mila vonjy

1. xxx ( 29/04/2007 18:34)
reni-mpianakaviana aho mianadahy ny zanko,ny zanako vavy nihinana pilules,nijanona efa tamin'ny novembre lasa teo,tonga ny fotoanany roa volana tao aoriana ny nijanononany,natahotra ho bevoka izy ary dia naka pilules du lendemain,nano analyse avy eo fa tsy bevoka hatr'izao,ny holana dia tsy tonga intsony ny fotoanany hatrizao,sao mba misy toy zany dimy volana tsy tonga fotoana nefa tsy bevoka,misaotra mialoha:!:
novalian'i xxx ny 12/05/2007 10:41
2. xxx ( 29/04/2007 22:27)
Mijereva gynéco. Matetika rehefa mijanona tsy mihinana pillules dia miviaka foana ny hormones sy ny cycles fa miverina ho azy izy avy teo.
Na izany na tsy izany, asaivo manatona gynéco izy e
3. xxx ( 30/04/2007 05:48)
misaotra,zay ndrindra no mahavaky ny saiko,efa nijery gyneco izy ary fanafody toy ny vehivavy menopause hoho no namen'ilay gyneco,matahotra be aho sao karazana cancer no mahavoa azy sa ve misy ny toy izany,mba vonjeo raha misy mahalala ny toy zany,any paris izy,izaho aty dago,vaky ny lohako,mianatra izy
4. xxx ( 30/04/2007 07:04)
mety ho fantatro io zanakao io, aza miasa loha intsony fa tsy misy hatahorana io,asa raha manomboka ny M ny anarany d vao maty vao tsy ela ny dadany,vadinao moa zany e.Ambony fotsiny ny morale e:)
5. xxx ( 30/04/2007 11:36)
xxx:

mety ho fantatro io zanakao io, aza miasa loha intsony fa tsy misy hatahorana io,asa raha manomboka ny M ny anarany d vao maty vao tsy ela ny dadany,vadinao moa zany e.Ambony fotsiny ny morale e:)


tsy haiko aloha fa vaky saina aho ary misaotra anao namaly,ny rainy mbola velona fa nitsaoka anay nanambady sy niteraka amin'ny hafa mianatra ao creteil izy mianadahy,misaotra e
6. sakaizakely ( 30/04/2007 16:23)
tsy tokony hatahotahotra ianao satria raha aty frantsa dia aradalana daholo ny prise en chargen'ny aretina rehetra.

Raha sanatria dia sanatria ka hoe cancer, dia tsy misy antony anafenan'i dokotera aminy ny marina, ary tsy maintsy omeny traitement mifanaraka am'zany ilay zanakao (radio, chimiothérapie...) sady ampidiriny hopitaly. Matoa tsy nataon'ny dokotera an'izany dia satria zavatra hafa no mahazo azy.

Ka mandria saina raha mikasika an'io.

Ny momba ny mahazo azy indray dia tsy afaka ny hiteny aho satria mbola tsy fahenoko loatra io. Tiako fantatra hoe maninona no nanajanona pillules ilay zanakao ? Sao ary dia mba bevohoka ihany ? (nanao prise de sang ve hi-confirmer-na an'io ?) Manaraka : nofosana be ve le zanakao. Misy mantsy amin'ireo olona diso nofosana be (obèse) no manao an'izany

Momba ny fanafody amen'ny dokotera indray dia manandrana traitement arak'izay fahitany azy izy, rehefa tsisy vokany dans 2-3 mois ohatra dia mety asainy manao examens fanampiny ilay zanakao dia ovany indray ny traitement araky ny valiny.

Manaraka protocoles ny ankabeazan'ny traitement aty ka aza manahy fa mahandrasa kely fotsiny

Mahereza :-*
7. xxx ( 12/05/2007 10:41)
:arrow:misaotra na ela aza vao namaly fa tsy mahita internet isan'andro fa kay tena mitoe-zaza izy ary voalahany mbola tanora fa 22ans e,misaotra anareo rehetra,veloma
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1034