zaobavy sy rafozana manirikiry

1. xxx ( 22/04/2007 08:31)
manaona doly
hono ry reto fa inona mintsy ny tena tsy zaka'ny zaobavy sy ny rafozana @ vinanto eh!
fa draindray tena manirikiry mintsy ; za aloha hatramin'izay tsy mba namaly zany fa zao za lasa tena leo be ; ka zao mety ve za raha mba maneho ny hevitro @zay , sa voatery handefitra foana
mba maka hevitra aminareo raha mety
novalian'i beby2 ny 28/06/2008 09:06
2. kally ( 22/04/2007 09:39)
Tsy voatery ho ny zaobavy sy ny rafozana ihany fa rehefa mifampikasoka be loatra ny olona dia mifanirikiry ny iafaràny.Io miankina aminao ihany ny hoe handefitra na tsia, diniho tsara fotsiny hoe inona ny fahadisoanao dia inona ny fahadisoan-dry zareo mba ho mora hamahanao ny olana.
3. pitoussy ( 23/04/2007 08:49)
ovao njay zany alou ny criteres refa hanambady :D
1- efa kamboty tedavina
2- zazatokana
tonga d vovaha ny blem :-D:-D , je rigoooooole 8)

diniho tsara fotsiny hoe inona ny fahadisoanao dia inona ny fahadisoan-dry zareo mba ho mora hamahanao ny olana.


mitovy hevitra
4. xxx ( 23/04/2007 11:52)
Marina be ny lazain'i Kally

Raha hevitra momba ny tokatranonao dia tsy mila miteny aminy akory ianao fa manatanteraka izay tianao sy ny vadinao fa tsy misy idirany izany . Raha hevitra momba ny fiainan-drizareo dia tsy misy tokony hoteneninao na kely aza
5. lancia ( 24/04/2007 08:57)
amiko io normal raha tsy mifankatia loatra ny zaobavy sy ny rafozana ary ny vinanto satria eo amin'ny resaka fitiavana hoatra misy fialonana eo @ vinanto satria izy ol miditra nefa lasa tiana bebe kokoa,(ny vadinao io)ka ny vahaolana hitako fa mety dia ny somary miataka amindry zareo, izany hoe tsy de mifanosina be loatra nefa tsy de mifanalavitra be loatra
6. Fiffi ( 24/04/2007 14:55)
amiko de zao fotsiny hiany no fandehan'io:

-tsy misy zany hoe rafozana na zaovavy sy ny sisa manahira ....na hoe mialona ..na hoe inona koh ? aiza re zany eh ! ny tena olana de avy am-tsirairay... Hatram-zay ka hatram-zao de mbola io hiany no resaka.....

-Fa maninona raha vao hoe rafozana de hasiana olana ? tadidio nefa fa reny koh io olona io...tsy normale ve ozy nareo raha mba manomé ny heviny izy ?

-Tsy normale ve ozy nareo raha mba manoro izy ?

-Tsy normale ve ozy nareo raha mandray , manoro , manomé hevitra ohatran'ny zanany izy ? fa ny an'ny olona tondé raisina zavatra hafa foana....avy hatrany de hoe : tsy misy hidirany am-zany na hoe efa vadiko io de tokony tsy miditra am-fiainako izy sns......
-Marina fa hoe lasanao ny zanany , lasa vadinao fa aleo atao ao an-tsaina fa zanany zao no novadianao...ka normale raha ohatra ka mba manomé ny heviny izy sady am maha RAD azy ..tsy hitako zay maha-ratsy an'zany ! ny sain'ny olona angamba no tokony hovaina.....tsy tondé hiheritreritra zava-dratsy foana raha vao resaka hoe rafozana......
7. sakaizakely ( 24/04/2007 16:28)
za koa aloha dia ohatra an'i Fiffi io hoe tsy misy izany hoe rafozana sy zaoba foana no fautives fa ny toetran'ny tsirairay no mitarika ny tsy fifanarahana

raha hitanao fa mitsabaka be loatra am fiainanao ry zareo, mety tsy dia ny ratsy foana ange fa mety hoe be fitiavana ry zareo de farany leo ihany, toy le manome cadeaux fanaka na zavatra ao antrano, nefa tsy mifanaraka am goût-nao akory. Manda ianao sarotra be satria entanimpitiavana izy manao an'io, manaiky ianao dia ataony fanao ilay izy :-/ Sarotra ihany

Mahaiza mametraka limites, tsy mila misendaotra anefa fa ataovy resaka mazava tsara. Asaivo manampy anao ny vadinao f'aza avela mikolavaka, adidiny ny mandamina ny resaka miaraka aminao.
Mety sosotra ilay olona am voalohany, fa tsy maintsy tonga saina ihany izy rehefa farany.
Tsisy mafy tsy laitry ny zoto :°)
8. xxx ( 24/04/2007 17:44)
ka zao anie ny tena anie de mandefitra foana eh!mbola mahita kianina ihany zareo
9. mignone ( 24/04/2007 18:23)
aza mba hatao izany mandefitra foana izany , lazainy olona fa tsy manana personnalité ianao ...
10. Fiffi ( 24/04/2007 21:20)
heu......so de enao kosa aza ry xxx no tondé mandray ny zavatra ho ratsy na tsy mety ?
De resaho izy de azavao azy na na lazaina azy fa misy limite ny zavatra rehetra am-panajana.....
11. niryna ( 26/04/2007 05:37)
Samy manana ny tandrifiny avy ny tsirairay.Ny mahazo an'i xxx dia izy irery ihany no mahalala azy.Tsy afaka ny hanome tsiny azy isika.Lalam-piainana io,tsy mora ny mitondra tokan-trano indrindra raha miray trano izy.Tadidio fa olona samy hafa no hifamolavola ka mazava ho azy fa tsy hitovy mihitsy ny hevitra.Raha tsara vitana ianao dia sendra ny olona tsara sy mitovy eritreritra aminao.Misy ny reny tia ny zanany ka izany fitiavany izany no antony hitenenany.Misy koa ny manana fialonana ka ny vinantony no halany.Ny mianatra ny mifankahalala ny toetra no tena tsara indrindra.Jereo amin'ny lafin'ny tsara foana fa mandeha io.Raiso toy ny reny niteraka anao izy,misy zavatra fantatrao fa tsy mety moa ve ianao sahy hiresaka any reninao?Ataovy toy izany ihany koa.Mila mianatra ny mitia azy amin'ny fonao tanteraka ianao sy izy.Ny fitiavana tsy ampy mantsy dia anisany iray mahatonga io olana io,hita misoritra amin'ny endrika eo raha vao jerena izany fitiavana izany na misy na tsia.Mahereza xxx a,afaka miresaka aminy mivantana ianao raha tena manana faniriana ny hovtia azy toy ny reninao.Mandeha tsirairay io fa tsy atao indray mitambatra a.Andramo fa nandray ny rafozako toy ny reniko tanteraka aho ka tsy nahita olana taminy mihitsy sady tonga dia tia ahy koa izy.
12. Fiffi ( 26/04/2007 10:26)
xxx:
ka zao anie ny tena anie de mandefitra foana eh!mbola mahita kianina ihany zareo
sao de tsy fandeferana kosa aza zany fa nahafangaro am fanajana ?


13. tynah ( 26/04/2007 19:25)
fiffi: tsy mbola tratra toi eh! fa anontanoi an zay efa tratra anie fa tena mafy eh! fa zany hoe refa tinao lay vadinao d mandeha ho azy doly zany eh!
14. kally ( 27/04/2007 09:48)
Ny tokatranonao ry xxx dia anareo mivady, raha misy olona mitsabaka ny raharahan- tokatranonao dia anjaranao ny mamerina an'ilay olona amin'ny toerana tokony hisy azy.Ka diniho raha namita ny adidinao @ maha-tompon-tokatrano anao ianao na nanaiky lembenana.
Misy miteny hoe ka tiana ilay vady dia aleo tsy miteny : raha mitohy mihanahana eo ianao dia sady niaritra nijaly no mbola ho very vady ihany aoriana kely. Ka averiko ihany apetraho amim-pahendrena amin'ny toerana tokony hisy azy ny tsirairay. Iza no andrasanao hanao an'izany?
15. sakaizakely ( 27/04/2007 16:45)
xxx> mandefitra foana izany tsy midika fa ianao no manana ny rariny. Tsy maintsy mijoro ianao. Andramo tenenina indray mandeha fotsiny ange hoe tsy tiako izao toejavatra izao, ahitanao fotsiny ny fihetsiny. Mety ho izany no andrasany. Misy olona tsy tonga saina raha tsy tondroina tsara aminy hoe inona no tsy mety. tsy mpaminany mantsy ny olona.

Tsory fotsiny ny zavatra tsy tinao isaky ny mitranga izany. Mila manao mise au point betsaka mikasika ny fifandraisanareo ianareo.

Tokony resahinao @ vadinao koa ny olana. Hitanao eo izay fandraisany azy. Mety ampy hamaha ny olana koa ny fihetsiny eo ampovoanareo.
16. Zina ( 27/04/2007 17:51)
xxx [ Valio ] 24-04-2007 19:44:00
Lohateny : Re : zaobavy sy rafozana manirikiry
ka zao anie ny tena anie de mandefitra foana eh!mbola mahita kianina ihany zareo


Aza mba manaiky lembenana retsy. Mijoro @ ny maha indry andry sa my vehivavy ary samy manana ny ZO.
mahereza o:wink:
17. bozyboleta ( 28/04/2007 10:08)
Tiako mitsy ty lohateny ty ary efa nanao sal@ ty za talohaloha teo.
Ho an'izay mbola tsy sendrany de tsy hi-kôp mitsy fa ho an'ze efa niaina sy tratran'io sal@-na de mahalala tsara fa tsy mora e!
Ny tena antony @ niainako azy de ny tsy fahaizan'ny sasany mipetraka @ toerana tokony hisy azy.
Tokony hahalala ny reny fa refa manambady ny zanany de efa tapaka zay le cordon ombilical, ary efa matotra sy mahazaka tokatrano zay ny zanany matoa mandeha manambady.
Misy ireo reny (na ny an'ny lahy zany na ny an'ny vavy) tsy mahatakatra an'io fa mihevitra foana fa zanany io ka zo-ny ny miteny azy na de mahakasika ny tokatranony aza. De eo le fitsabahana @ tokatrano surtout resaka vola, avy eo miitatra @ resaka hafa: sakafo, fitaizana zaza, fianaran'ny ankizy, entana vidina ao an-trano...(ny rafozako de nanao an'ireo mitsy). De manampy trotraka koa le zaobavy avy eo. Tsy miteny za hoe tsy tokony hanome conseil ny reny fa le izy matetika tsy conseil fa tena critiques mitsy ary tonga de miantefa @ le vady (le vhv io).
Fa ny famahana ny situation sal@ io aloha de miankina betsaka @ fahendren'le lhl e. Raha mijoro @ maha-chef de famille azy izy de milamina.
Tokony ho fantatry ny reny fa samy hafa mitsy izany fitiavan-janaka, fitiavana RAD, fitiavam-bady izany ka tsy tokony afangaro ary tsy hisy antony hiteraka fialonana. Raha tena tia ny zanany le reny de tokony ho faly izy mahita ny zanany sambatra, de manaja ny fahasambaran'ny zanany fa tsy be fialonana.
Na tsy miray trano sy tsy mifampikasoka aza rehefa tsy mahay mandanjalanja an'ireo karazam-pitiavana ireo de mipetraka foana ny olana.
Ty no soso-kevitro @ xxx izay nataoko nandreseko ny olana niainako.
Za sy ny vadiko ary ny zanakay no james bond @ tokatranonay fa ny sisa figurants fotsiny daolo, de nasehonay sy nampahafantarinay ny olona zany, ary de milamina mitsy zay zao.
Courage akia a.
18. sakaizakely ( 28/04/2007 12:37)
marina be mits ny an'i bozyboleta hoe miankina am lhl ny vahaolana. izy no tokony mijoro manelanelana sy mametraka ny tsirairay amin'ny toerany

Fa ny vahaolana hitako aloha dia ny tsy fifaneraserana matetika. Za de tena manisy elanelana mits na dia tsy misy olana aza aminay. Aleoko kely tsaratsara, satria raha diso mifankahita be loatra dia tsy maintsy hisy foana ny disadisa kely, indrindra moa noho ny culture samy hafa tsy maintsy misy tsikera kely mody hoe sous forme de sosokevitra :-/ fa vao nanomboka de efa kopy koa le lhl hoe mila tohana ny vady dia izy no avelako hiresaka @ fianakaviany. Fa raha sendra lhl tsy sahy mijoro koa de eo no manomboka ny romborombo :^)
19. beby2 ( 28/06/2008 09:06)
ilay resaka zao-bavy; raha tsy manam-bady izy dia fialonana, ra manam-bady indray izy dia efa fahatsian-toetra nefa anie dia ity no tena mampiomehy eh!ireny zao-bavy ireny mataotra ny zavatra ataony @ havam-badiny ireny na zavatra efa nataony taloha dia mataotra mafy izy fa tsy izy irery no mahay anzany eh! sady ity no tena tsy zakany mety oe t@ ny mpiray tampo; ny tena marina ny anadahiny satria izay no tena mitranga matetika mbola tsy nanambady nahazo tobo-tsoa betsaka izy fa nony nanambady ny anadahiny dia very fihinanana izy eh!na dia fialonana fotsiny izao eh!na faharaytsian-toetra fotsiny, zay ko no antony.

ny rafozana indray rafozam-bavy no tena marina, marina aloha fa ny zanaka lahy akaikin'ny fon'ny reniny dia fitiavana be izany refa mbola kely ny zanaka fa rehefa lehibe indray ny zanany dia lasa hadevoliana be le izy ny tena tsy tsapan-dry zareo rafosam-bavy manko matoa ny zanany nanam-bady tiany dia tiany ilay alainy ho vadiny donc ry rafozam-bavy oh!raha tianao ny zanakao dia mba mieritrereta eh!izay ataonao @ vinantonao dia ny zanakao no anaovanao izany satria ny zanakao alahelo ny vadiny sauf oe tena maivan-doha ilay lehilahy ka tsy mahafantatra ny tsara sy ny ratsy ;tsy ho lazaiko eto intsony ny toetra ratsin'ny rafozam-bavy eh!fa dia zay fotsiny ny hevitro dia ry vinanto miezaha maneho ny hevitra ary @ fomba entitra sy @ panajana fa ho menatra ry zareo eh! nefa na izany tsy dia oe ny rafozana rehetra akory no manao izany fa efa mba betsaka ihany koa ny tonga saina eh!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6143