vavaka

1. olga ( 21/04/2007 06:32)
Mba omeo hiran'i firmin ilay vavaka iny ane aho izay manana e!!!!!!!
2. Fiffi ( 21/04/2007 06:42)
http://tononkira.serasera.org/index.php?rub=tononkira%2Fhira&tadiavo=vavaka ireo aloha ny "vavaka" misy ato fa le mpihira "Firmin" no ohatran'mbola tsy aiko mihintsy..
3. cmbolatiana ( 24/04/2007 07:15)
Manao ahoana e, Ity angamba ilay hira tadiavinao

MANAIKY AHO
FIRMIN
Tompo ô tsy haiko ny hangina
Fa tena resinao lahatra aho
Ho aiza aho, mahamenatra ahy
Ireo heloka sy ny hadalana natao
Inty aho mahatsapa ny fitiavanao ahy

Mahamay ny fitsapana
Manaiky aho izay no lalana
Hamefenao ahy
K’isaorako anao indrindra
Tompo ô

Nahoana aho moa no tsy hankasitraka foana
Fa ny fiainako dia avy aminao
Nahoana moa no tsy hanaiky aho
F’ianao no naha-toy izao ahy
Ekeko tsy isalasalana ny hitantananao ahy
Ekeko izany
Fa ny fahasoavanao no naha-toy izao ahy

Tompo ô toa ny andro mahaory
Mavesatra indrindra no lalovako
Mafy ny fisarahana @ maha-olombelona
Nefa nanehoanao fahagagana
Na izany aza Tompo Tsitoha
Manaiky aho izay no lalana
Fa ny androko omaly ny ampitso sy androany
Inoako foana fa avy aminao

Nahoana moa no tsy hanaiky aho
Ekeko tsy isalasalana ny hitantananao ahy
Ekeko izany

Anao ny fiainako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0369