omeko anao

1. anjac ( 08/05/2007 05:32)
mba misy afaka manome ilay tonokiran'i Alain sy malala "omeko anao " iny ve?
2. hery ( 08/05/2007 09:05)
waooww...

merci anjac fa zay vao tadidiko hoe Alain sy Malala no mihira an'iny.

Ilay misy hoe

"Izay sitrakaaaaaoooo de manjary tiako koa..."
3. rinja ( 08/05/2007 10:07)
anjac:

mba misy afaka manome ilay tonokiran'i Alain sy malala "omeko anao " iny ve?

Salut, Anjac.
Manana aho fa any amin'ny cahier de chant-ko any. Vao karohina ilay izy fa tsara tahiry satria t@ izaho classe de 2nde raha tsy diso aho no nahalalako io hira aio. Tena tiako be saingy tsy nisy nihira azy io intsony taty aoriana. raha tianao ho azo izy io dia manorata amin'ny creactana@wanadoo.mg fa io no adiresiko any ampiasana. Any aho afaka mandika azy milamina fa voafetra eto amin'ny serasera. De aza misalasala e !
Rinja tsy mananihany tsy akory fa tena resaka marina io.

4. tslem ( 08/05/2007 11:01)
ôtra ôtr'izao no mba tadidiko fa amboarimboary eo e, mety hivadika ambony ambany mantsy d mety mbola tsy ampy koa :wink:

Omeko anao ts'isy fetra ny fitiavako rehetra
ny masonao, ny tsikinao nambabo ahy tokoa
raiso re raha sitrakao fa tsy hanenenanao
raiso fa ho anao irery izaho

Omeko anao ny tanako hitantana ny dianao
hioty voninkazo sy hanafosafo indray
fa omeko anao irery koa ny fiainako tontolo
raiso fa ho anao irery izany

'Zay sitrakao, dia manjary tiako koa
satria ianao, no andry iankinan'ny foko
izay maminao;manjary mamiko ihany koa
omeko anao, omeko anao, ny fiainako.
5. veromahefa ( 12/05/2007 15:24)
Hira efa ela tokoa, tamin'ny 1992, mbola kelikely za tamin'izany. Ka izao no fitadidiako azy.Mazotoa e !

1.Omeko anao tsisy fetra ny fitiavako rehetra
Satria ianao no nahay nanintona ny foko
Raiso re raha sitrakao, fa tsy hanenenao
Raiso fa ho anao irery izany

2.Omeko anao avokoa izay mety ho fanirian'ny fo
Ny masonao, ny tsikinao, nambabo ahy tokoa
Raiso re raha sitrakao, fa tsy hanenenanao
Raiso fa ho anao irery izany

Fiv :Izay sitrakao, dia manjary tiako koa
Satria ianao no andry iankinan'ny foko
Izay maminao, manjary mamiko ihany koa
Omeko anao (omeko anao), omeko anao ny fiainako

3.lahy sy vavy :
Omeko anao ny tanako hitantana ny dianao
Hioty voninkazo sy hanafosafo indray
Omeko anao ny fitiavana sy izay rehetra irinao
Raiso fa anao irery izany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0646