hors sujet

1. azzaro ( 13/04/2007 17:36)
Manahoana,

Ahoana kay no atao raha te hijery ilay page manaraka e? mandreraka be ahy ilay "manaraka", "farany"... nefa avy eo tsy mivadika akory ny page fa miverina ery aloha ery?
Misaotra ry zalà a!
novalian'i sitlo ny 16/04/2007 18:30
2. sitlo ( 14/04/2007 17:04)
:lol:
reraka mihitsy ve? :-D

saingy tsy azo aloha ilay olana na dia izany aza:?:
3. azzaro ( 14/04/2007 18:04)
manahoana sito,
marina izany fa ohatran'ny tsy mazava ny tiako anontaniana, ilay page amin'ny forum e! rehefa lava loatra (be mpamaly) dia mitombo ny pages, dia ery ambany ery misy hoe "manaraka", na hoe "farany", izany hoe raha te hijery ny suite n'ny resaka eto @ forum izany e! dia tsy haiko ny miditra any amin'ilay tohiny fa rehefa cliquer-na ilay hoe "manaraka", (page suivante) dia ny eo ihany no eo! lol
azonao amin'izay ve?
4. sitlo ( 14/04/2007 19:08)
hay ve, :°)

Ny eto amin'ny serasera tsy misy mivadika pejy izany na dia lava be aza fa mitohy ery ambany ery foana. Eny ambany eny ny valiteny farany.

Ilay hoe "manaraka" io dia lohahevitra efa taloha be ireny no lasa any ambadika any fa tsy ny valin'ny hevitra akory. ;-)
5. azzaro ( 16/04/2007 17:52)
izany ve? nefa nojereko anie ilay hoe namaly farany ery amin'ny liste ny sujet dia tsy ao amin'ny faran'ilay dinika fa mila mivadika izany e! sady rehefa mihalava ny dinika no mivoaka ilay hoe "manaraka"... hihihi! dia andraso indray izany dinihina ry sitlo a!
6. sitlo ( 16/04/2007 18:30)
za koa ndraindray tratran'iny. Tsy ny olona misoratra hoe namaly farany akory no eo. Fa ny atao dia logout mihitsy aloha dia izay vao miverina indray.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0847