Tokony hanao "Politika" ve ny mpiasam-panjakana?

1. Jeankely ( 10/05/2007 03:23)
Anisany tena olana amin'ny asam-panjakana ny resaka "Politika". Ny Mpiasam-panjakana dia anisany mandray anjara ary nandray anjara lehibe tokoa amin'ny fihetsiketsehana "Politika" isan-karazany. Demokrasia io hoy isiaka ary samy manao izay ahafahany maneho ny hanasoavana ny firenena. Ny loza anefa dia ity. Samy manana ny firehany ny Mpiasam-panjakana ary ny "Antoko Politika" misy azy no hitompoany. Ao moa ny miandry hoe rehefa azonay io fitodrana io dia sahala izao no anaovanay azy. Ny FANJAKANA manana ny "TANJONY" sy ny "FOMBA AMITANY IZANY TANJONA IZANY" dia loza fa indrainday mifanohitra amin'ny firehana Politikan'ny sasany ka tsy hanao ny asam-Panjakana araka ny hevitr'io Fanjakana misy io izy. Raha mpiasa amin'ny sehatra tsy miankina ianao manao zavatra hafa mifanohitra ny asa ataon'ny tompon'ny Orin'asa dia tsy misy atak'andro fa voaraoka. Amin'ny asam-panjakana kosa malalaka, afaka manao PILITIKY ary afaka manohitra ny Fanjakana. Demokrasia io hoy isiaka. Inona no maha-samihafa ny Miaramila sy ny Mpiasam-panjakana? Ary iza no mampiasa azy ny Antokony sa ny Fanjakana?
répondu par Jeankely le 11/05/2007 03:12
2. kally ( 10/05/2007 07:57)
Amin'ny maha-olom-pirenena ny Mpiasa tsirairay angamba dia tokony hanana ny safidy pôlitikany ny tsirairay,mifandray mivantana amin'ny fiainany koa ange ny pôlitika e!
Ireo olona ao @ Tafika sy ny pôlisy kosa angamba na afaka manao ambadika aza, tsy tokony haneho mibaribary ny firehana pôlitika misy azy, noho izy natao "hiaro" ny vahoaka tsirairay tsy an-kanavaka.
Iza no mampiasa ny Miaraila sy ny Mpiasam-panjakana moa fa tsy ny vahoaka, ny volam-bahoaka no andoavana ny karamany, ny karazana hetra rehetra nalohanao Tva, douanes ets no nanakaramana azy k'no nahoana no tsy hiasa ho an'ny vahoaka?
3. Jeankely ( 10/05/2007 08:14)
Ka izay indrindra no tiako lazaina hoe na afaka manao Politika noho ny fahalalahana aza ve izireo rariny raha manao asa tsy mifanaraka amin'ny mahasoa ny vahoaka?
4. bazylou ( 10/05/2007 11:15)
:-D:-PTokony hanao pataloha ve rajeankely ??:-D
5. Jeankely ( 10/05/2007 11:22)
=))Izaho leitia ry Mpamosavy efa ela no tsy nipataloha a. Fa ialahy no tonga andafy vao midegany.=))
6. pissoa ( 10/05/2007 12:30)
Izaho tsy mahita olana amin'ny hanaovan'ny olona politika na iza izy na iza. Ny politika ataony fotsiny no mety tsy tiko avy eo (otran'ny politikan'i Ravalo :b )

Eritrereto ange e !
Tsy tian'ny olona ny mpivavaka manao politika fa manafangaro ny raharaham-pirenena amin'ny raharaham-piangonana hono.
Tsy tian'ny olona ny mpandraharaha tsy miankina hanao politika fa heveriny ho antrepriziny hono ny firenena.
Tsy tian'ny olona ny olona tsy be "mahay" manao politika amin'ny fombany sy ny firesany.
Dia tsy ho tina koa ny mpiasam-panjakana hanao politika.
...

Dia firy isan-jaton'ny zaza ampy taona ireo ? Ny zaza tsy ampy taona mantsy ... tsy mahazo mifidy akory :-D:-D:-D
7. kally ( 10/05/2007 14:31)
pissoa:

Eritrereto ange e !
...
Dia tsy ho tina koa ny mpiasam-panjakana hanao politika.
...

Dia firy isan-jaton'ny zaza ampy taona ireo ? Ny zaza tsy ampy taona mantsy ... tsy mahazo mifidy akory :-D:-D:-D


Tsy resaka fitiavana na tsy fitiavana ange ilay izy ry Pissoa fa resaka "déontologie".
8. lapino ( 10/05/2007 15:45)
Ohatra ny maha te hanontany zany le izy hoe inona no tena dikan'ilay "politika" na "manao politika". Fa raha ilay politika heveriko fa itovizan'ny heverintsika, dia mahazo manao politika daholo ny rehetra. Saingy ny asam-panjakana no tsy tokony hafangaro politika. De tsy azo raisina an-tendrony koa anefa izay. :roll:

pissoa:
Ny politika ataony fotsiny no mety tsy tiko avy eo
tiko sa tim e? :)
9. fijo ( 10/05/2007 22:00)
hafaka manao politika izy,saingy azy irery any ambadika any izay.
10. Jeankely ( 11/05/2007 03:12)
Mety tsy mazava angamba ny resako voalohany. Ny tiako lazaina na antoko politikan'ny fanjakana mitondra io na hafa ary tsy misy fifandraisany amin'ny fahafahana mifidy mihintsy izany nefa misy miresaka hoe ny zaza ve no hifidy sisa. Raha miaina any amin'ny asam-pajakana ianao na tamin'ny andron'ny Repoblika voalohany na faharoa ka hatramin'izao dia saika taritina ho mpikambana politika ny Mpiasam-panjakana. Rehefa tonga ny andron'ny fifidianana dia tsy hita ao ampiasana ny mpiasa fa "Praopagandy" hono e. Dia milaza zava-misy koa aho fa samy manana izay tohanany satria "DEMOKRASIA" io hoy isiaka. Rehefa mangotraka ny "Propagandy" dia hita fa tsy mankasitraka ny fitondrana ny sasany ary mihevitra fa ny azy no ho lany. Ny loza kosa anefa rehefa tsy lany ny azy dia miverina mitomany ho "Directeur General", "Directeur" ho an'ilay tsy ankasitrahany indray izy. Koa hanaraka sy hanatontosa ny asa ataon'ny olona tsy ankasitrahany ve izy sa mba tia hitana ny "Postes"-ny?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0771