Ry vorona ô..
mikopaka iny andanitra iny
Mba tazanao ravolasoanirina izay eh
Mijaly manan-olon-tiana
Misento an-tanan'olon-kafa
Fa nosoloiny an-tsokosoko ô
Lay tany Espagne ah
Fa lavitry ny maso mantsy dia nafoiny
Ny fiainany nampoiziny ho tantely hatrany
Fa saingy re ny Espanolas tsy mahaleo ny tsiaro
Ny safosafo erany vatany...mamoha sary avy ao anatiny
Ny orokoroka ampandriana e... zary toa matsatso
Tadidy foana mantsy hoy aho ilay voalohany
Ref http://www.dailymotion.com/relevance/search/ny%2Bainga/video/x1kduw_ny-ainga-lay-voalohany
Ny lasa anie tsy mety maty rei olona ô
Ny lasa anie misoka mora rei olona ô
Ilay nisantatra ny molony eh
Raha nampiaraka fahiny eh
Ilay nisantatra ny vatany
Any izay fa tsy hay kosehina
Tsaroany tena tsarony
Tadidinio fa tsy voakosoka eh
Tsy levony tena tsy levony
Fa re manonja mangingina ry lahy eh
ô! ô! ô! Eh roy eh! izany mantsy ity fitia eh
Fa hafa ihany hoy aho eh
Hafa ihany ilay voalohany
Fa hafa ihany hoy aho eh
Hafa ihany ilay taloha
Izany mantsy ilay voaloham-pitia eh
Mitia anie ny tia fa mbola azo fitahina
F'ilay taloha mamela tsimoka ao an-tratra
Ny tia rehefa lasandavitra... Vao mampisento manadala
Ilay ranomaso harivariva ô! ô! ô!
Fa izy tsy hita intsony
Fa any ho any mantsy izay ilay tokana iny