tilapia nahandro gasy

1. dailynews ( 25/04/2007 16:38)
mba te hahandro an io aho anefa tsy mahay ka mila fanampiana. misaotra o
novalian'i karinah ny 27/04/2007 08:04
2. Stretch ( 25/04/2007 17:00)
[IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Animaux/poisson-bocal-3.gif[/IMG]

kikisana klou le tilapia , sasao tsara ary aza atao maimbo mintsy.
tsara ra zaraina 2 ra trondro madinika , 3 ra vaventy.
tetehana ny tongolo sy vôtabi,
afanaina ny menaka, endasina ny tongolo sy vôtabi, sira , sy poavira
(afaka asiana lafika koa ny tilapia ra tiana
poireau, tsaramaso , voanjobory, harkôvera)
arotsaka aorianan'ny saosy ny lafika ra tiana
apetrapetraka eo ambony ny tilapia.
afaka mbola asiana tongolo sy vôtabia eo amboniny
siraina,ampiana menaka araka zay hitiavana azy.
(aza dia tia menaka loatra fa mapatavy aingana reny)
tsy azo karohina ny tilapia refa andrahoina .
endrasana ho ritra fotsiny d'efa afaka minana refa avy eo.
3. simplex ( 25/04/2007 17:08)

merci strech :-*

ary awona ny fanaovana trondro-dranomasina? :P
4. Stretch ( 25/04/2007 17:17)
ôtrizany ihany ko ,
fany andry ranomasina matetika asian'ny ol voanio voakiky, de tena hafa ndray ny lalany.
5. simplex ( 25/04/2007 17:25)

d matsiro ve? le andrahoana no tiako tenenina. Sa hoe le asiana coco no mahatsara azy.

resety exotika no tena tiako ra misy manana hoe endasina d atao an'zao sy zao na hoe fandrahoana speciale na otr'zany e.

Fa le andrahoana @ zao alou tena tsy miady e. :°):P
6. booboo ( 25/04/2007 17:56)
miady ihany ilay andrahoina @ zao kah. Manamboatra sauces hafa fotsiny ampiarahina aminy dia zay...Ohatra hoe euh...sauce beurre blanc na sauce hollandaise :miam::miam::miam:
7. simplex ( 25/04/2007 18:10)

hu hu hu
ahoana ny fanaovana azy ry kala fa aza ilaozana minan-drery eo a:twisted: :P:°)
8. pissoa ( 25/04/2007 18:12)
Stretch : tsaramaso sy trondro ?! :-D:-D:-D
andramako refa tena en panne d'inspiration za cote good food :-D:-D:-D
9. diamondra27 ( 25/04/2007 21:04)
tilapia: hummm

endasina kely aloha vao andrahoina sosy votabia sy tongolo, persil de atao maimay @zay de miady ny kaokany :oops::oops:

ny saumon ndray atao anaty lafaoro tena matsiro mihintsy
10. karinah ( 25/04/2007 21:50)
iza zao mitady resety misy voanio zao o?

endasina, ny trondro, mety aby zay rhf trondro, fa ny trondron-dranomasina no tena fy:miam::D
de endasina mitokana ny votaby sy oignons, de araraka amboniny @ izay, de araraka koa ny ranona coco efa vita @ boaty fa raha hikarakara azy manta indray mila le fitovana spesialy(=angozo), de ketrehina 15 à 20mn, vita,de azo asina brin na persil rhf masaka,:D , bon 'ap:miam::miam::miam::wink:
11. karinah ( 25/04/2007 21:50)
ny dipoavatra tsy hadino (atao kelyftsn rhf masaka):miam::miam::miam::lol::wink:
12. dailynews ( 26/04/2007 00:50)
andray strecth, misaotra betsaka. fa ilay lafika moa ahoana marina ny fanaovana azy fa tsy mbola nanao izy io aho?
13. johnnyandri ( 26/04/2007 04:53)
azo atao lafika koa ny sosety, aubergine.Dia raha te hankafy hafa kokoa dia andrasana ho ritra inefatra ny rano atapoka eraky ny kopy, izany hoe isaky ny ritra ny iray kopy dia tapohina iray indray. Tsy manelingelina ny taolany rehefa mihinana azy. ny tongolo lay atao rehefa faramparany iny amin izay taraiky ny fofony , raha mankafy azy
14. diamondra27 ( 26/04/2007 08:27)
raha voanjobory sy tsaramaso zany kosa no atao lafika tsy maintsy mba andrahoina mitokana kosa angamba aloha fa tsy miaramasaka @ trondro izany e! sa ahoana?

karinah: "bozy" koa no anaran'iny fitaovana fikikisana coco iny :wink:
15. meva2 ( 26/04/2007 09:01)
Ny ahy izao ny pirina endasina hoanina @ vary sosoa no tena tadiaviko mihitsy !!! na koa ny anamadinika sy ny saosisy gasy ilay misy ovy !!!Avy eo koba...snif,snif..
16. diamondra27 ( 26/04/2007 09:57)
meva2: de atao ahoana le fahandro pirina
mba hazavao tsara akia a!
alohan'ny hanendasana azy de inona no atao , de menaka otran'ny aona no atao @ le pirina?

Za manana pirina ato antrano manko zao ,lol
de lasa mipirina fotsiny ao le izy:lol:
17. mandrindra ( 26/04/2007 10:30)
lafika henakisoa matavy no tena milay satria mahamandimandina ny nofotrondro ny tavinkisoa.

tandreo rehefa mahandro sao dia haroina ny laoka fa avy hatrany dia potika an.
18. meva2 ( 26/04/2007 10:47)
asiana lafarininina kely dia somary atao be menaka mafana tsara. Ny tsara aza raha misy friteuse.
Aiza ianao no mahita pirina? izaho mitady mihitsy fa tsy mahita!!
19. vale ( 26/04/2007 10:51)
raha france enao de CORA mivarotra pirina ndranomasina!.
20. vale ( 26/04/2007 10:54)
hatao à vilany saba koa mande tsara be!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1539