Anarana Malagasy

1. soanja ( 24/04/2007 05:58)
Saika mba hitady anaran-jaza vavy kely na lahy kely misy ifandraisany amin'ny Natiora, tsy be mpanana, ary milaza fahendrena Malagasy.
Misaotra mialoha o.
Azafady mba omeo ny dikany na ny fanazavana an'ilay anarana koa raha azonao atao izany.
Ohatra hoe "Mimoza" dia hoe vonikazo, miloko tahak'izao , manitra tsara ary ataon'ny mpifankatia fanomezana na fakana aina eo ampotony sns ohatra. :-*
novalian'i Fiffi ny 26/04/2007 12:58
2. sonwin ( 24/04/2007 08:16)
Hasinandrianina :

- Hasina: zava-maniry, nefa ihany koa entina hilazana hery tsy hay azavaina, toy ny hoe hasim-panahy, hasin-drazana sns ka mahatonga ilay hoe manan-kasina. Io zava-maniry io matetika no ampiasan'ny katolika malagasy rehefa sampankazo, io ihany koa anefa dia mifono hery miafina mitondra fahasoavana ho an'ny mpandala ny maha-malagasy
- andrianina: milaza fahendrena malagasy io satria mematraka olona amin'ny toerana sahaza azy sy manome haka, toy ny hoe izay marary andrianina, ny manam-pahefana ihany koa no andrianina,sns...izay ihany koa no mahatonga ilay hoe andriambavilanitra, sns

Ny anarana hoe Hasina na koa hoe Andrianina dia be mpanana, ilay izy mitambatra Hasinandrianina kosa anefa dia vitsy ihany no mitondra azy.

asa anefa....
3. Jeankely ( 24/04/2007 10:17)
Mino aho fa tsy mila hazavaina fa hainao ny dikan'ity anarana ity. RAITRA. Zanaky ny namako no nahitako anio. Tena tsara ary Raitra tanteraka ny zanakao.
4. majakely ( 24/04/2007 10:19)
misy hifandraisany am natiora ve ny raitra??
5. ikaretsaka ( 24/04/2007 12:46)
Ilo: Raha tsy misy ilo tsy mandeha tsara ny masinin'ny natiora:, avy amin'ny zava-manisy izy no alaina, afaka atao emboka manitra koa (mirovy @ frankincense) le ataon'i mopera ao anaty ascensoir le midonatsetroka iny (raha katolika) aza mandraraka ilo mby andoha hoy ny malagasy wink:
6. lapino ( 24/04/2007 13:43)
Vahatra : (=faka)
mitazona ny zavamaniry tsy hianjera, dia iankinan'ny ainy koa ... ary mamikitra amin'ny tany aniriany :wink:
sady mety anaran-dahy io no mety anaram-bavy
7. soanja ( 24/04/2007 14:00)
Misaotra antsika rehetra. Tohizo hatrany raha mbola misy azafady o.
8. fanaina ( 24/04/2007 15:01)
http://www.ratsimandresy.org/anarana.php
9. scorpion ( 24/04/2007 15:16)
Voajery teo
10. vale ( 24/04/2007 15:41)
felana> felam-bonikazo
11. Fiffi ( 26/04/2007 12:58)
humm......misy choix bdb kosa an ! :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4815