Zotra Fahadimy

1. pissoa ( 18/04/2007 05:45)
Manahona !

Mba omeo ny tonon'io hira io izay manana azafady o ! Zotra Fahadimy, Nary Arthur no mihira raha tsy diso za. :-D

Misaotra.
novalian'i pissoa ny 19/04/2007 13:26
2. Fiffi ( 18/04/2007 06:23)
Ho sambatra aho
Lala o!
Tsiahy
Vonona aho
ireo zao no mba hananako.....:)
3. booboo ( 18/04/2007 09:06)
Pissoa > hum hum...naninn tany Ambohimanarina teny moa enao io ? :°) hihihihihihihihi

Tao anatin'ilay zotra faha-5
Maty masoandro mody miankandrefan'iny
Misy tadidy tsy haiko hoadinoina
Mamela tsiahy velona ao am-poko foana

Iray toerana isika
'ndray alarobia izay
Samy ho eny Ambohimanarina
Misy jery nifampita
Misy fo te hifandray
Nefa samy mody fanina
Hay vahiny ianao sendra mandalo ety
Nampiray antsika ity zotra ity
Sitra-po tokoa 'lay teo akaikinao
Nefa eo an-tsena dia tsy maintsy mifandao

Misy fihetsika indray miserana
Nefa ao am-poko mibodo toerana
Ny fitsikinao tsy haiko ho fafana
Namela aloka tsy azo hialana


ôtra ôtra io ny fihirako azy fa tsy haiko na misy diso io na tsia :-/
4. pissoa ( 18/04/2007 09:08)
Oeee, misaotra an'i booboo :-*

Ka nisy oul tazako tao anatin'le zotra ho eny Ambohimanarina de lasa za niakatra haingana koa :oops::-D
5. mandrindra ( 18/04/2007 09:33)
asio feony fa izahay tsy mahay e
6. pissoa ( 19/04/2007 13:26)
heno ve sa tsia izany ataoko izany ? :-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0442