lova tsy mifindra ahoana?

1. xxx ( 10/04/2007 09:02)
hono ho'a ry reto naheno resaka a oe "mpanao lova tsy mifindra", inn kay no tiandry zareo ho lazaina @zany?
novalian'i Fiffi ny 12/04/2007 11:14
2. Fiffi ( 10/04/2007 09:36)
humm.....nga mihaino resaka ? ka naninona raha nanontaniana an'zareo sa tsy azo hatao ? :) bref...

Ny lova tsy mifindra am fahazahoako azy de zao:

-Fombafomban'ny (Andriana) ve ? sa tena mpanankarena ? fa hoe ny lova de tsy hafindra am olona tsy ao anatin'ny fianakaviany ! zany hoe: ny harenan'ny fianakaviana iray tsy hafindra am olon-kafa fa mijanona am io fianakaviana io hiany ka.....ny cousin sy ny cousine no hampifanam-badiana (raha tsy diso zah an !
3. kally ( 10/04/2007 10:51)
Ie! io voalazan'i Fiffi io,mifanambady mpihavana amin'izay tsy miparitaka ny harena fa mijanona ho an'izy mianakavy ihany.
4. xxx ( 10/04/2007 11:11)
Fiffi >> ka manana sofina v mo ilaozanze resaka heno teny antsefatsefany teny na saik tsy hihaino aza e! :lol:
tsy afaka nanontany a satria ol tsy fantatro no henoko milaza anzany matetika
azokazoko an-tsaina iany oe mety reto zany le oe andriana..
ary hono ho'a misy oe toerana ndray ary v mpanao anzany e.. oe ny avy ery d tena mpanao LTM (lova tsy mifindra)io.
5. Fiffi ( 10/04/2007 11:23)
heu...ny zavatra fantatro aloha am-io hatram-zao de ny Andriana no mpanao azy......ka ny toerana zany ve tsy ao Tana ? asa aloha an ! resaka efa henoko matetika koh manko io.....
6. xxx ( 10/04/2007 14:46)
dadabe sy bebenay merina dia natao an'io tokoa, zanaka mpianadahy ry zareo. Tsy nifindra tokoa ny harena, fa ny vokany dia toa tsy namokatra izy roroa. Fa toa hoe nangalampihinana tamina lhl iray bebe avec l'accord de dadabe mba hananana taranaka dia toa izany no nahatongavandry mama mianadahy avy. Ilay zanak'i le rangahy nitsaingohan'i bebe no nilaza t@ RaD nay indray andro hoe mpianakavy isika satria zao sy zao. Dia tezitra be izy mivady sady norahonany hoe hotoriny ilay rangahy fa manala baraka razana. Natahotra io rangahy io dia tsy sahy niteniteny intsony taty afara. Dia asa tokoa raha marina na tsy :lol:
7. Aino ( 10/04/2007 14:47)
izay sy ny namako vao t@ semaine lasa teo niresaka anio.
Ie! io voalazan'i Fiffi io,mifanambady mpihavana amin'izay tsy miparitaka ny harena fa mijanona ho an'izy mianakavy ihany.
marina io fa betraka ny manao any izany indrindra hono fa ao fianarantsoa ao.
8. Fiffi ( 10/04/2007 18:55)
Aino:
betraka ny manao any izany indrindra hono fa ao fianarantsoa ao.
heu....sao de misy fahadisoana ry Ainy ny zavatra henonao ? satria arakin'ny zavatra mba aiko de tsy manao an'zany ny avy any Fianarantsoa....


9. xxx ( 12/04/2007 10:28)
le izy aloha ny azoko antoka d tsy d tena oe eto tanà rery no misy manao anazy fa refa tena tsy tindry zareo hifindra tokoa ny lova d tsy afindrany, fa ny any ndray tsy haiko na inn no tena mahatonga andry zareo hanao azy... fa le eto tanà mintsy no ôtrany mbola mi1téressé anah amzao... oe ny avy aiza sy avy aiza eto tanà, ary refa raikitra v fa oe mpanao LTM ny ery d ze avy ao rehetra tsy ankanavaka sa sokajin'ol iany???
10. Fiffi ( 12/04/2007 11:14)
xxx: ka zay indrindra manko.....hatram-zay zah mbola tsy naheno faritra manao an'io raha tsy Tana sy ny (Andriana) hiany.....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9731