Leader Fanilo : Mitaky famotsorana an'i Roland Ratsiraka

1. jefra ( 23/04/2007 16:14)
Leader Fanilo : Mitaky famotsorana an'i Roland Ratsiraka sy ny gadra pôlitika

Miditra lalindalina hatrany amin'ny fanoherana ny fihetsiky ny mpitondra fanjakana ankehitriny ny Fikambanana Leader Fanilo.

Ny fanambarana navoakany ny zoma teo no nanipihany mivantana ny fiangaviany an'ireo rehetra manana fahefana ankehitriny mba hampitsahatra miaraka amin'ny vava ny fanenjehana sy fampihorohoroana ny mpanohitra.

Notsiandrian-dry Razafimahaleo Herizo amin'izany koa ny karazana fitakiana izay milaza hoe "aoka ny manana ny fahefana ara-panjakana mba hanaja ny lalàna velona sy hiatrika amin'ny fomba madio sy mangarahara ny raharaham-panjakana sy ny raharaham-pirenena, ary aoka havotsotra avy hatrany ireo olona nampidirina am-ponja noho ny antony izay tsikaritry ny maro fa ara-politika fotsiny".

Ny trangan-javatra tato ho ato teto amin'ny tany sy ny fanjakana no nanosika ny Leader Fanilo ho namoaka fanambarana tamin'io zoma io ka tsy nihambahamban-dry zareo namaritra fa "niendrika fanararaotam-pahefana sy fanitsakitsahana ny demokrasia ny toe-javatra niseho tato ho ato teto".

Notsorin'ity antoko ity mihitsy moa fa "tsy azo ekena ny fomba fitondrana firenena miainga amin'ny fampihorohoroana ara-pôlitika". Hatramin'ny fihetsika miharo lainga sy fitapitaka ary fanodinkodinana ny safidim-bahoaka no lazain'ny Leader Fanilo fa tranga niseho tato ho ato." Izay koa no ilazan'ity antoko ity ny fanamelohany ny fanenjehan'ny mpitondra fanjakana an'ireo olom-pirenena sy mpanao politika sahy mamotsipotsitra sy mitsikera ny tsy mety na ny tsy rariny na ny tsy ara-dalàna ataon'ny mpitondra."

Momba ny raharaha nampidirana am-ponja an-dRatsiraka Roland dia misarika ny fisainan' ny rehetra ny Leader Fanilo ny amin'ny fahamarinam-pototry ny fihampangana an'io Ben'ny tanànan'i Toamasina io. Izay fahamarinam-pototry ny fihampangana azy izay koa, raha tena marina, no nanosika ny Leader fanilo ho nampitaha ny tranga ataon'ny mpitondra fanjakana sasany amin'izay antony nampidirana am-ponja an'ity ben'ny tanàna ity.

Isan'ny notsongain'ny Leader Fanilo amin'izany, ohatra ny hoe "tsy miendrika fanodinkodinana volam-panjakana koa ve, izay iampangana an- dRatsiraka Roland, ny tsy fandoavan'ny orin'asan'ny mpitondra ny haban-tseranana na ny hetra tokony haloany ka mitarika fahabangana eo amin'ny kitapom-panjakana?". Toraka izany koa ny hoe "tsy "trafic d'influence" na fampiasana fahefana ho amin'ny tombontsoa manokana ihany koa ve ny fanaovan'ny mpitondra iray didiko fe lehibe ka ahazoan'ny orin'asany amin'ny fomba tsy mangarahara fiantohana asa na "marches" izay mitentina volabe avy amin'ny fanjakana na avy amin'ny kaomina, ary izany na tsy nandalo tolo-bidy (appel d'offres) aza ?"

Nampilaharin-dry Herizo Razafimahaleo amin'izay fiampangana an-dRatsiraka Roland hoe nanao "requisition de paiement illégale" na "fampandoavana vola tsy ara-dalàna" koa ny fampanaovan'ny mpitondra ankehitriny "requisition" goavana teto amin'ny tany sy ny fanjakana, ary maro tamin'ireny nataon'ny mpitondra ireny no sady tsy mitombina ny antony nanaovana azy no tsy voamarina na "regularisé" taty aoriana.

Eo anatrehan'ny fihetsika amin'ny ankapobeny ataon'ny mpitondra fanjakana, indrindra ny fanararaotam-pahefana voatsiahy etsy aloha dia manahy ny Leader Fanilo, araka ny fanambarana navoakany, fa mety hanimba ny rivotra pôlitika na mety hamotika ny fiaraha-monina eto amin'ny firenena ny fitohizan'ny fanenjehana sesilany ny mpanohitra toa izay atao amin-dRatsiraka Roland sy ny hafa.

Tsy nohadinoin'ny Leader Fanilo koa moa ny nampahatsiahy ny tokony hirosoana marina amin'ny tena ady amin'ny kolikoly, ka ny fananganana ny Fitsarana Avo na "Haute Cour de Justice" no isan'ny fanoitra ho amin'izany. Io moa dia nomarihin'ny fanambarana nosoniavin-dRazafimahaleo Herizo fa "efa ho roa taona izao no nametrahan'ny vondrona parlemantera Leader Fanilo volavolan-dalàna momba azy io eo anivon'ny Antenimierandoholona nefa dia tsy mety tafiditra ao anatin'ny laha-dinika na "ordre de jour" izany hatramin'izao".
novalian'i Fiffi ny 26/04/2007 10:54
2. Fiffi ( 26/04/2007 10:54)
aleo aloha vakiana miadana....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3063