Inona no ho entiko manantona an'i Jehovah???
21. Rasiligaoma
(
02/05/2007 05:47)
ikaretsaka:
cutie koa an> mikata = le mihaingo trop loatra:wink:
Mihira hono mivavaka indroa dia ity hira ity koa no hitako fa mahalaza ny rehetra
...Fantatrao Ray o izay nafeniko hatrizao
dia ny otako rehetra tao anaty foko tao
nosaronako naleviko tsy nisy mpahalala
fantatrao Ray o izay nafeniko hatrizao!
koa ity aho tonga fa miantso ahy ianao
izany fahotako izany no ateriko aminao....
Fantatrao ray o izay nataoko taminao
Endrikao tsy nojereko teninao tsy nohenoiko
sy ny fiainako laniako tsy araka ny sitrakao
fantatrao Ray o izay nataoko taminao.
koa ity aho tonga fa miantso ahy ianao
izany hadisoako izany no ifonako aminao
Fantatrao Ray o izay kasaiko mbola atao
Fanirina sesehena tsy mifantoka aminao
Ka mitrotro volohala sy mivimbina hakiviana
fantatrao ray o izay kasaiko mbola atao
koa ity aho tonga fa miantso ahy ianao
izany tebiteby izany no atosako aminao. . .
tsara ny hira masina gasy.. voalazany aby ny raha tiana ambara
marina.. fa jereo koa ny tononkira fa tsy ny mozika fotsiny..
Ilay mivavaka sy mieboebo koa manko sao ao anaty hira masina daholo
22. bobone
(
02/05/2007 08:20)
rakaraoka!
Raha hanantona ny Tompo enao Ny ho entinao eo aminy de ny maha hanao anao! izany hoe ny tenanao iray manontolo ! ny fomba anao ! ny entanao ny manontolom-piainanao! ny fonao madio tsy misy pentina!
Jereo ange! ilay vehivavy mananontena nanolotra farantsakely ! iny no hany fananany kanefa hoiny nomena ny Tompo @ fitiavana ,tsy @ fiantsarambelatsiny fa fo madio tsy misy mpentina de manaiky anao izy

23. tsiafoi1
(
02/05/2007 13:15)
Salut aky Nyrina! Salut daholo
Salamo 5:4-7
"Fa tsy Andriamanitra mankasitraka izay ratsy Ianao ; Tsy hitoetra aminao ny ratsy ; Tsy hahazo mijanona eo imasonao ny mpirehareha ; Halanao ny mpanao ratsy rehetra ; Haringanao ny mpiteny lainga, ny olona mpandatsa-dra sy mpamitaka dia ataon'i Jehovah ho zava-betaveta.
Fa izaho kosa noho ny haben'ny famindramponao dia hiditra ao an-tranonao ; hiankohoka manatrika ny lapanao masina @'ny fahatahorana Anaoaho

24. ikaretsaka
(
02/05/2007 17:30)
bobone:
rakaraoka!
Raha hanantona ny Tompo enao Ny ho entinao eo aminy de ny maha hanao anao! izany hoe ny tenanao iray manontolo ! ny fomba anao ! ny entanao ny manontolom-piainanao! ny fonao madio tsy misy pentina!
Jereo ange! ilay vehivavy mananontena nanolotra farantsakely ! iny no hany fananany kanefa hoiny nomena ny Tompo @ fitiavana ,tsy @ fiantsarambelatsiny fa fo madio tsy misy mpentina de manaiky anao izy
namaste:-*
25. niryna
(
03/05/2007 06:16)

=D=D=D aky bobone a.marina tanteraka izany.
26. niryna
(
03/05/2007 06:51)
Ny fanetre-tena no tadiaviny amintsika.1 Pet 5:6" koa amin'izany dia manetre tena ambanin'ny tanana maherin'Atra,mba hanandratany anareo amin'ny fotoan'androny."
Jakoba 4:6-10"Nefa manome fahasoavana bebe kokoa izy.Koa hoy izy Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona,fa manome fahasoavana ho an'ny manetry tena...Manatona an'Atra dia anatona anareo izy.Diovy ny tananareo ry mpanota ary ary ataovy madio ny fonareo...Manetre tena eo anatrean'ny tompo dia hanandratra anareo izy."
Matio 7:12 " Koa amin'izany na inona na inona tainareo hataon'ny olona aminareo .dia mba ataovny aminy toy izany,fa izany no lalana sy mpaminany."
Fehiny: Ny zavatra takiany amintsika izany dia ny fanetrehan-tena,ny fanaovana ny marina sy tsy manao fitsarana mitanila,mitsinjo ny madinika .

27. bobone
(
03/05/2007 08:41)
Niryna: tena marina io hoe fanetre tena io satria Jesoa ange no taratra e! ilay izy teraka tany an-tranon\'omby , trano maimbo, maloto nefa zanaka mpanjaka; zanaky ny avo indrindra! raha te hahazo fiainana de itafio jeso ary ny diany no arahina izay hataony no hatao!
izay ilay hoe ! katsao aloa ny fanjakan\'Atra sy ny fahamarinany dia manaraka ho azy ny zavtra rehetra!
mihaino anao izy ary manoro ny lalana raha sendra mande @ tsy tokony aleha! sambatra ange ry reto ny miaraka aminy e!

28. cristal
(
03/05/2007 10:33)
(l)(l)(l)Efa ela no niantso sy nitady antsika ANDRIAMANITRA ny olona rehetra io an!fa inona moa no mampisaraka antsika miny dia ny fahotantsika;raha mitady famelan-keloka dia;mandinin-tena ka mibebaka;raha hanatona azy hidera sy te ho mpianany dia miambina tsy misy fanamarinan-tena;fiheverana ho feno fa miteraka ota indray ireny!
Zany hoe ny fonao no atolotrao azy dia azy ny sisa rehetra satria io fontsika io no itoeran'ny fahotana rehetra;ny FANAHY MASINA dia nidina mba ampitobo ny finoantsika mandrakariva ka ny fanorotoroana ny fontsika izay mafy toy ny vato no asany voalohany mba ho tany lonaka hanirian'ny tenin'ANDRIAMANITRA!dia iska no miambina sy manantena @ finoana;ka hanaiky ho entiny fa tsy isika no mitondra azy!(l)(l)(l)

29. volana1
(
03/05/2007 13:57)
Tsy mila fotoana sy fitaovana ny manatona an'Andriamanitra sy Jesosy fa ny foanao sokafy ary aza manohitra ary matokia fa hanampy anao izy, mila mino ianao, n'aiza n'aiza misy anao antsoy izy, fa raha amin'ny foanao manontolo dia ho voavaly ianao, ary tsy ny tsara ihany no azontsika aminy fa na ny ratsy koa aza, izay no antony ametrahana manontolo ny fiainantsika aminy, ka ekentsika na ratsy na tsara fa ahasoa antsika izany.
Aza manao faharantsian-toetra fa n'aiza n'aiza misy anao dia miezaha foana manao ny tsara sy ny sitrapony.
Izay ihany. Raha manana amby ampy sy manana ny omena ianao dia miantrĂ ny mahantra sy ny ny asa fitoriana rehetra, ampio ireny.
Misaotra antsika rehetra.

31. ikaretsaka
(
03/05/2007 15:41)
volana1:
Tsy mila fotoana sy fitaovana ny manatona an'Andriamanitra sy Jesosy fa ny fonao sokafy ary aza manohitra ary matokia fa hanampy anao izy, mila mino ianao, n'aiza n'aiza misy anao antsoy izy, fa raha amin'ny fonao manontolo dia ho voavaly ianao, ary tsy ny tsara ihany no azontsika aminy fa na ny ratsy koa aza, izay no antony ametrahana manontolo ny fiainantsika aminy, ka ekentsika na ratsy na tsara fa ahasoa antsika izany.
Aza manao faharantsian-toetra fa n'aiza n'aiza misy anao dia miezaha foana manao ny tsara sy ny sitrapony.
Izay ihany. Raha manana amby ampy sy manana ny omena ianao dia miantrĂ ny mahantra sy ny ny asa fitoriana rehetra, ampio ireny.
Misaotra antsika rehetra.
afaka katesizy i volana!:wink:
32. niryna
(
03/05/2007 17:46)
bobone:
Niryna: tena marina io hoe fanetre tena io satria Jesoa ange no taratra e! ilay izy teraka tany an-tranon\'omby , trano maimbo, maloto nefa zanaka mpanjaka; zanaky ny avo indrindra! raha te hahazo fiainana de itafio jeso ary ny diany no arahina izay hataony no hatao!
izay ilay hoe ! katsao aloa ny fanjakan\'Atra sy ny fahamarinany dia manaraka ho azy ny zavtra rehetra!
mihaino anao izy ary manoro ny lalana raha sendra mande @ tsy tokony aleha! sambatra ange ry reto ny miaraka aminy e!
bobone a mampihomehy ahy aky ilay fitendry hoe trano maimbo sao dia efa nodiovin'ny anjely aloha ilay izy talohany nahatongavany e:P
33. niryna
(
03/05/2007 17:49)
misaotra volana a, ho jiro fanazavana ho anay tokoa anie ianao satria mazava foana ianao na ao amin'ny maizina aza ny toerana misy anay.:lol:
35. ikaretsaka
(
12/05/2007 14:36)
raha ilay hiran'i bessa io lazain'i niryna io dia ny vadiny kosa fa tsy andiamanitra e
36. veromahefa
(
12/05/2007 16:02)
Miarahaba anao sy ireo namana rehetra !
Matoa napetrakao io fanontaniana io dia mila valiny, samy manana ny heviny ny tsirairay ary tsy diso akory ; fa ny teny avy ao amin'ny Baiboly hamaliako anao dia izao :
"Inona no hoentiko manantona an'i Jehovah ? sy miondrika eo anatrehan'Andriamanitra Izay any ami'ny avo?
hanatona Azy mitondra fanatitra dorana sy ombilahy kely iray taona va aho ? ...ho sitrak'i Jehovah va ny ondry arivoarivo....Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara sy izay tian'i Jehovah aminao, dia izao ihany : Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindrampo ary ny hanaraka an'Andriamanitrao amin'ny fanetren-tena" Mika 6 : 6 - 8
Vero, mpampianatra sekoly alahady tany Madagasikara