2cv sy 4l

21. Fiffi ( 14/05/2007 09:50)
Jeankely:
Club ny 2CV sy 4L ve? Tsy maninona fa ataon-tsiaka Ministry ny Transport ianao ary averina 2CV sy 4L daholo ny Taxi fa izay no mahasoa ny firenena. Aleo fa dia miverina ity e. Lazao koa ry zalahy hamerina hamokatra 2CV sy 4L indray fa milay io any Madagasikara e sady manana Club afaka mividy betsaka i Madagasikara.=))=))=))
:roll::roll:
ny aty ivelany no tiako lazaina tam io an ! pi-ce de musée ange ny 2CV sy ny 4L aty eh !

22. Jeankely ( 14/05/2007 11:03)
Koa efa hita fa fahatsiarovana ve no lazaina hoe aleo handeha sy hiriahia ary ho Taxi any Madagasikara foana e. Na iza mitondra na iza mitondra dia tokony mitondra fandrosoana. Rha tsy manao izany dia izay no tena tsy izy. Manahirana io fa rehefa mandroso dia mandroso.
23. kally ( 14/05/2007 18:00)
Jeankely:

... Izahay dia mandeha an-tongotra razoky "pimaso" o ary indraindray mba mandeha Taxi-be dia tena mijaly izahay fa tsy manaja anay Mpanjifa ny tompon'ny Fiara sy ny Mpiasany. Aleo hiatsara ny zavatra fa aza sakanana izany ary izahay tsy manana fiara 4x4 araka ny voalazanao no hiazaka izany nefa ianao no miresaka betsaka. Mila mivoatra io Madagasikara io.



Samy hafa ny fiarovana ny zon'ny mpanjifa sy ny famonoana ny sasany tsy hiditra anaty tsena.Toa afangaronao mantsy ilay resaka ka lasa tailana.
24. Jeankely ( 15/05/2007 03:51)
Tsy tailana mihintsy izany. Aty amin'ny Mpanjifa no misy anao sa any amin'ny tompon'ny fiara? Ianao no mety manao resaka tailana. Lafo ny zavatra tsara sy mivoatra noho izy vitsy. Mora kosa ny zavatra motraka koa maninona raha mandeha posy koa fa mora io e? Ny Mpanjifa tokony miaina amin'ny zavatra tsara sy manome "Services" tsara. Izaho tsy manaiky ny fisian'izany hoe fivoarana ao Madagasikara hono mbola taxi tranainy daholo ny ao ary mbola mifandrombaka eny amin'ny "Fripe" daholo ny olona. Aleo hiditra ny tsara marobe ary aleo hiasa ny tsara. Izay hanatsaranao ny "Services" homenao atao fa tsy faly fotsiny maka ny volanay "Mpanjifa". Ny volanay no miasa ao ary mila mivoatra izahay fa tsy hoe rehefa kely ny vola dia tsy maintsy mandeha amin'ny vizana foana nefa ny vizana mangorona ihany. Tsy misy ho anay izany.
25. kally ( 15/05/2007 12:39)
Manao ahoana kokoa indray aloha Rajeankely androany e! salama?:-D

Tsy manana taxi aho ary tsy mpandeha taxi koa ,asa mety handeha taxi ihany angamba :wink:

Ny lalàn'ny varotra Rajeankely dia izao a! miditra ny lehibe na ny tsaratsara kokoa dia mikisaka ho azy ny kely fa tsy hoe vonoy ny kely idiran'ny lehibe. Izay fotsiny ihany fa tsy handany andro be amin'ny resakao aho fa raha te hampandroso ianao dia asio lalana ahafahan'ny manana 4L sy 2cv hividy fiara tsaratsara kokoa dia miara-mandroso amin'izay, izay no anaovako hoe ataonao tailana ity zavatra ity.
26. Jeankely ( 16/05/2007 04:14)
Hita fa resaky ny samy tailandoha ity kano=)). Lazao ry zareo hoe lalana amboarina aloha fa manaraka hoa azy ny fanatsarana taxi ry Bavy e. Ianao no tena tompona 2cv sy 4L marobe kay an=))=))=))sady manana ny tena milay sahala ilay ery ambony fa mody gisabe mandrebireby anay mpitaingina taxi sy taxi-be.
27. pimaso ( 16/05/2007 11:13)
jeankely,
tsy ahy anie le 4x4 fa an'i société e!
le 4l no ahy, fa tsy ataoko taxi akory fa aza matahoatra ianao,
rehefa tsy te ho remarquerna @ voiture misy logo fotsiny aho vao mampiasa kely azy,
ary tena miray hevitra aminao aho @ fampandrosoana fa kosa ny laharana ny antsika ni tsy mitovy,
ny anao ny tomobilina no voalohany,
ny ahy indray ny sakafo harapaka no hitako fa tokony ho voalohany,
dia ento any @ solombavambahoaka ny fangatahantsika dia ho hitany eo izay hatao avy eo,
ok dia mazotoa e!
;-)
;-)
;-)
28. kally ( 16/05/2007 17:09)
Jeankely:

Hita fa resaky ny samy tailandoha ity kano=)). Lazao ry zareo hoe lalana amboarina aloha fa manaraka hoa azy ny fanatsarana taxi ry Bavy e. Ianao no tena tompona 2cv sy 4L marobe kay an=))=))=))sady manana ny tena milay sahala ilay ery ambony fa mody gisabe mandrebireby anay mpitaingina taxi sy taxi-be.



Lalàna ranona fa tsy lalana no lazaiko teo a!
29. bilakarenjy ( 21/05/2007 19:28)
de milaza ve nareo fa ratsy le 4l ary tsy maharaka ny toetrandro

Zao izy t@ voalohany ,zay lazaina hoe :ratsy ,lafo be izy manao an'io an! .Azo atao taxi tsara aloha izao :



De nony nisy nanatsara ny bandy kely mirevy azy de lasa toy izao :sady azo atao papango no ampanofaina



De mbola nohatsarain'ireo tena fan indray de lasa toy izao :mbola azo atao taxi koa io sady raha hi-parade tonde masaka :



De avy eo noraisin'ny orinasa mpanamboatra fiara indray de nohavaoziny sy nohatsarainy de lasa toy izao : eto angamba vao tena hoe : tokony hatao taxi mihitsy ,



Hatramin'izao aloha mbola azo hitondrana olona daholo ireo fiara ireo ary azo hanaovana taxi tsara ,fa manomboka eto indray de novain-dry zalahy CLUB mpankafia 4L tanteraka ilay endriny ary nataony masaka be :ka tena sarotra be ,raha amiko aloha ,ny hanafoana ny 4L ,sady tsy ho taxi no tsy ho hita intsony koa .



Aza mihevitra rajeankely hoe :tsy luxe ny 4L no sady tsy maharaka ny toetrandro .Zany izy raha hanofa azy ianao ,


Za tsy miteny akory hoe :ratsy ilay fiara vaovao hanao taxi eto dago ,fa mba tsy tokony ho foanana izany kosa ireo efa misy sy miasa ,fa tokony ho tohanana aza mba hanatsarany ny efa eo am-pelatanany .
30. Fiffi ( 21/05/2007 20:13)
hummmmm.....milay kosa le mena2 kely io an !
31. bilakarenjy ( 21/05/2007 21:05)
De aiza ny lalana ry Fiffi raha mampiaraka @ io isika ,nefa toa tsy mety ,fa 4 places le izy ,tsy aleo ve 2 places toy ity :

32. sympa ( 22/05/2007 17:53)
=))=))
bilakarenjy ->De andeha ampiaraka an :!: :-D:-D:-D Tsy minday pasazy zany an :!: :-D:-D:-D:-D
33. Jeankely ( 23/05/2007 06:55)
Ireo ve no tokony hiasana sa atao mpitondra "Mpanambady" e. Tsar ireo fa tsy natao hiasa akory e. Aty Asie tsy misy taxi lany andro izany nefa firenena tsy lasa ambony be sahala ny misy anareo. Ianareo anefa dia mirary ny Malagasy hiaina amin'ny revy taloha. Na mafy sy matanjaka sy tsara aza ny taloha dia taloha no anarany e. Tsy misy miverina izany. Hatsarao ho haingon'ny tanana fa stara e. Tsy misy "accent" ny "Clavier"-nay fa tsy hoe ahoana akory. Fanitsiana disa tsipelina moa eto tsy miala. Mety daholo izany fa mampandroso e.
34. pimaso ( 23/05/2007 08:23)
ok bilakarenjy >
misaotra fa mendrika e!
mba hanafatra éléments hoan'ilay 4l keliko ato koa aho, mba atao tunning koa fa tena raraka ny iviko ato mahita le mangamanga sy menamena ireo,
sady mbola année récente ihany nedala, le clan ireny
motera be,
mety hahatanty tsara ny lanjan'ireo maquillage ireo,
tohizo ny fampiratiana fa tena lafatra e!
jean kely > na tsy hisy intsony aza ny taxi, aleo mba hitohy le passion fa tsy classerna ho voiture reraka kosa ny antsika e!
manjary hambanian'ny olona foana isika malagasy, hoe rehefa any @ ndry zalahy dia ratsy fa rehefa isika no mikolokolo azy dia tsara;
Gasy ka manja e!
;-)
;-)
35. sympa ( 23/05/2007 14:52)
jeankely :arrow: iza moa no tsy tia mivoatra eo @ fiainany fa rehefa io kosa ny foto-mpivelomana ananana eo @ fiainana de tsy afaka miala :!: 8-) Fa raha fivoaharana koa no resahana de izao ny hevitro: maninona marina raha ohatra ka atao otry any an-dafy any koa ny taxi eto :?: Ohatra hoe asiana compagnie tsiray² avy de ao misy ny compagnie taxi 4l sy 2cv de ny comp ny taxi vao² :!: ;-)
36. bilakarenjy ( 23/05/2007 20:55)
jeankely > tena manohana ny hevitrao mihitsy za @ fivoarana ilain'ny malagasy saingy mila fivoarana koa ilay fahefa-mividy ho an'ny tsirairay .
Eritrereto hoe :raha ovaina an'ity 407 ity izao :



dia hino ve i jeankely ,fa hitovy ny cours hataon'io 407 io sy ny 4L ary ny 2CV ,na dia misy horodateurs aza .
Ary mbola hino koa ve i jeankely ,fa ho voakarakaran'ny tompony tsara io taxi io raha raikitra tokoa ny eto an-tanana .Toa manahy ihany aho marina .

Any amerika zao de mbola le mavo adala be ireny foana ,fa kosa nohatsarainy ilay taxi ,fa tsy nofoanany .
De toy izany koa ny ao angletera .Nohatsarainy ilay mandonda loha be ireny ,fa tsy nofoanany ,sady nomeny endrika tsara kokoa .



Satrin'ny malagasy tokoa anie ry jeankely ny hitaingina taxi milay sy tsy mikorontana ,fa tsy tafa ilay fahefa-mividy e!.De aleo miaina @ izay kely ananana sy tsy manano-sarotra ,fa tsy zakan'ny tsena ny raha mihaotra an'izay .

Mandeha miandalana eny ihany ny fivoarana fa aza taitra ianao ry jeankely a!





37. Fiffi ( 23/05/2007 21:02)
Jeankely:

Ireo ve no tokony hiasana sa atao mpitondra "Mpanambady" e. Tsar ireo fa tsy natao hiasa akory e. Aty Asie tsy misy taxi lany andro izany nefa firenena tsy lasa ambony be sahala ny misy anareo. Ianareo anefa dia mirary ny Malagasy hiaina amin'ny revy taloha. Na mafy sy matanjaka sy tsara aza ny taloha dia taloha no anarany e. Tsy misy miverina izany. Hatsarao ho haingon'ny tanana fa stara e. Tsy misy "accent" ny "Clavier"-nay fa tsy hoe ahoana akory. Fanitsiana disa tsipelina moa eto tsy miala. Mety daholo izany fa mampandroso e.
de raha tsy tianao hoe ireo no hiasana de andefaso fiara milay be avy any am-nao any zanyzareo koh ! aiza ny blèm ? zara aza mbola misy an'ireo ho an'mpiasa raha tsy zany angamba de........


38. bilakarenjy ( 23/05/2007 21:23)
Mbola vao 4L anie ireo ry jeankely ,fa tsy mbola nasehoko teto ireo 2CV e!
39. sympa ( 23/05/2007 22:48)
Raha tonga aty @any zany i jeankely de gaga mintsy raha ahita ireo 4L vrakiny be aty Diego kle :!: :-D:-D:-D:-D Reo doly zao ny taxi aty :!::wink::wink:
40. Jeankely ( 29/05/2007 03:44)
Lazao koa fa vita Gasy ary ny 4L sy 2CV e. Izay rehetra atao azo avadika ho problema daholo ka izay revinareo ataovy ary e. Rehefa tsy zaka dia aleo hiaina amin'ny zaka hoy ireo mpanakarena amin'ny tanana e. Izahay moa tsy manana ka izay atolotrin'ny mpitatitra no hiainanay e. Aleo andeha ilany sy miadana foana fa fandrsoana izany ary oooo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.231