamboarana ireo kianja handraisana ny lalaon'ny Nosy, izay hatao amin'ny 9 - 19 aogositra ho avy izao.
Nozaraina ho sokajy 44 ireo toerana sy drafitrasa asiam-panamboarana amin'izany. Isan'ireo tafiditra amin'ity fanamboarana ity ny fanajariana ny manodidina ny dobo filomanosana etsy amin'ny ANS Ampefiloha, ny kianja ilalaovana kanetibe eny Ankatso, ny kianja mitafon'ny Cheminots etsy Antanimena, ny kianjan'Alarobia sy ireo hafa.
Tsy mbola voasahana amin'ity fanamboarana ity kosa ny mikasika ny toeram-pihazakazahana ho an'ny atletisma eny Alarobia. Ezahana kosa ny hahavitana ny "gradin" eny amin'ny dobo ANS ao anatin'ny roa volana farafahelany, araka ny nambaran'ireo tompon'andraikitra.
"Tsy maintsy henjehina mialoha ny 25 mey ho avy izao ny fahavitan'ny dobo filomanosan'ny ANS Ampefiloha mba hanantanterahana ny fiadiana ny ho tompondakan'i Madagasikara ho an'ny dobo mirefy 50 m. Raha tsy misy ny fiovana dia amin'ny 20 mey ho avy izao no handraisana izany amin'ny ara-teknika", hoy i Ndriana, tomponandraikitra ao amin'ny fotodrafitrasa ao amin'ny Coji.
"Orinasa maro no nanolotra ny vinavinan'asany sy ny teti-bidin'izany ho amin'ireo fanamboarana ireo. Eo am-pamaramparanana izany ny ao amin'ny sampana misahana ny fotodrafitrasa. Hivoaka tsy ho ela noho izany ny anaran'ireo orinasa sy ny asa hataony ary ny faharetany", hoy ihany ity tomponandraikitra ity.

Roméo Andriamihaja""""

novalian'i boulki ny 09/10/2007 01:36
2. boulki ( 09/10/2007 01:36)
Misaotra fa toa nandeha tsara aradalana ihany ny JIOI fa tsy haiko na tandrametaka aloha ilay izy na vota tsara fa tsy nahita ny tenanay :lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.313