tadiavo Jesoa (Bessa)

1. alval ( 27/04/2007 17:10)
Mba mitady ny tonon-kiran'io hira io anie azafady raha mba misy mahalala ianareo e! TADIAVO JESOA izay noforonin'i Bessa ary hirain'ny chorale FPMA indrindra indrindra!
Misaotra betsaka ho an'izay afaka manampy!
novalian'i xxx ny 12/05/2007 21:43
2. Fiffi ( 27/04/2007 18:07)
heu.....andraso aloha fa toa manana an'io zah fa mbola ho tadiavina....:)
3. tynah ( 27/04/2007 18:48)
zah koa tia be an'io hira io , fa tsy d tadidiko tsara ny tonony fa toa nataoko mifangaro be lay izy fa miandry an'i fiffi zany! d misaotra eh!!!:-*
4. cutie ( 27/04/2007 20:17)
sao de le misy an'ty zany :

F'izay vavaka tena avy ao am-po
reny avokoa
Ka valiany ianao
Isan'andro
Asiany soa
Raha sendra manjo
Tadidio, f'izao atao
Tadiavo jeso
Izy mitady anao
5. Fiffi ( 28/04/2007 11:59)
io no hananako fa anaty CD fa tsy mbola azoko ny tonony.....
6. tynah ( 29/04/2007 15:17)
io mintsy lay izy ry fiffi ah!!!:-*
7. xxx ( 12/05/2007 11:03)
1- Moa ny entanao ve mila tsy ho zakanao
Fa mandia irery lalan-tsarotra ianao
Tsapanao ho very sy mahantra ve ianao
Jeso no antsoy izao ankehitriny izao

Fiv: F'izay vavaka tena avy ao am-po
reny avokoa
Ka valiany ianao
Isan'andro
Asiany soa
Raha sendra manjo
Tadidio, f'izao atao
Tadiavo jeso
Izy mitady anao

2- Ny fiainanao ve mampivadik'atidoha
Ny ho avinao ve tsy azo antenaina koa
Efa mila hamoy fo mitady ho kivy ve ianao
Jeso no antsoy f'izy hanampy anao
8. xxx ( 12/05/2007 21:43)
merci
fa tena bessa ve no mihira an'io?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0801