ny lanitra mangamanga

1. ramim ( 08/05/2007 09:58)
omena tononkira "ny lanitra mangamanga" an'i Randafison
novalian'i xxx ny 10/05/2007 14:28
2. Bita ( 10/05/2007 14:11)
Ny lanitra mangamang'e
Saronan'itony rahona
.............
Ka iza no tsy ho any ry anona

Ny adiady natao fahiny e
Aza mba atao intsony hoa
Ravin-kazo nanintsana e
Ny sisa no ampaniriana ry anona

Na izaho na ianao e
..... fa mpihaviny hoa
......................
Ka aoka mba hifamela ry anona

Tena tokony ho haiko tsatra izy io fa saingy hadinoko tampoka fa @ manaraka. :oops:
3. xxx ( 10/05/2007 14:28)
(nalaina tao @ tonon-kira serasera)

Ny lanitra mangamanga o o
Saronan'itony rahona o o
Andeha re mba ho any e e
Fa any no fitoeran' ny hasambarana

Fa na izaho na ianao mandalo fa mpivahiny
Tsy misy honina eto
Ka aoka mba hifamela ry Anona

Ny adiady fahiny, aza mba atao lonjony
Ny ravin-kazo nanintsana
Ny sisa no ampaniriana ry Anona

Raha sendra ka velon-tsento, namoy izany havan-tiana
Tombon-dalana re ny azy
Isika aza mbola ho any ry Anona

Raha mila ka tsy ho zaka ny fahoriana mihatra
Ankino amin'ny Zanahary
Fa izy no fiononana ry Anona

Ny lanitra mangamanga fodian'ny olo-marina
Fitoeran' ny hasambarana
Tsy misy ny fisentoan'ny eto an-tany

Raha mikitroka izany lalana, takon-drahona re ny volana
Aza manary toky
Mbola ho avy ilay mazava ry Anona
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0789