fa nahoana

1. bazylou ( 07/05/2007 21:46)
no foana tsy misy intsony ireny bd gasy taloha ireny ??? ary maninona no vitsy ny gasy mamaky boky sy ny boky atonta isan-taona??
novalian'i Jeankely ny 11/05/2007 09:51
2. ikaretsaka ( 08/05/2007 00:30)
1)satria lafo sy tsy nisy ny taratasy, encre, sns tamin'ireny fotoana ireny (jereo fotsiny ny qualite an'ny taratasina cahier sy ny stylo nisy raha mbola nianatra ianao t@ ireny fotoana ireny fa tena tsy namely mihitsy ) .. dia nisy fotoana nanjakan' ny mpivarotra boky tonta teny ambohijatovo sy ny teny @ tohatohabaton'Ambondrona ireny bizna ireny t@ izany, satria atakalo teny ny boky tonta avy novakiana dia manindry kely fotsiny dia mahazo hafa indray, dia tsy tena miditra any @ ilay mpamorona sy mpanonta ny vola fa lasa biznesin'ilay mpivaro boky nohon'ny "fitiavany kely". dia tsy nahazo sosy izy dia leo dia tsy nanao tsony dia veloma hatreo ilay movement BD gasy!

2) nanomboka nalaza ny video teny antsisiny sy ny elakelatrano rehetra teny tamin'ireny fotoana ireny, dia lasa variana any ny ankizy fa tsy nijery BD intsony. komando sy karate sy horera no film be mpijery t@ ireny
Dia mba te hanara damaody ny mpamorona dia natao komando sy karate koa ny zavatra haseho , dia misy BD tsy hay intsony ny tena theme-ny fa sady komando no karate misy resaka sinoa shaolin no karate no western no horera! Vokany de lasa tsy tian'ny olona intsony dia matyyyyyyyy!
3. karinah ( 08/05/2007 12:57)
mapalahelo marina, ry Ika an!:(
Bazylou, za koa tena malahelo mintsy ny tsy fisian'ireny intsony, pamaky be an'ireny za stt danz, sy rakarandoa:lol::oops::wink::(
4. Jeankely ( 11/05/2007 09:51)
Mba tia hamaky ny BD nosoratan'i Bazylou aho.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5407