Tahiry raki-piainana

1. mamy23 ( 11/04/2007 07:43)
Miarahaba antsika rehetra.

Sao mba nisy nahatahiry ilay tantara raki-piainana pejy 1 à 90. Mahafinaritra be ahy ilay tantara saingy tsy hitako ny fiatombohany.

Misaotra mialoha
novalian'i soanja ny 23/04/2007 15:03
2. Fiffi ( 11/04/2007 10:37)
tantara raki-piainana dago ve io ?
3. cutie ( 12/04/2007 01:09)
hihihihihi
4. cutie ( 12/04/2007 01:09)
raha tsy diso aho
raki-piainana USA io :lol:
5. cutie ( 12/04/2007 01:10)
oups diso za kay :oops::-D
6. mamy23 ( 12/04/2007 07:34)
Raki-piainana USA nosoratan'i Saonja ilay izy
7. sitlo ( 12/04/2007 08:31)
Soanja fa tsy Saonja.:lol:

Izy re anontaniana ah.
8. sipagasy ( 12/04/2007 17:00)
tss lasa res-tsaonjo injay ny tantaram-piainan'ny sasany tsss hhihihih :-*:-D
9. mandrindra ( 12/04/2007 17:44)
manorata any amin'ny mpanoratra e
10. cutie ( 12/04/2007 21:31)
ka tsy diso za :-D
11. mandrindra ( 13/04/2007 10:22)
fa iza no nilaza fa diso ianao?
12. cutie ( 13/04/2007 16:21)
za ihany :-D
13. mamy23 ( 16/04/2007 09:24)
Efa nanoratra tany aminy aho fa efa lasa any @ editeur hono. Ka izay no nanoratako sao misy mba nahatahiry e1
14. sitlo ( 16/04/2007 18:32)
:-D, mahita atao koa ry soanja izany.
15. soanja ( 18/04/2007 14:39)
sitlo:

:-D, mahita atao koa ry soanja izany.



I Sitlo angaha tsy mahita? ;-)



16. soanja ( 18/04/2007 14:46)
Mamy o,
Ity ny fiatombohany an.
Rehefa mihaona isika dia omeko kopia ianao fa aza manahy.
Kely sisa dia feno iray taona sahady ny nanoratako.
Io ary an. Special ho anao.

Pejy 1 - Aia ty ombana
Published on 05/11,2006
Tany Ankazoabo, Tulear aho no namboarin'ireo RAD-ko. Teo ambody lamonty (hazo io an) teo an-tokotaninay fa nafana be hono tao an-trano tamin'izay sady be vahiny ka naleon'izy mivady hono namonjy malomaloka. Teo dia tapakevitra ny dadako fa hanamboatra ahy. Dia namaly hono mamanay hoe
-"Tsy aleo ve amin'ny herintaona fa mbola kely loatra ilay zokiko."
Hoy i dadanay hoe:
-"Samy hanana ny hanitra ho azy ireo fa ho hitanao anie."
Dia vita i Soanja.

Mbola tsy feno 3 volana akory aho tao ambohoka dia lasa nanao mission herintaona taona tany Benenitra i dadanay. Ry mamanay moa tamin'izany dia nalefa nipetraka tany Tulear fa lavitra loatra i Ankazoabo raha resaka hopitaly tamin'izany fotoana izany. Noho io dia tonga namangy azy tany ny rafozany (bebenay izany) dia tsy tamana fa hoe mafana loatra any ary tsy azoazony ny fiteny any. Nisy an'izay sinoa izay no mba naman-dry mamanay tsy nanalavitra ny tranonay tao Tulear. Matetika mankany mamanay.
Nony ho teraka hono aho dia nanapakevitra izy fa hody any aminy izay any Fianarantsoa. Kanjo bevohoka be efa ho teraka koa i bebenay maman'ny mamanay dia voatery izy namonjy tany Ambatofotsy Antananarivo hiteraka ahy. Any ny rafozany sy ny havan'ny dadanay.
Vao teraka hono aho dia tsy nisy nitovizana tamin'ilay zokiko. Dia niresaka ny tao an-trano fa tsy zanak'i dadanay aho satria tsy misy itovizana amin'izy mivady. I dadanay amin'io mbola tsy nandre hoe teraka aho satria 6 volana hono vao tonga any Benenitra ny taratasy satria mandeha sarety vao tonga any ny rehetra. Vao nandray taratasy anefa izy nilaza izany dia nanapakevitra ny handeha hijery ahy. Nony tonga tany Ambatofotsy dia efa notsenain'ny havany tery aloha be tery hoe:
-"Ao ny anao zaza hafa mihitsy fa angamba tsy zanakao."
Dia namaly mora hono dadanay hoe:
-"Tadidiko ny nanamboarako azy ka. Mino aho fa zanako ny ao."
Hatramin'izay dia nifanakaiky be ny fonay mianaka.
17. mamy23 ( 19/04/2007 07:10)
Soanja,
Misaotra anao mialoha.
Ny manaraka indray alefaso. Tsy ampy hovakiako ny pejy iray. Fa misy pejy firy ilay tantara e!
Mazotoa manoratra e
Mamy
18. sipagasy ( 23/04/2007 11:32)
Ary ny azhy hoa ry Soanja ny faniriako dia ny hoe azo atao horonan-tsary ve akia kouuuhh mba misy hojerena e!!!!:-*
19. soanja ( 23/04/2007 15:03)
Sipagasy> Tsy sarotiny aho ka. Azo atao tsara io ny mamadika azy ho sary mihetsika saingy dia hivezivezy le mpanao azy an. Tsara tokoa aloha raha ilay tao Mada no atao fotsiny alo de hita eo indray ny tohiny taty an-dafy sns. :-*:-*:-*:-*:-*:-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1559