famille de coeur

1. sakaizakely ( 01/05/2007 22:02)
Raha misy fihetsika azoko atao anampiana ireo mila fanampiana dia io no zavatra tena andrian'ny saiko. Za tsy te hanome vola (don) am'zao oeuvres caritatives rehetra izao satria tsy misy azoko antoka ny iafarany, fa mba iriako ny handray zaza hanao vakansy ohatra, na amin'ny alalan'ny chaîne de l'espoir na assoc hafa, satria ny fotoana omeko azy dia azoko antoka fa ilay zaza tokoa no hahazo azy.

Misy association miandraikitra izany ve any amintsika any ?

Ahoana ny hevitrareo mikasika an'io ?

novalian'i linarako2 ny 09/05/2007 14:32
2. Stretch ( 01/05/2007 22:12)
Tsara be aky ilay hevitra ,
nefa ve araka ny hevitrin-dry , tena necessaire amin'ilay zaza ve ny fanaovana vacances , ataovy ny kajy tsotsotra, ohatrinona n ho lany amin'ny fandaniana handehanan'ilay zaza ohatra any frantsa .
efa mahavita ny fianarany mandritra ny 3 na 4 taona izay fandaniana izay.
Ka ny tena mety dia ny mi-parrainé ankizy.
zany hoe marraine moa zany ray indry.
miantoka ankizy iray .
mifandray am ray amandreniny.
manaramaso ny fianarany sns.
(Efa manao an'io aho fa ny ahy ankizy ao am fianakaviana ihany , zay hitako fa mety afaka handroso sy kinga, ka manaramaso ny fivoarany am fifanakalozana mail , ny fanampiana arabola ny r a d no mikajy azy)
3. sakaizakely ( 01/05/2007 22:46)
Tsy hoe nécessaire ny fanaovana vacances, fa mety hanampy azy am fivelarana, hampisehoana azy zavatra hafa, mbola hafa ihany izany sur place izany.

Ny momba ny chaîne de l'espoir indray dia fandraisana ankizy marary ho didina eto Frantsa. Ilay Professeur mpandidy mihitsy no mi-se déplacer any Afrika isambolana mandinika au cas par cas ireo ankizy ary mandray ny fanapahankevitra. Mila fianakaviana bénévole ry zareo handray ireo zaza mandritry ny séjour sy mitondra azy any @ hopitaly dia eo no tiako hidirana andraisana andraikitra. Asa raha mety ho tanteraka izany :P

ny fanampiana ireo fianakaviana any antoerana moa dia mazava ho azy fa ankoatr'izay
4. niryna ( 02/05/2007 05:07)
sakaizakely a tsara ilay hevitrao.Vao nisy nandefa ttsy izao izahay fa misy vonjy maika hono tamin'ny traboina tao mada ka mba mila vola ny fanjakana.Sarotra be ilay izy fa mety mivoana any amin'ny hafa.
5. tisera ( 02/05/2007 06:24)
ny chaine de l'espoir sy ny terre des hommes dia tena manao io zavatra nolazain'i sakaizakely io ( nijery ny ça se dicsute jour après jour angaha indry omaly hariva?!?) , ary dia efa nisy ankizy gasy mihitsy nodidiana taty frantsa saingy matetika dia lasa any @ fianakaviana frantsay de souche foana ilay ankizy no mipetraka satria mety vitsy kely ny famille d'accueil malagasy. Izaho efa tafaraka t@ infirmière naka zaza hotsaboina avy any dago : efa 11 taona ilay zaza saingy avy any ambanivohitra be ( mbola mandeha tongotra lavitra be avy ao Marovitsika Moramanga) dia tsy mahay miteny vazaha mihitsy an!dia nalain'ilay infirmière ny coordonnées-ko hoe mba hantsoina hiresaka @ ilay zaza fa efa misy famille d'accueil ny opération anefa tao necker no natao dia nisy namana tany @ idf nanao interprète entre équipe medicale/famille d'accueil/ary ilay zaza. Dia namangy an'ilay zaza isan'andro tany @ hopitaly ireto namana gasy moa nanaiky ny famille d'accueil sy ny terre des hommes ny mba nijanonan'ilay zaza week-end tsindraindray tany @ ireto namana gasy é! ohatryny hoe garde partagée :wink:
6. tywa68 ( 02/05/2007 07:18)
tena io voalazanao io ry tisera no tena tsara !
Manao interprète ho an'ilay zaza, mampandry saina azy fa tsy hoe very izy aty lavitra aty !
Io garde partagée io d efa tsara be sy maha-sitrana haingana an'ilay zaza.
7. sakaizakely ( 02/05/2007 09:20)
Tisera>

nijery france2 mits za omaly alina de tohina be tam le afghan kely nitomany be iny. Ndrôoooooo, tena narary kely ny foko satria hitako hoe tena very be lery, tsisy olona mahay ny fiteny dia mahatsiaro ho irery na dia tsara fanahy aza ilay olona mitsena. Marina fa hadinony iny andro vitsivitsy avy eo, fa ilay fokeliny marary amin'iny fotoana iny tena tsy tantiko mits :cry:

Midera ireo familles d'accueil manome ny fotoanany ho an'ireo zaza ireo. Ohatra tsara alaina tahaka tokoa ary izany no mahatonga ahy maniry ny hanao azy, indrindra am zaza malagasy mba hampandriana ny sain'izy ireo mandritry ny fitsaboana azy ireo.

Ny olana dia lavitra be ny Necker no misy ahy ka tsy afaka miaraka amin'ireo associations ireo aho, fa fitsaboana aty @ faritra manodidina ahy ihany no azoko atao dans l'immédiat. Fa ilay fanaovana "garde partagée" week-end angamba izao no mety aminay
8. Fiffi ( 02/05/2007 17:24)
hevitra tena tsara aloha io an ! fa ny zavatra aiko momba an'io de mila miresaka am assistante sociale de manao famille d'acceuil .....raha eto frantsa aloha de tena misy io an ! raha any dago indray...heu....
9. fijo ( 02/05/2007 22:10)
le manampy ankizy amin'ny fianarany koa no toa itako hoe tsaratsara kokoa.fa asa aloha e
10. soanja ( 03/05/2007 00:42)
Tsara be aky zany hevitran-dry zany ry Sakaizakely.
Maninona raha manontany any Mada hoe inona no azo atao, raha misy tokoa ny zaza mila izany fanampiandry izany?
Izay mahamety ny saindry atao satria n'inona n'inona dia manampy avokoa rehefa mampivelatra sy ahitan'ilay zaza tombotsoa ka tsy hanimba azy.
Indry ve zany no hiantoka ny fraisn'ilay zaza sy ny sakafony aty?
Misaotra amin'ny fitiavana te hanampy ny hafa tsy afamanoatra. :-*:-*:-*:-*
11. tisera ( 03/05/2007 07:12)
fiffi>>>raha tsy diso aho ny mahasamihafa ny famille d'accueil classique sy ny famille d'accueil -n'itony asscociation itony dia ny procédures d'agrément mihitsy satria ilay voalohany dia ny assistante sociale-n'ny ddass no miandraikitra azy dia mahazo financement avy @ fanjakana ilay famille d'accueil (matetika suite-n'ny fanapahan-kevitry ny fitsarana: aorian'ny divorce na ray aman-dreny toxico etc...) fa ny famille d'accueil (ilay antsoin'i delarue hoe famille de coeur) dia tsy ny assistante sociale-n'ny ddass no manome ny agrément fa avy hatrany dia ilay association no mi-étudier ny dossier ka tsy mahazo na vola toy ilay famille d'accueil classique fa au contraire aza miantoka ny lany @ sakafo sy ny fitafiana ilain'ilay zaza: tena asa fanaovan-tsoa izany é! matetika mantsy ireo zaza didiana na tsaboina aty ireny dia mijanona +/- 2 volana eo nefa ny hospitalisation-ny 5-10andro dia izay no ilan'ny association ilay famille de coeur fa ny frais de voyage ange ry soanja dia ilay association ihany no miantoka azy an!
ny azo atao koa angamba rehefa misy ilay ankizy mivoaka gazety ireny hoe mila fitsaboana aty ivelany aty dia avy hatrany dia manolo-tena @ ray aman-dreniny hoe hampiantrano azy !
12. adidy ( 03/05/2007 12:56)
Tonga dia miantsoa ireny association ireny fa ry zareo mitady famille d'acceuil. Ary raha tsy diso aho manana antenne hafa any @ province ry zareo
13. sakaizakely ( 03/05/2007 13:08)
Misaotra anareo rehetra @ torohevitra fa hi contacte izay associations fantatro aho dia mampilaza eto ihany ny vokatry ny fikarohana.
Misy olana kely roa mbola ilana famahana aloha vao tena afaka miatrika io faniriana vaovao io ny tenako.
Ireo izay manana infos dia aza misalasala mizara
Misaotra mialoha :-*:-*:-*
14. adidy ( 04/05/2007 09:37)
sakaizakely: na koa anie ny azonao atao, zao zao efa fantatra hoe efa manana izany faniriana izany ianao, fa misy namana avy any Dago mety hoe manana zanaka na havana tsaboina aty fa tsy manana hivantanana dia mifampiantso nareo!
Hisaorana ny serasera moa zany satria za manokana dia efa niaina izany niaraka t@ namana hita teto!! Dia lasa toa ny fianakaviana 2 mihintsy avy eo! Na ny ankizy aza lasa nifampitondra toa ny iray tam-po!!
Mahafatifaty be ny mahita ny ankizy rehetra miara-misakafo!
Mila fanomanana koa aloha na dia eo @ fotoana aza, na dia resaka congé fotsiny aza mba afaka manararaotra an'ilay fiarahana e!
15. linarako2 ( 09/05/2007 14:32)
[quote=sakaizakely]

Raha mba toa anao daholo ny olona dia ho sambatra.:DManaova soa foana raha mbola misy ny azo atao(l)(l)(l)(l)(l)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5547