Mba jereo ary ampitahao izany hoe "Debate Politics Online"

1. Jeankely ( 10/05/2007 06:03)
Matoa mivoaka sy mianatra andafy dia miezaka ny hivoatra ary mampita ihany koa ny fomba fisainana mivoatra sy mahay manadihady. Mba hanitarana ny saintsiaka tanora dia mba ampitahao amin'ny hita amin'ireto ny ahavon'ny resa-tsiaka eto amin'ny Serasera Politika ity: "www.defendingthetruth.com" sy "Expertiseforums.com". Afaka mianatra sy manovo fahalala ary manitatra tokoa amin'ny alalan'ny forum saingy misy mampiasa forum amin'ny fanadotoana saina ny sasany.
novalian'i Jeankely ny 11/05/2007 09:06
2. zandrypte ( 10/05/2007 12:34)
raha ny hevitra hitako tato-ato eto amin'ity forum ity aloha dia ohatran'ny be tsy andraofana mihintsy.ohatrany lozanareo mifanasa vangy fotsiny tsisy maha forum politique azy mihintsy otrany mitady ahamenatra
3. Jeankely ( 11/05/2007 02:47)
Ka efa hita fa samy mahatsapa fa tsy misy izany forum Politika izany eto fa fanasana lohan'olona fotsiny. Raha ny marina ny mpandrindra no mijery sy manaraka ny resaka na misy fifandraisany amin'ny loha-hevitra na tsia. Vao nahita ity "Serasera" ity aho dia nijabaka nanoratra resaka misy hifandraisany amin'ny politika tany amin'ny sehatra hafa ary nisy nilaza hoe tokony afindra ity ka tsy nanohy namaly intsony aho. Eto kosa misy resaka tsy mifandray amin'ny politika nefa tsy misy manintsy ka rehefa samy dondrona dia azo atao ahoana fa taratry ny fahantrana ara-tsaina resahany isan'andro amin'ny Malagasy io ary entiny hatraty ivelany. Samy aty ivelany ary samy vendrana fa izaho kosa milaza fa mahay noho izaho ary hajaiko ny any amin'ny TANINDRAZAKO dia i MADAGASIKARA.
4. zandrypte ( 11/05/2007 09:04)
hatsipy ny tady eny an-tandrokiny omby ary atsipy ny teny any am-pony ny mahalala.Aza kivy Mr Jeankely
5. Jeankely ( 11/05/2007 09:06)
Tsy miala ho aho Rasta e=))
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2294