ny naman ny namana ve tsy maintsy hoe namana?
1. xxx
(
10/04/2007 16:57)
manana namana vavy iray izay aho tena akaikin ny foko, efa ela izahay no mpinamana ary tena fitiavana madio!
nanambady izy ary io vadiny io dia tena manana toetra tsy mifanaraka amin ny toetrako mihitsy, tsy azo iadiana hevitra angamba hoe iza no diso sy tsy diso fa hoy fotsiny aho hoe tsy mitovy ny tadin dokanganay ary tena tsy afaka ny hitovy mihitsy, rehefa tena nadinika aho dia tsy afaka ny hifanerasera mihitsy izahay sy io lhl io fa manjary ady foana no iafarany satria efa samy toetra raikitampisaka ny anay!
Ny hany azoko natao dia ny nanisy elanelana tamin izy roa! na dia malahelo mafy aza aho hoe very amin izay fotoana izay koa ilay namana akaikin ny foko!
Ka ohatran ny toa tsy marina ihany ilay hoe "ny naman ny namko dia namako" asa anefa aloha.....

novalian'i Fiffi ny 20/04/2007 07:25
2. Fiffi
(
10/04/2007 18:51)
zao fotsiny angamba no tokony fantatrao: na de hoe malahelo enao heu.....inn nefa no halelovanao ? hoe nanelanelna ve ? nefa matoa io olona nanaiky azy ho vadiny de nanaiky ny toetrany .....ary mahafantatra ny toetrany koh ka mino zah fa tsy hoe mijaly izy...fa enao no malahelo nanasaraka sa nanapaka an'le firaisana tam-zareo....ka sao de misy fahasarotam-piaro kosa aza izy zany ? :roll:
3. ratonga
(
11/04/2007 02:45)
ny namana eto @ serasera bôbaka beuhhh ko inona aza no mampalahelo anao ry xxx:wink: zàh ko alou mino hoe mety misy fasarotampiaro araky ny volazan'i Fiffi kelkepar:-D
4. xxx
(
11/04/2007 08:08)
tsy azonareo ilay izy, tsy izaho anie no nanelanelana azy e! izaho no naka ny elanelana tamin izy roa, tonga dia aleoko niala, tsy dia nifanerasera tamin zareo fotsiny,
malahelo aho satria very namana, tena namana!

5. booboo
(
11/04/2007 08:46)
xxx > "celui qui cesse d'être ami(e), ne l'a jamais été" ouz ! Hazavao @ namanao fotsiny ny antony tsy "itiavanao" mifanerasera beee loatra @ vadiny. izany akory tsy manakana anareo roa tsy hihaoana sy tsy hanakana ny finamananareo ...Rehefa sendra tafiaraka ianareo 3 dia miezaha mifehy tena/vava tsy mamaly ny vadiny raha hitanao fa hitarika any @ ady indray ny raharaha (sady tsy isan'andro akory nareo no hihaona).
6. ratonga
(
11/04/2007 12:55)
tena marina daholo reo vôlazan'i booboo reo an! zà ko efa sendra ny k otran'io fa mbôla pinamana b zao zàh sy lé sipa efa an- taonany maro izay.
7. dailynews
(
11/04/2007 17:43)
ny aza atao fotsiny dia ny miditra lalina amin ny resaka izay atao rehefa tafiaraka @ izy roa. ary ihany koa, rehefa te hiaraka amin izy roa ianao dia any @ restaurant tsara kokoa. Iny tsinona vitan ny 30mn ka h@ 1h eo koa tsy voatery mijanona ela be nareo miaraka.
ilay namanao azonao atao tsara ny manao fotoana aminy manokana.

8. xxx
(
11/04/2007 23:17)
booboo:
xxx > "celui qui cesse d'être ami(e), ne l'a jamais été" ouz ! Hazavao @ namanao fotsiny ny antony tsy "itiavanao" mifanerasera beee loatra @ vadiny. izany akory tsy manakana anareo roa tsy hihaoana sy tsy hanakana ny finamananareo ...Rehefa sendra tafiaraka ianareo 3 dia miezaha mifehy tena/vava tsy mamaly ny vadiny raha hitanao fa hitarika any @ ady indray ny raharaha (sady tsy isan'andro akory nareo no hihaona).
manaiky an ilay hoe tsy tokony anakana anay tsy hihaona ny tsy fifankazahoako amin ny vadiny, na dia hitako aza hoe....
sarotra be ilay hoe "qui cesse d'etre ami, ne l'a jamais été", hoy aho hoe discutable io, tsy dia ekeko loatra, inona moa no atao hoe mpinamana?
miandry valiny...
9. Fiffi
(
12/04/2007 07:05)
xxx:heu....choix-nao ange io eh ! raha zah no eo am toeranao de mifanerasera hiany zah satria hoe tena malahelo fa.....tsy hatao ohatran'le taloha ....fa sao de le vadiny kosa aza no saro-piaro am-nao ? iza no mahita raha ohatra hoe zany no nahatonga azy heu..masiaka na ireo voalazanao ireo ? de enao zao nanelanelana zao de fantatrao ve raha ohatra hoe nisy fihovana tam le toetrany ?
izaho no naka ny elanelana tamin izy roa, tonga dia aleoko niala, tsy dia nifanerasera tamin zareo fotsiny,
malahelo aho satria very namana, tena namana!
10. sitlo
(
12/04/2007 07:30)
tsetsatsetsa: ataovy hoe "nihataka tamin'izy roa" fa tsy hoe "nanisy elanelana tamin'izy roa" fa lasa mifangaro.
Ny hevitro indray dia hoe, raha tena mpinamana ianareo dia milamina wazy eo io fa tsy mikrapa fotsiny. Aleo tsaboin'ny fotoana.

12. booboo
(
12/04/2007 08:31)
xxx > tô efa tapa-kevitra ny tsy hifandray amin-dreo mihitsy raha zao ...
Namana zany amiko, tsy mba mandao na an-kafaliana na an-karatsiana. Fa ny tena ahafantarana azy ouz lé zokibe zay, dia rehefa an-kafaliana izy tonga rehefa asaina, tsy miandry asaina kosa izy vao tonga rehefa an-karatsiana. Ny ankaratsiana aminao zao eto ny fifandrasaiana @ vadiny, donky....

14. bidagda
(
13/04/2007 13:27)
tsy hitako fa ra malahelo enao hisaraka @ le namanao tokony miafy enao fa tsy tapahinao ny tadidokanga, zany hoe rehafa tafaraka nareo telo, ezao ny tsy mamaly le vadiny na tsy mitovy aza ny hevitrareo,de resaka mampihomehy reny resahana f'aza miditra @ discussion lalina, raha vozongo ny vadin'ny namanao de reo efa toetrany zany ka mody ekeo any fotsiny na diso aza izy le namanao fotsiny ko alo jerena e!!!
ary sao de sipanao taloha kosa ary le sipa ?

16. johnnyandri
(
17/04/2007 07:25)
Tonga de borkeo ny resaka dia any aoriana indray minamana raha tena mpinamana ianareo e. Ny tena namana tsy manadino izany. Rehefa manambady ny olona dia iny indray no tena namany, ka tokony hanaja tena fotsiny ianao fa sao misaringitra amin ny resaka namana. Tsy terena hiaraka ny olona rehefa tsy mifankahazo fa samy manana ny toetrany, ka ianao mety tsy nahafantatra tsara ilay namanao izay nanambady an io olona io. Matoa izy nanambady an'io dia mahazaka ny toetran io izany izy izay tsy zakanao. Ka misy ambaratongany ny zavatra rehetra: vady, namana, fianakaviana, etc... reveo manja fotsiny fa fiainana izany e...
17. reniala
(
19/04/2007 10:15)
malahelo ianao, satria ho rava ny fifandraisanao amin'ity namanao ity noho ny vadiny.
nefa vao mainka tokony hanamafy ny fifankatiavanareo izay tadin-dokanga tsy mitovy eo amin'ny vadiny sy ianao izay. Tsy ilay lhl no nifandraisanao voalohany, fa ny vadiny. Harena ny fahasamihafana, satria itarafana ihany koa ny fetrantsika, ny kilemantsika izay mety tsy hankasitrahan'ny olon-kafa mifanerasera amintsika. Ianao no tsy maintsy miezaka hahatsapa ny tsy fitoviana izay, ary tsy voatery ho ady lava ny anareo isaky ny mifankahita. Fa maninona no tonga dia mametraka sakana avy hatrany ???
Tsy natao hitakiana ny hafa hampifanaraka ny fiainany amin'izay toetrako ny fifandraisana fa fanekena ny azy. Raha mahay mametraka ny fifanajana, dia ho tsapanao fa hifankahazo am-po ihany ianao sy ity vadin'ny namanao. Ary tsy maintsy manao izany ianao raha tena tianao ilay namanao. Fa raha tsy izany, dia naorina amin-javatra tsy manana fototra azo antoka ilay fifandraisanareo roa vavy. Azafady fa izay no mba fandiniko ity olana atrehinao ity. Dia hilamina ve ny eritreritrao satria ho ravanao ilay fifandraisanareo roa noho ny vadiny ihany. raha tsy hoe angaha nanao fihetsika mihoa-pefyilay ranagahy, ohatra nanadaladala anao, sanatrian'ny vava. Kanefa na nisy izay, dia adidinao ny manampy azy hiova koa.
Dia mahereza re!

18. xxx
(
19/04/2007 22:30)
marina ny tenenin i johnnyandri, misy ambaratonga (vady, fianakaviana, namana, ...) ka aleo tsy miady vintana amin ny akoho,...
tsy tapahiko ny finamanana fa na tiana na tsy tiana dia tsy maintsy misy fiovana ny fifandraisanay,
ny tena mahakamo dia ilay tsy afaka manao tora po aminy intsony aho fa voatery mifidy izay zavatra tokony hotantaraina na tsia, satria averiny any amin ny vadiny iny, dia ohatran ny hitako avy aty sahady ny zavatra ho ambarany momba izay resaka ataoko indrindra moa raha ilay tsy mifanaraka amin ny heviny!
fa ny fahendrena dia ny manohana fo!