Olona izy fa tsy alika vavy.

1. Stretch ( 03/05/2007 21:49)
Mpampody vady mifona

- Saina tsy tony, fo tsy salama,
Tosi-drà miakatra ambony tsy tana,
Very fanahy ka mivaha miparitaka ...
Ny vady tsy foy nahasahy nisintaka .

Ny maso milentika mando sy mena
Ny orona tsentsina seriserena
Rehefa tsy mahita anao elaela
O Ravaditsifoiko kanefa namela.

Nisy ihany nety natao tsindry fe
Fa hafa ihany ianao Ravadibe
Ka mitalaho be sy mifona aminao
Miverana modia re raha mbola azo atao !

- O Ratiakofahininavelakoteo
Izao ianao dia miseho mitoreo ?
Tsara fa tara hoy Raleoninandefitra
Ny « mifona aho malala » efa reko matetika

Hadinonao sahady ve ?
Ireo teny sy latsa,
Ireo trerona be,
Sintom-bolo sy daka,
Ireo teham-pify tsy nisy an-kitsitsy !
Pà pà pà ! Ny oroko impiry niboba rà !

Ianao raha mamo toaka, na mamo jamala
Be fiavy sendaotra, toa olona adala.
Baikonao aho « Matoria ! » dia matory ...
Baikonao « Mandadiza ! » dia mandady ...
Matahotra mantsy, fa ambananao antsy !
Dia vetavetainao toy ny tsy vady ...

Mihetsika anio ny hambom-pom-behivavy !
Ka miala tsiny, manao aza fady
Ny aty efa tofoka resa-matavy
Manombok'izao aza reraka miandry,
'Reo « tsindry fe-nao » no omeo tambitamby.
Ataovy anatra ho amin'ny ho avy,
Mba asio hajany ihany ny vady !
Olombelona izy fa tsy alika vavy !

Mpampody vady tezitra
- Andana koa mahazo f'izaho tsy mila
Vehivavy matin-kambo sy be filafila !


- Jereo izato ianao, fa maharikoriko
Lasa ankahalaiko na dia mbola tiako.
Tapero ny resaka aza tohizana
Fa leo be aho no tena efa vizana.

Mpampody vady vao mainka romotra
- Kala alika vavy ity ! ! !
2. nikopol ( 03/05/2007 22:23)
tsara

saingy rehefa mametraka tononkalo ohatr'izao dia tokony mba tenenina hoe iza no nanoratra azy

tononkalon'i bana rahalahy io

:-*
3. sitlo ( 03/05/2007 22:41)
fa naninona re eh :roll:
4. Lalah ( 04/05/2007 00:29)
tapaka ny tsinaiko marina e! marina tena tsy misy azo hiadian-kevitra. Iza no namorina an io r ise?
5. tslem ( 04/05/2007 00:34)
- Kala alika vavy ity ! ! !

:-D:-D:-D

6. Fiffi ( 04/05/2007 06:22)
iza ny mpanoratra akia ry Stretch ?
7. Stretch ( 04/05/2007 09:00)
Miala tsiny ry reto a !
fa i nikopol efa maharaka,

[size=16]BANA RAHALAHY[/size]

Tia manaraka sy mamaky reny tonokalao reny a , ary ty ndray mandé ity tena nahalatsaka ahy , nihomehy aho no sady nihaiky fa tena marina tsy misy ho kianina ny voasoratra , mampalahelo nefa zay no hiainan'ny betsaka ,
tsy azo hahintsy ve hoy nareo zany fahazarandratsin'ny mpivady zany ?
8. kelly13 ( 04/05/2007 12:56)
:-D:-D

d ôtrôtran'izao dol v ny tonokalon'io bana rahalahy io?
9. lapino ( 10/05/2007 16:04)
alhikmat ! aiza alhikmat
10. andry08 ( 10/05/2007 16:38)
=))=))=))=))
11. Fiffi ( 13/05/2007 17:06)
lapino:
alhikmat ! aiza alhikmat
:roll::roll:


12. litabaombinn ( 04/07/2007 12:26)
:D tena tsy azoko ny fandehan ny tantara zany klé:oops:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0478