DCPE, DSRP, MAP samy niasa ary miasa eran-tany

1. Jeankely ( 06/05/2007 07:52)
Ny hanatsara na anaratsy io MAP io aloha dia tsy haiko satria aho tsy manampahaizana sahalan'i Bazylou. Ny zavatra azoko resahana fotsiny dia ireo filazana hoe DCPE, DSRP, MAP dia tsy tao ary tsy ao Madagasikara ihany no nampasaina ireo fiteny ireo. Sokafy ny Web site ny World Bank fa tsy atsika irery ireo fiteny ireo. Mahita aho izao "Malaysian Action Plan" ohatra. Io rehefa ratsy dia ratsy ary na ratsy aza rehefa lazaindreo tsara dia asainy tiavinao. Tsy misy afatsy ny asa sy famokarana ihany. Ary amin'ny Politika miresaka halatra sy risoriso ry zareo ary milaza hoe aleo izay mangalatra kely angalatra fa aza gadraina. Aty amin'ny toekarena indray milaza hoe makanesa any Madagasikara raha tia ho very vola. Mazava fa izay mahasoa ny MNCs no alehany fa tsy andeha amin'ny mifanapotika izy. Izany no mahafaly sy mampibitaka andry zalahy hoe tsy misy mpitia i Madagasikara.
novalian'i Jeankely ny 12/05/2007 08:27
2. Jeankely ( 11/05/2007 03:39)
Master Plan (MAP) koa mbola tsy tao Madagasikara ihany no nahitana azy. Raha nihevitra ny hanao ny "Routes de l'amitie" ny fitondrana teo aloha dia tsy hitako izay maharatsy izany. Afaka miodina manodidina an'i Madagasikara. Faran'izay tsara saingy tsy vita. Ny fahavitan'ny foto-drafitr'Asa ataon'ny fitondrana eo eloha dia tosika ahavitan'ny fitondrana manaraka tsara noho iny. Izay tonga ve dia hiverina depart zero ary izay lasa mamingana sy mamotika izany marina ve no tena politika e? Tsy miaro ny mpitondra aho ary tsy afaka ny hiaro azy saingy rehefa tsy alehany io tsy tafajanona eo na izany aza tsy ny fanimbana sy famotehana no lazaina fa fanasoavana firenena. Aleo mba hifandimby ary hifaninana amin'ny soa ho an'ny Firenena. Izay no redirediko ry Bazylou Mpams ooo
3. Jeankely ( 12/05/2007 08:27)
Tsy hain'i Bazylouzotra ve fa teny anglisy tsotra ny MAP e?=))
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1106