Izaho no namono ny voay koa ianao no hiravaka ny vanginy????

1. Jeankely ( 29/04/2007 07:09)
Ity fitenenana ity dia tsarointsika tsara hoe olona sahala ny ahoana no nampiasa azy. Ny resaka politika izany amindry zareo midika fa rehefa nisy soa na kely vitany dia izy no mihinana an'iny ary potehina daholo raha miala izy ka raha mahay izay manaraka manao koa. Io no nandetika ny firenena satria miverina "Starting point" foana izany. Tsy mahagaga raha potika ny tranompanjakana avy hitoerana, ny fiara-mpanjakana anaovan'ny zanaka kilalao ary eny fa na ny "Document" aza dia aleo dorana na afenina fa sao tafavoaka ny manaraka. Samy hanao izay ve ny mpitondra mifanesy??? Dia tsy hainay aloha fa mpanabe izahay ary mizara mihintsy. Faly izahay rehefa mahita ny mpianatra tafita sy tafahoatra fa tsy hoe eo ambaniko foana nareo fa potehiko daholo raha tsy izaho no eo. Hialao impito mandifotr'olona io fisainana io ry tanora fa MATY MAMELA MAMY no ady eo.
novalian'i Jeankely ny 03/05/2007 05:32
2. maditra ( 29/04/2007 15:36)
Misaotra Mr. Jeankely! Marina tena marina mihitsy ny zavatra teneninao! Manaja anareo mpanabe koa ny mpianatra, manaja ny fahendrenareo. Ho an'ny mampianatra rehetra izay miezaka mafy manao izay ahatafitana anay mpianatra ny fisaorako sy ny fanajako. Ho an'ny ray aman-dreny izay milofo mafy mba ahatafitan'ny zanany koa. Isaorana koa, indrindra indrindra, Andriamanitra izay nanome, manome, ary tsy hitsahatra hanome olon-kendry ho an'ny Tanindrazana!
3. Jeankely ( 30/04/2007 02:23)
Misaotra anao ary mino aho fa "user name" fotsiny io "maditra" io fa tsy hanao ditra hamotika an'i Madagasikara isiaka. Marobe no mahatonga izao fahasahiranana izao. Jerenareo tanora fa ireo milaza ho manampahaizana sy manaratsy ny sasany iza izy? Tsy mbola nisy Malagasy nahazo "Nobel Prize" na amin'ny taranja "Economics" na hafa nefa sahy miteny fa Economist fatratra ary miteny fa tsy mahay iretsy. Izaho mba miteny anareo tanora mianara tsara ary mikaroha asehoy fa misy Malagasy misoratra anisan'ireo malaza eran-tany. Iza amin'ireo milaza mahay ireo no fantatra "International Level"? Tsy misy. Noho izany ianareo tanora no andrasana. Mpamahandalitra ireo miseho mahay ireo. Jereo amin'ny Internet ny anarany raha "International" izy.
4. pimaso ( 02/05/2007 12:18)
Vive jean kely sy basta
;-)
;-)
;-)
5. Jeankely ( 03/05/2007 05:32)
I Bazylou tsy Basta fa "Mpams". Tsarovy fa raha hanimba an'io firenena io daholo isiaka mianakavy dia sady hiomehezan'ny firenena hafa no hanenina mafy ary tsy hihevitra anao ho misy dikany mihintsy ny olona fa tondroiny molotra ianao any aminy any. Matao ny olona mila vahiny dia misy hilany azy fa tsy hameno ny tananany fotsiny akory.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1306