Indro ary e! hira nankafiziko iny mantsy tamin'ny taona 1991 ka na aty am-pita aza aho 16 taona aty aoriana dia mbola mahatadidy e!Mazotoa o!
Atao hoe jamba sy marenina izay tia
Kanefa ianao mbola mahita sy mandre
Tsy naharesy ny sainao, toherinao ny fonao tia
Satria ianao dia te hanafina fa hoe :
Efa voababon'olon-kafa manontolo
Ny henatrao nampihatsaravelatsihy
Izaho indray na dia voasolo aza ao am-ponao, mbola tia
Tsy haiko afenina naefa mba ninia
Ny hasambarana tsy hoe fodiana adala mody tia
Ny hasambarako dia fantatro fa tsy eo anilanao
Ny hasambaranao ry olon-tiako, eny an-tsandrin'olon-kafa
Ny hasambaranao, ekeko ho ahy