Volavolan-dalàna mikasika ny fitondran-tena eto Madagasikara

1. bozyboleta ( 30/04/2007 12:26)
Hita ho efa tena mivaha tanteraka mihitsy ny fitaizana eto Madagasikara @ zao indrindra raha mijery ny fihetsika sy ny fomba fiakanjon'ny tanora eny an-dalana eny.
Marina fa lamôdy any an-dafy ny akanjo fohy sy manify, ny fanaovana string, ny tatoo ... fa mampitahotra ny ho avin'ny tanora malagasy. Zao eran'ny lalana de feno ankizy zara raha mitafy, @ zay efa mila ho hita daholo ny fitaovana rehetra...Ireny le manaraka bêtement ny tendance-ny vahiny fotsiny fa tsy mieritreritra mitsy hoe mety @ fisainan'ny gasy ve. Taloha ny Malagasy vao mahita vehivavy hafahafa fiakanjo de tondé lazaina fa makourel, zao tsita tsony ze izy sy tsy izy eny rehetra eny.
Tsy gaga mitsy raha mahita @ gazety sy tv fa miakatra ny taux-ny viol. Maro reo ankizivavy no manao akanjo tena misetrasetra mitsy ary de hita fa mihantsy. Ny sasany moa de faly ery atao hoe sexy, nefa tsy takany fa ny foto-kevitry ny hoe sexy ange ka avy @ sex e!
Mbola tsy zakan'ny toe-tsain'ny gasy ny zavatra sasany miseho any an-dafy ary eo no tokony hampianatra ny RAD sy ny mpanabe.
Za de te-hanao sosokevitra @ fanjakana mitsy hoe asiana lalàna mikasika ny fitondran-tena fa ny "attentat à la pudeur" de tsy tokony hianona @ le acte fa ny préliminaire rehetra koa dia tokony ho raràna anisan'izany ny fiakanjo sy ny fihetsika. Taloha t@ andron'i Tsiranana de nisy teto lalàna tsy mahazo manao mini-jupe. Tsy hitako mitsy ny naha-ratsy iny lalàna iny
Ho an'ze mipetraka any an-dafy mety efa mahazatra ny mahita fihetsika sy fiakanjo hafahafa fa raha eto Madagasikara aloha de mbola tsy tafa e! Tsy sanatria akory hampanaovina tchador na burqa ny vehivavy fa toetran'ny Malagasy ny "MAOTINA" ary manome lanja betsaka azy izany.
novalian'i Kota ny 03/07/2007 18:27
2. Lalah ( 30/04/2007 14:04)
Zay anie ilay hoe mivoatra mankaiza marina moa isika gasy reto. Marina ny teninao.
3. hery ( 30/04/2007 14:23)
Manomboka @ tsirairay aloha no tokony hatao amin'io. Ohatra fotsiny hoe ahoana no ataonao rehefa manoloana ny zanakao vavy na ny zandrinao vavy, na ny cousine-nao na ny niece-nao sns izay manao ireo fitafy sy fihetsika tsy zakanao ireo.
Tsy tokony hiandry fotsiny ny mpampianatra sy ny mpanabe isan-tsokajiny... fa manana adidy daholo ny tsirairay ary miainga ao an-tokatrano aloha voalohany indrindra.
Asa aloha
4. johnnyandri ( 30/04/2007 15:29)
:-*mafy ny fiainana fa avelao izy mba anaraka lamody e. Tsisy koi zany. Maso mijery tsy mitondra mody fa manafintohina fotsiny:twisted: 8-):-D
5. sakaizakely ( 30/04/2007 16:48)
Na aty Frantsa aza dia misy fepetra any antsekoly mikasika ireo fomba fitafy ireo.

Ny RaD koa dia manana adidy @ fandraisana andraikitra sy famerana ny zanany tsy hanao zavatra tsy mendrika. Tsy hoe rehefa aty andafy dia ok daholo ny RaD. Arakaraky ny hamafin'ny caractère-n'ny RaD koa, fa misy ireo tsy te hiady aminjanany dia manaraka ny caprices-n'ireo ankizy.

Araky ny fitenin'ireo pédo psy hoe les enfants ont besoin d'autorité et de limites de la part des adultes pour se forger en tant qu'individu, midika izany fa tsy tokony atao baranahiny ny fitaizana fa vao maika ilaina aza ilay confrontation entre ny ankizy sy ny RaD, ka azon'ny RaD lavina tsara ny zavatra toy izany.

Saingy tsy tokony hisy lalàna hametra ny fanaovana fitafy hafahafa, fa kosa famerana ny toerana na ny ora azahoana manao izany ohatra.

marina hoe mafy ny fiainana ka aveka ny tanora hanao ny tiany, nefa marina koa fa mampisy tentation koa ilay izy, dia aleo marina asiana fepetra
6. niryna ( 01/05/2007 12:56)
Ka betsaka kosa anie ny zavatra hitan'ny ankizy amin'izao fotoana izao e,ny fampidirana ireo film mamoafady dia anisany iray nitarika ny tanora hanana fisainana toa ireny,ny film ao amin'ny TV mandeha isan'andro, ny magazin,ny boky izay tsy voafetra ny fidirany, ny rehetra e.Ny tontolo hiainana mihitsy io ary tsy eo amintsika irery fa hatraiza hatraiza.Anjaran'ny rar no mitaiza ny zanany raha mbola kely izy kanefa misy miborika ihany,omena fahafahana izy, omenao izay tadiaviny ihany koa toa mivoana ihany ilay zaza rehefa lehibe.Ampianaro mitsitsy na manana aza ianao ary afafaza ombieny ombieny ny fiainana niainanao fa hisy voany ihany izay lazainao.Omeo fitiavana ny ankizy fa aza variana amin'ny fitadiavana fotsiny,Asio fiarahana miaraka ny ankizy na indray mandeha ao anatin'ny herinandro fotsiny aza fa misy ny ray tonga ao an-trano milonjo be fotsiny,misy koa ny reny reraka ny fikarakarana dia samy tsy misy fitsikiana mihitsy ao an-tokan-trano.Tsiky dia ampy :D mahafoaka zavatra be io amin'ny fiainana rehetra.Zaro amin'ny lalana tokony hizorany izy e.Ankino amin'Atra hatrany ny fiainan'ny tanora fa be ny fakampanahy sy ny tsindry azo lena mianjady azy ireo amin'ny hamafin'ny fiainana.Tsy voatery eto mada ihany anefa izany fa efa mihanaka erak'izao tontolo izao io.Saingy ny toetsaintsika indraindray mbola tery moa ny ankizy koa manaonao foana fahatany.Teneno amin'ny fo milamina sy fitiavana izy fa aza kitakitaina satria rehefa miteny malefaka ianao dia misy miditra ao amin'ny sainy ilay izy ary misy hisainany rehefa avy eo.Tsy ampy fitiavana,tambitamby,fifandraisana ao an-trano,fiaraha-miaina,fiaraha-mivavaka,ary vola no antony iray mahatonga ny ankizy hanaonao foana amin'izay isika dia mijery sy manara maso azy ka ny fanaovana zavatra toa ireny dia hijery sy hiantefa aminy ny saintsika.Fetsy itony ankizy.
EFa nampianatra ankizy maro aho taloha ary tena tiako ny mampianatra ireny Jardin d'enfant ireny.Izaho koa moa tia milalao ny mpianatro rehefa recreation ireny ka mitangorina eo amiko daholo ny ankizy.Ny sasany mipetraka eo am-pofoana,ny sasany milalao ny tanako ,ny voloko sns.Misy aza ankizy mitomany hianatra na Sabotsy sy Alahady hono hoy ny reniny.Maro e fa ny tiako ho tenenina fontsiny dia mila tambitamby foana ny ankizy na ny zanaka ary mba teneno azy ireo izay zavatra tsara ataony fa tsy pepoina foana ny lohany.Tsy nahomby tamin'ny fianarana na fanadinana izy? omeo courage fa tsy latsaina.Nisy iray mahantra kely izay mila tambitamby izy ary dia manao fanahiniana mipipy an-kilaoty foana.Indray andro anefa nosoloiko ilay silipikeliny fa manana fiandry ny sekoly ary dia nitsiky izy nijery ny mpiara-mianatra sady feno fifaliana ny endriny manontolo.Fitiavana kely fotsiny no tiany sy notadiavina ary dia izay ihany,tsy namely am--pantaloha intsony ilay zaza.Nisy noentiko tamin'ny fitaizana ny tanora io ka omeko anareo ihany koa.Fitiavana ihany no mahasolo ny fitiavana,omeo fitiavana ny ankizy fa mahafoaka zavatra maro io fa tsy hanova lalana kanefa tsy hisy anaraka.Nefa aza aloha e :idea:
7. bazylou ( 03/05/2007 18:31)
ka ianao anie tsy mahagaga ry bozyboleta fa vavan'ny tsy nahazo ianao e!! maninona raha manao an'ireny dia mba mety hahita lahiny :lol::lol:e!!
IAnao aza efa soara be
8. meva2 ( 04/05/2007 08:57)
Izy ity dia tena phénomène de société mihitsy e!
Tsy misy hoe aiza na aiza fa eran'izao tontolo izao ary rehefa diso tafahoatra dia lasa danger mihitsy.
Jereo fotsiny ange ireo stars sy clip mandeha isan'andro e! nefa ny ankizy mijery sy mankafy dia mbola zaza daholo.Ataovy ny essai ohatra @ clip, piho ny volume dia jereo ny sary, mazàva be ny message!
Jereo ny émissons malaza, ny télé réalité sy ny karazany.
Misy koa ireo karazana fomba fiaina, fomba fisainana,fomba fihetsika izay mikatsaka hatrany ny mba tsy hitovizana amin'ny olona: ireo karazana piercing, fiakanjo gothique, poupées japonaises indraindray efa lasa surréaliste mihitsy ilay fomba fijery.
Nankaiza ny essentiel?ny valeur? lasa film sy personnalité anaty télévision sy playstation ny ankamaroan'ny olona.
9. bazylou ( 07/05/2007 21:41)
aleo halalaka ny zavatra atao sy ny fomba fijery e!!
10. melody ( 12/05/2007 21:17)
IAnao aza efa soara be

aza mba manao an'izany kosa ra-bazy fa samy manome ny heviny daholo ny eto a, na antitra na tanora, mba asio fanajana kely azafady o!
11. meva2 ( 14/05/2007 07:01)
Dia avy eo gaga daholo rehefa mahita sy maheno vaovao mahatsiravina. Ny "fahalalahan-tsaina" tsy midika hoe "fanimbana". Mba jereo ireo horreur rehetra amin'izao fotoana izao, tsy izany mihitsy no atao hoe fivoarana amiko.
12. bozyboleta ( 14/05/2007 12:06)
Mpandefa : bazylou [ Valio ] 03-05-2007 20:31:36
Lohateny : Re : Volavolan-dalàna mikasika ny fitondran-tena eto Madagasikara
ka ianao anie tsy mahagaga ry bozyboleta fa vavan'ny tsy nahazo ianao e!! maninona raha manao an'ireny dia mba mety hahita lahiny e!!
IAnao aza efa soara be



Angamba alou afangaronao @ olon-kafa za ry bazyloup.
Avelako eo fa tsy tohizako akory ny @ io satria HS.

Ny momba le tena sujet no resahiko. Misy mihevitra fa détail tsisy dikany lôtra zany resaka fitafy sy fitondran-tena izany ary tokony halalaka ny fomba fijery. Fa le akony eo @ fiaraha-monina ==> firenena mitsy no tsy tsapan'ireo.
Tsy fandrosoana na fivoarana mitsy rehefa manohintohina lafiny hafa indrindra ny maha-olona.

Raisiko fotsiny zao hoe misy pataloha taille basse reny amidy eny an-tsena eny @ zao misy soratra hoe "I'm sexy" eo @ vodi-pataloha. Raha RAD mahalala ny dikan'io sy tena misaina tsy hamela ny zanany hanao an'iny mitsy. Nefa vitsy ny mahafantatra an'izany fa lamôdy sal@ rehetra ihany io. De mividy ny betsaka ary mahalafo ihany koa ny mpivarotra. Avy eo hita @ gazety fa nisy ankizy violée tary anann tary.
Raha tena jerena @ lafiny fanabeazana de tsy tokony amidy akory ireny zavatra ireny. Izay le lalàna tadiavina satria mbola tsisy moa izy io @ zao fotoana de manjaka ny baranahiny

13. Kota ( 27/06/2007 15:55)
bozyboleta:


Raisiko fotsiny zao hoe misy pataloha taille basse reny amidy eny an-tsena eny @ zao misy soratra hoe "I'm sexy" eo @ vodi-pataloha. Raha RAD mahalala ny dikan'io sy tena misaina tsy hamela ny zanany hanao an'iny mitsy. Nefa vitsy ny mahafantatra an'izany fa lamôdy sal@ rehetra ihany io. De mividy ny betsaka ary mahalafo ihany koa ny mpivarotra. Avy eo hita @ gazety fa nisy ankizy violée tary anann tary.
Raha tena jerena @ lafiny fanabeazana de tsy tokony amidy akory ireny zavatra ireny. Izay le lalàna tadiavina satria mbola tsisy moa izy io @ zao fotoana de manjaka ny baranahiny



Marina ilay lazainao nefa ampy ve ny lalàna ? raha vao misy lalàna ohatran'izay mantsy dia efa hitako aty sahady ilay wawawa hoe ny olona mahantra ka atao inona koa izany lalàna izany? araka ny fahitàko mantsy dia misy ezaka ataon'ny fanjakàna miroso amin'izany ihany fa zavatra hafa no hitan'ny olona !
14. bozyboleta ( 29/06/2007 10:29)
Ny olona ange tsy maintsy mahita wawawa foana e!
Fa farafaharatsiny hoa misy lalàna ifehezana an'io fitondran-tena io de mba mety hihena ny voka-dratsiny @ zay fa mba mitandrina daholo ny rehetra ary izay manao tsy mety de saziana.
Ny RAD no tena tompon'andraikitra @ zay satria afaka misaina ka mba hahalala hoe inn no tokony hanaovan'ny zanany fa tsy ty lamaody rehetra ty de tsara sy azo atao daholo.
15. Kota ( 29/06/2007 22:00)
bozyboleta:

Ny olona ange tsy maintsy mahita wawawa foana e!
Fa farafaharatsiny hoa misy lalàna ifehezana an\'io fitondran-tena io de mba mety hihena ny voka-dratsiny @ zay fa mba mitandrina daholo ny rehetra ary izay manao tsy mety de saziana.
Ny RAD no tena tompon\'andraikitra @ zay satria afaka misaina ka mba hahalala hoe inn no tokony hanaovan\'ny zanany fa tsy ty lamaody rehetra ty de tsara sy azo atao daholo.


Azoko ny tinao ahatongavana fa ny loza anie dia ireo ankizy ankehitrio resahinao dia ho RAD any aoriana. Tsy haiko loatra ny vokatr\'ilay lalàna momba ny mini jupe fa ohatran\'ny sarotra ihany ilay hamaritra hoe izao no karazan\'akanjo azo anaovana. Iza no nahafantatra hoe hisy ny pataloha taille basse sy ny string sns ? fa ny tiako hambara dia hoe maninona ireny karazan\'akanjo hoe sexy ireny no mandeha na tsy mahatafintohina ny vazaha ? satria ny soatoaviny dia tsy mifanipaka amin\'izay!ny azy \"izao tontolo izao\" no arahiny ! Angamba tsy génétique ilay fahamaotinana fa avy amin\'ny fitaizana, avy amin\'ny soatoavin\'ny fiaraha-monina. Dia ny tiako hanohizana ilay resaka dia hoe inona izay soatoavin\'ny fiaraha-monina malagasy izay ?
16. bozyboleta ( 03/07/2007 09:35)
Ny soa toavina lehibe @ malagasy de ny fihavanana sy ny fifanajana, satria ny malagasy de miaina anaty fiaraha-monina itambarambe (io ngamba mahadika ny société communautaire e?).
Manaraka izay satria maro ny malagasy no krisitiana de mametraka izy fa ny tenan’ny olona de tempolin’Atra. Ka raha mitambatra ireo de mazava ho azy fa: hajainao ny tenanao satria tempolin’Atra ka tsy avelanao ho simban'ny fihetsika na fitafy tsy mendrika @ zay maha-kristiana anao zay, ary manaja ny hafa miara-monina aminao koa ianao satria tsy manohintohina ny hafa @ fihetsika sy fitafinao. De mirindra arak’izay koa ny fihavanana ko inn ndray?
Any @ vaza izay miaina anaty fiaraha-monina samy maka ho azy (société individualiste), tsisy iraharahiany an’ze fitafy sy fihetsika zany fa samy mande samy mitady, ary samy manao ze vousvoulez-ny ny tsirairay, tsisy bedy eo ary tsisy mifampiteny.
Fa tsy azo adika ho an’ny gasy io fomba sy fihetsika io satria ny gasy efa io lazaiko ery ambony ery io fa miara-miaina.
Soa ihany fa vao nanomboka tsy ela akory zay ny commune urbaine Antananarivo de manao fanentanana @ io attentat à la pudeur io, anisan'ny lazainy ao na de ny fitenenan-dratsy aza.
17. Kota ( 03/07/2007 18:27)
Ireo soatoavina lazainao ireo no hitako tian'ny Filoha Ravalomanana omena lanja sy averina eo amin'ny malagasy fa zavatra hafa no hitan'ny olona ! na ny fidradradradràna laïcité io dia mitovy amin'izay ! tsy mitovy akory ny fomba fisainana sy ny zavatra niainana fa dia misy honena mafy mihitsy te hanao izay fanaon'ny vazaha fotsiny !!!
Hay ve efa misy an'izany ao CU Antananarivo e ! tsara kosa izany !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1691