Politika, fitondrana ary ny halatra mifandimby

1. Jeankely ( 06/05/2007 04:52)
Miala tsiny fa somary lavalava ny resako. Omaly raha nihaona tamin'ny namana Malagasy izay avy any amin'ny Faritra misy "Vanille" iny aho dia lasa saina mafy tamin'ny resaka nataony. Tsy mifankalala moa izahay teo aloha ka nifanontany ny vaovao any Madagasikara. Nilaza i Ranamana ny korontana misy ao M/car ary nitantara ny halatra ataon'ny Mpitondra sy nilaza ny fisamborana ary fanagadrana olona. Avy eo niteny izy hoe maninona ianao mangalatra nefa ny hafa mangalatra gadrainao? Nalahelo mafy aho ary niteny hoe ho aiza izany raha samy hangalatra daholo. Dia nilaza Ranamana fa tamin'ny andron'ny teo aloha mangalatra ny mpitondra samy mahalala saingy avelany maka koa ny hafa. Nahatsiaro an'i Bazylou aho fa tsy niresaka ity Serasera ity. Dia niteny azy moa aho hoe izany ve no tena hoe Politika maloto? Ary nanontany azy aho hoe dia ahoana izao itony lalana malalaka hitan-tsika itony, itony "High Way" itony, ny trano mojoalajoala hitan-tsika ireto Politika ahoana itony? Namaly indray Ranamana fa ny aty anie hoy izy "miasa sy tena manao ary ny ambiny no hifampitadiavana hangalarina" ka izay no mahatonga ny fahavitany zavatra. Niafara tamin'ny hoe mila mametra ny halatra izany. Koa ho anareo tanora hitondra hampivoatra an'i Madagasikara tokoa ve no tokony himasoana sa hiafandova sy hiafampiaro ny fahaizana mangalatra?
novalian'i Jeankely ny 07/05/2007 04:37
2. Sendra ( 06/05/2007 14:45)

Misaotra an' i Jeankely manazava ny sain' ny olona.Mahatalanjona tokoa ny arabe vita tsara aty amintsika,ireo toerana mahafinaritra mampitovitovy ny tanintsika amin' ny tany mandroso...Nefa tsy fantatry ny maro tokoa izay any am-badimbadika any:
ahoana ny fahazoana ny ohabolan-drazana hoe" Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra ao an- Tampon-doha ".
Misaotra anao ry Jeankely tsy natahotra nampita ny resakao sy ilay namana Malagasy avy amin' ny faritra misy vanille
Sendra
3. Jeankely ( 07/05/2007 04:37)
Miezaka milaza i Bazylou sy ny namany fa tsy hivoatra i Madagasikara satria ny vahoaka Malagasy hoy reo Vendrana nefa resaka halatra no hanazavany sain'olona. Tsy misy zavatra azoazo mora izany. Tsy maintsy sahirana sy miaritra vao mahazo vokatra tsara ary amin'ny sehatra rehetra izany. Rehefa mianatra ianao mahalala tsara fa miaritory, marary maso, miala ny nify, miamahia sns, tonga avieo ny fanadinana hidirana ireo karazana fifaninana dia hita mazava izao fa ny tsy nianatra indray no misoratra voalohany ny anarany. Izaho miteny ary manizingizina fa amin'izao fotoana izao raha tena mianatra ianao afaka ny hiseho sy hisongadina na tsy TIM aza. Koa tandremo ny mifandova ny halatra ary toroy ny marina ny tanora ho avin'ny Firenena.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.078