Hambarao ny "Opportunity Cost" ny fandrodanana fitondrana
1. Jeankely
(
09/05/2007 05:29)
Ny zavatra atao rehetra dia misy "Opportunity Cost". Raha mianatra ny mpianatra dia tsy afaka mijery fampisehoana, tsy afaka mampiaraka, tsy afaka mamonjy fivorian'ny fikambanana samihafa ary tsy afa-manao zavatra maro. Izay no "Opportunity Cost"-ny mianatra ka anjaranao ny manapakevitra na hianatra na hanao izay hafa. Manazava ny problema sy fahantran'ny Malagasy ianareo amin'ny Politika raisin'ny mpitondra ka mba omeo sy hazavao hoe inona no ho raisina na hatao. Raha ny azerao fotsiny nefa tsy misy azo raisina tsy azo amin'izany ny "POKONA" fa efa leom-boanana omaly. Raha tanisan'i Bazylou fa kely karama ny vadinao dia hanambady anao ve Bazylou sa hanao kilalao anao? Faly fotsiny i Bazylou milaza fa mahantra ny Malagasy, kely karama, mpangataka sy ny ratsy rehetra. Opa, famiravirana, fanesoana izany rehetra izany satria tsy misy vahaolana ho antsiaka.
novalian'i Jeankely ny 10/05/2007 03:03
2. lamie
(
09/05/2007 14:39)
eny e!fa aza dia miditra loatra @ jeu-n'i bazylou ise ry jeankely a!nedala lahy efa tsy malagasy intsony,ary rehefa manaratsy sy mamingavinga ny malagasy indrindra ny Tanindrazatsika izy dia azy sy Andriamanitra izany,aza lotika akory ise fa hiomehezo fotsiny dia @ hafa midinika, maro be ireo namana eto,mazotoa r'ise a!:-*:-*:-*:-*
4. Jeankely
(
10/05/2007 03:03)
Izaho tsy mandraraha azy ary tsy maniry azy hitia an'i Madagasikara haratsiany lava saingy ny tanora taitaitra sy mandray antendreno mety ho azony. Aiza ve ka hisy olona faly amin'ny fandroahan'ny sasany foko hafa nefa izy tsy vazaha ary mipetraka andafy. Matahotra mafy hoe ahoana ity fitondran'ny Vazaha vaovao ity sao mandroaka vahiny. Kay mahatsapa vahiny izy amin'ny misy azy. Tsy misy miaro fitondrana be fahatany izany saingy ilaina fantarina hoe raha miala etsy dia mankaiza fa tsy hoe andeha any amin'ny tsy fantatra akory. Izay no mahatonga ahy miandry azy hanazava ny "Opportunity Cost" raha tena niantra izany "Economics" izany izy na mitenteny foana. Tsy izao olona manasa vilia amin'ny resto sy mpivaro-bonikazo any andafy rehetra izao akory no andrabiraby rehefa manambolabe. Manambola be noho ny Directeur ny "MAKORELY" ka andrabiraby sy hilaza hoe indray alina dia mahazo karama betsaka noho ny vadi-tena aho ry Vendrana manambady lehilahy Malagasy mahantra a.
